< Ezra 2 >

1 Ary izao no olona amin’ izany tany izany izay niakatra avy amin’ ny fahababoana, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
This is a list of the Jewish exiles from the province who returned from captivity after King Nebuchadnezzar had taken them away to Babylon. They went back to Jerusalem and to their own towns in Judah.
2 dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Their leaders were Zerubbabel, Jeshua, Nehemiah, Seraiah, Reelaiah, Mordecai, Bilshan, Mispar, Bigvai, Rehum, and Baanah. This is the number of the men of the people of Israel:
3 Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
the sons of Parosh, 2,172;
4 ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
the sons of Shephatiah, 372;
5 ny taranak’ i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
the sons of Arah, 775;
6 ny taranak’ i Pahatamoaba, avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
the sons of Pahath-moab (sons of Jeshua and Joab), 2,812;
7 ny taranak’ i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
the sons of Elam, 1,254;
8 ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
the sons of Zattu, 945;
9 ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
the sons of Zaccai, 760;
10 ny taranak’ i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
the sons of Bani, 642;
11 ny taranak’ i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
the sons of Bebai, 623;
12 ny taranak’ i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
the sons of Azgad, 1,222;
13 ny taranak’ i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
the sons of Adonikam, 666;
14 ny taranak’ i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
the sons of Bigvai, 2,056;
15 ny taranak’ i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
the sons of Adin, 454;
16 ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
the sons of Ater, (sons of Hezekiah), 98;
17 ny taranak’ i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
the sons of Bezai, 323;
18 ny taranak’ i Jora dia roa ambin’ ny folo amby zato;
the sons of Jorah, 112;
19 ny taranak’ i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
the sons of Hashum, 223;
20 ny zanak’ i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
the sons of Gibbar, 95;
21 ny zanak’ i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
the people from Bethlehem, 123;
22 ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
the people from Netophah, 56;
23 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
the people from Anathoth, 128;
24 ny zanak’ i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
the people from Beth-azmaveth, 42;
25 ny zanak’ i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
the people from Kiriath-jearim, Kephirah, and Beeroth, 743;
26 ny zanak’ i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
the people from Ramah and Geba, 621;
27 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
the people from Micmash, 122;
28 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
the people from Bethel and Ai, 223;
29 ny zanak’ i Nebo dia roa amby dimam-polo;
the sons of Nebo, 52;
30 ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
the sons of Magbish, 156;
31 ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
the sons of Elam, 1,254;
32 ny taranak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
the sons of Harim, 320;
33 ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
the sons of Lod, Hadid, and Ono, 725;
34 ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
the sons of Jericho, 345;
35 ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
the sons of Senaah, 3,630.
36 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
This is the number of the priests: the sons of Jedaiah (through the family of Jeshua), 973;
37 ny taranak’ Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
the sons of Immer, 1,052;
38 ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
the sons of Pashhur, 1,247;
39 ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
the sons of Harim, 1,017.
40 Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
This is the number of the Levites: the sons of Jeshua and Kadmiel (sons of Hodaviah), 74;
41 Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak’ i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
the singers of the sons of Asaph, 128;
42 Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
the gatekeepers of the families of Shallum, Ater, Talmon, Akkub, Hatita, and Shobai, 139.
43 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
The descendants of these Temple servants: Ziha, Hasupha, Tabbaoth,
44 ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Siaha, ny taranak’ i Padona,
Keros, Siaha, Padon,
45 ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagabaha, ny taranak’ i Akoba,
Lebanah, Hagabah, Akkub,
46 ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay, ny taranak’ i Hanana,
Hagab, Shalmai, Hanan,
47 ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara, ny taranak’ i Reaia,
Giddel, Gahar, Reaiah,
48 ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda, ny taranak’ i Gazama,
Rezin, Nekoda, Gazzam,
49 ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea, ny taranak’ i Besay,
Uzza, Paseah, Besai,
50 ny taranak’ i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
Asnah, Meunim, Nephusim,
51 ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakofa, ny taranak’ i Harora,
Bakbuk, Hakupha, Harhur,
52 ny taranak’ i Bazlota, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
Bazluth, Mehida, Harsha,
53 ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
Barkos, Sisera, Temah,
54 ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
Neziah, and Hatipha.
55 Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny taranak’ i Peroda,
The descendants of King Solomon's servants: Sotai, Hassophereth, Peruda,
56 ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
Jaalah, Darkon, Giddel,
57 ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amy.
Shephatiah, Hattil, Pokereth-hazzebaim, and Ami.
58 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
The total of the Temple servants and the descendants of Solomon's servants was 392.
59 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia):
Those who came from the towns of Tel-melah, Tel-harsha, Kerub, Addan, and Immer could not prove their family genealogy, or even that they were descendants of Israel.
60 ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
They included the families of Delaiah, Tobiah, and Nekoda, 652 in total.
61 Ary ny avy tamin’ ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Habaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
In addition there three priestly families, sons of Hobaiah, Hakkoz, and Barzillai. (Barzillai had married a woman descended from Barzillai of Gilead, and he was called by that name.)
62 Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
They searched for a record of them in the genealogies, but their names weren't found, so they were barred from serving as priests.
63 Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
The governor instructed them not to eat anything from the sanctuary sacrifices until a priest could ask the Lord about the issue by using the Urim and Thummim.
64 Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
The total of number of people returning was 42,360.
65 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
In addition there were 7,337 servants and 200 male and female singers.
66 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
They had 736 horses, 245 mules,
67 ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
435 camels, and 6,720 donkeys.
68 Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin’ ny sitrapo hananganana ny tranon’ Andriamanitra eo amin’ ilay efa niorenany.
When they arrived at the Temple of the Lord in Jerusalem, some of the family leaders made voluntary contributions toward the rebuilding of God's Temple where it had once stood.
69 Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
They gave depending on how much they had, putting their gift into the treasury. The total came to 61,000 gold daric coins, 5,000 minas of silver, and 100 robes for the priests.
70 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin’ ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
The priests, the Levites, the singers, the gatekeepers, the Temple servants, as well as some of the people went back to live in their specific towns. The others returned to their own towns throughout Israel.

< Ezra 2 >