< Ezra 10 >
1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Ɛberɛ a Ɛsra bɔɔ mpaeɛ, kaa saa bɔne yi no, na ɔresu de ne ho toto fam wɔ Onyankopɔn Asɔredan no anim. Na nnipadɔm a wɔyɛ Israelfoɔ, mmarima, mmaa ne mmɔfra bɛkaa ne ho ne no twaa adwo.
2 Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
Na Yehiel babarima Sekania a ɔyɛ Elam aseni no ka kyerɛɛ Ɛsra sɛ, “Yɛpae mu ka sɛ yɛanni yɛn Onyankopɔn nokorɛ, ɛfiri sɛ, yɛawareware abosonsomfoɔ mmaa a wɔwɔ asase no so. Nanso, yei akyi no, anidasoɔ wɔ hɔ ma Israel.
3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Afei, momma yɛne yɛn Onyankopɔn nyɛ apam, na yɛnnyaa yɛn yerenom abosonsomfoɔ no awadeɛ, na yɛmpam wɔne wɔn mma. Yɛbɛtie afotuo a wo ne afoforɔ a wɔdi yɛn Onyankopɔn mmara no so de ama yɛn. Yɛbɛdi Onyankopɔn mmara no so.
4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
Ma wo bo nyɛ duru, ɛfiri sɛ, ɛyɛ wʼasɛdeɛ sɛ wokyerɛ yɛn ɛkwan a yɛbɛfa so ama biribiara akɔ so tee, na yɛde yɛn ahoɔden nyinaa bɛboa.”
5 Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
Na Ɛsra sɔre gyinaeɛ, na ɔhyɛɛ sɛ asɔfoɔ no ntuanofoɔ, Lewifoɔ ne Israelfoɔ nyinaa nka ntam sɛ, wɔbɛyɛ deɛ Sekania aka no. Na wɔn nyinaa kaa ntam a ano yɛ den.
6 Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.
Na Ɛsra sɔre firii Onyankopɔn Asɔredan no anim kɔɔ Eliasib babarima Yehohanan dan mu. Ɔdaa hɔ, nanso wannidi annom. Na ɔda so di awerɛhoɔ ɛsiane asutwafoɔ a wɔasane aba no nokorɛ a wɔannie no enti.
7 Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
Afei, wɔbɔɔ dawuro Yuda ne Yerusalem nyinaa sɛ, asutwafoɔ a wɔasane aba no nyinaa mmra Yerusalem.
8 ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
Na wɔn a wɔamma nnansa ntam no, sɛ ntuanofoɔ ne mpanimfoɔ pɛ a, wɔde wɔn nsa bɛto wɔn agyapadeɛ so, na wɔapam wɔn afiri asutwafoɔ no mu.
9 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Nnansa ntam no, na Yudafoɔ ne Benyaminfoɔ aboa wɔn ho ano wɔ Yerusalem. Asɛm yi sii wɔ Kislew bosome (bɛyɛ Ɔpɛnima) da a ɛtɔ so dunkron, na wɔn nyinaa tenatenaa adwaberem hɔ wɔ Onyankopɔn Asɔredan no anim. Na wɔn ho repopo, ɛfiri sɛ, deɛ ɛdi ɛkan no, na asɛm no mu yɛ duru, na deɛ ɛtɔ so mmienu no, na osuo nso retɔ.
10 Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.
Na ɔsɔfoɔ Ɛsra sɔre gyina kaa sɛ, “Moayɛ bɔne, ɛfiri sɛ, moawareware abosonsomfoɔ mmaa. Enti seesei, yɛwɔ afɔbuo a ano yɛ den mu sene kane deɛ no.
11 Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
Mompae mu nka mo bɔne nkyerɛ Awurade, mo agyanom Onyankopɔn, na monyɛ nʼapɛdeɛ. Monte mo ho mfiri nnipa a wɔwɔ asase no so ne abosonsomfoɔ mmaa no ho.”
12 Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
Afei badwa no nyinaa maa wɔn nne so kaa sɛ, “Ampa, wʼasɛm no yɛ nokorɛ. Ɛsɛ sɛ yɛyɛ deɛ woaka no.
13 nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;
Wɔtoaa so sɛ: Yei nyɛ da koro anaa nnanu adwuma, ɛfiri sɛ, yɛn mu bebree na saa bɔne kɛseɛ yi ka yɛn. Saa ɛberɛ yi yɛ osutɔberɛ, enti yɛrentumi ntena ha nkyɛre.
14 koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.
