< Ezra 10 >

1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
에스라가 하나님의 전 앞에 엎드려 울며 기도하여 죄를 자복할 때에 많은 백성이 심히 통곡하매 이스라엘 중에서 백성의 남녀와 어린 아이의 큰 무리가 그 앞에 모인지라
2 Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
엘람 자손 중 여히엘의 아들 스가냐가 에스라에게 이르되 `우리가 우리 하나님께 범죄하여 이 땅 이방 여자를 취하여 아내를 삼았으나 이스라엘에게 오히려 소망이 있나니
3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
곧 내 주의 교훈을 좇으며 우리 하나님의 명령을 떨며 준행하는 자의 의논을 좇아 이 모든 아내와 그 소생을 다 내어 보내기로 우리 하나님과 언약을 세우고 율법대로 행할 것이라
4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
이는 당신의 주장할 일이니 일어나소서 우리가 도우리니 힘써 행하소서'
5 Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
이에 에스라가 일어나 제사장들과 레위 사람들과 온 이스라엘에게 이 말대로 행하기를 맹세하게 하매 무리가 맹세하는지라
6 Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.
이에 에스라가 하나님의 전 앞에서 일어나 엘리아십의 아들 여호하난의 방으로 들어가니라 저가 들어가서 사로잡혔던 자의 죄를 근심하여 떡도 먹지 아니하며 물도 마시지 아니하더니
7 Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
유다와 예루살렘의 사로잡혔던 자의 자손들에게 공포하기를 `너희는 예루살렘으로 모이라
8 ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
누구든지 방백들과 장로들의 훈시를 좇아 삼일 내에 오지 아니하면 그 재산을 적몰하고 사로잡혔던 자의 회에서 쫓아내리라' 하매
9 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
유다와 베냐민 모든 사람이 삼일 내에 예루살렘에 모이니 때는 구월 이십일이라 무리가 하나님의 전 앞 광장에 앉아서 이 일과 비를 인하여 떨더니
10 Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.
제사장 에스라가 일어서서 저희에게 이르되 `너희가 범죄하여 이방 여자로 아내를 삼아 이스라엘의 죄를 더하게 하였으니
11 Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
이제 너희 열조의 하나님 앞에서 죄를 자복하고 그 뜻대로 행하여 이 땅 족속들과 이방 여인을 끊어 버리라'
12 Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
회 무리가 큰 소리로 대답하여 가로되 `당신의 말씀대로 우리가 마땅히 행할 것이니이다
13 nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;
그러나 백성이 많고 또 큰 비가 내리는 때니 능히 밖에 서지 못할 것이요 우리가 이 일로 크게 범죄하였은즉 하루 이틀에 할 일이 아니오니
14 koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.
이제 온 회중을 위하여 우리 방백들을 세우고 우리 모든 성읍에 이방 여자에게 장가든 자는 다 기한에 본성 장로들과 재판장과 함께 오게하여 우리 하나님의 이 일로 인하신 진노가 우리에게서 떠나게 하소서' 하나
15 Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
오직 아사헬의 아들 요나단과 디과의 아들 야스야가 일어나 그 일을 반대하고 므술람과 레위 사람 삽브대가 저희를 돕더라
16 Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
사로잡혔던 자의 자손이 그대로 한지라 제사장 에스라가 그 종족을 따라 각기 지명된 족장 몇 사람을 위임하고 시월 초하루에 앉아 그 일을 조사하여
17 Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
정월 초하루에 이르러 이방 여인을 취한 자의 일 조사하기를 마치니라
18 Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
제사장의 무리 중에 이방 여인을 취한 자는 예수아 자손 중 요사닥의 아들과, 그 형제 마아세야와, 엘리에셀과, 야립과, 그달랴라
19 dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
저희가 다 손을 잡아 맹세하여 그 아내를 보내기로 하고 또 그 죄를 인하여 수양 하나를 속건제로 드렸으며