Momma yɛn mpanimfoɔ nsi yɛn anan nyɛ biribiara. Obiara a ɔware ɔbosonsomni baa no ne ntuanofoɔ ne atemmufoɔ a wɔwɔ kuro yi mu bɛhyia ɛberɛ a yɛahyɛ no sɛdeɛ ɛbɛyɛ a Onyankopɔn abufuhyeɛ a ɛfa saa asɛm yi ho no bɛfiri yɛn so.”
15 Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
Asahel babarima Yonatan ne Tikwa babarima Yahasia na wɔtiaa saa asɛm yi mu, na Mesulam ne Sabetai a ɔyɛ Lewini no foaa wɔn so.
16 Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
Enti, yei ne nhyehyɛeɛ a wɔfaa so. Ɛsra yii ntuanofoɔ maa wɔsii wɔn mmusua anan, na ɔde edin bi too ntuanoni biara so. Bosome Kislew (bɛyɛ Ɔpɛnimaa) da a ɛtɔ so aduonu nkron no, ntuanofoɔ no tenaa ase hwehwɛɛ asɛm no mu.
17 Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
Afe a ɛdi so no mu, Abib bosome (bɛyɛ Ɔbɛnem) da a ɛtɔ so aduonu nson no na wɔawie mmarima a wɔawareware abosonsomfoɔ mmaa no nyinaa ho asɛnka.
18 Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
Asɔfoɔ a na wɔawareware abosonsomfoɔ no din nie: Yosadak babarima Yesua ne ne nuammarimanom: Maaseia, Elieser, Yarib ne Gedalia.
19 dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
Wɔkaa ntam sɛ wɔbɛgyaa wɔn yerenom, wɔn mu biara gyee nʼafɔdie too mu, na wɔde nnwennini bɛbɔɔ ɛfɔdie ho afɔdeɛ.
20 Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;
Imer abusua mu no: Hanani ne Sebadia.
21 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
Harim abusua mu no: Maaseia, Elia, Semaia, Yehiel ne Usia.
22 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
Pashur abusua mu no: Elioenai, Maaseia, Ismael, Netanel, Yosabad ne Elasa.
23 Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
Yeinom ne Lewifoɔ a na afɔdie da wɔn so: Yosabad, Simei, Kelaia, Kelita, Petahia, Yuda ne Elieser.
24 ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
Dwomtofoɔ a na afɔdie da ne so no yɛ: Eliasib. Yeinom ne aponoanohwɛfoɔ a na afɔdie da wɔn so: Salum, Telem ne Uri.
25 Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
Yeinom ne nnipa bi a wɔyɛ Israelfoɔ a na afɔdie da wɔn so: Paros abusua mu no: Ramia, Yisia, Malkia, Miamin, Eleasa, Malkia ne Benaia.
26 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
Elam abusua mu no: Matania, Sakaria, Yehiel, Abdi, Yeremot ne Elia.
27 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
Satu abusua mu no: Elioenai, Eliasib, Matania, Yeremot, Sabad ne Asisa.
28 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
Bebai abusua mu no: Yehohanan, Hanania, Sabai ne Atlai.
29 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
Bani abusua mu no: Mesulam, Maluk, Adaia, Yasub, Seal ne Yeremot.
30 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
Pahat-Moab abusua mu no: Adna, Kelal, Benaia, Maaseia, Matania, Besaleel, Binui ne Manase.
31 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
Harim abusua mu no: Elieser, Yisia, Malkia Semaia ne Simeon.
32 sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
Benyamin, Maluk ne Semaria.
33 ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
Hasum abusua mu no: Matenai, Matata, Sabad, Elifelet, Yeremai, Manase ne Simei.
34 ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
Bani abusua mu no: Maadai, Amram ne Uel,
35 sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
Benaia, Bedeia, Keluhi,
36 sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
Wania, Meremot, Eliasib,
37 sy Matania sy Matenay sy Jasao
Matania, Matenai ne Yaasu.
38 sy Bany sy Binoy sy Simey
Binui abusua mu no: Simei,
39 sy Selemia sy Natana sy Adaia
Selemia, Natan, Adaia,
40 sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
Maknadebai, Sasai, Sarai,
41 sy Azarela sy Selemia sy Semaria
Asarel, Selemia, Semaria,
42 sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
Salum, Amaria ne Yosef.
43 ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
Nebo abusua mu no: Yeiel, Matitia, Sabad, Sebina, Yadau, Yoɛl ne Benaia.
44 Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ ireny
Na mmarima yi mu biara aware ɔbosonsomni baa a na wɔn mu bi mpo ne wɔn yerenom yi wɔ mma.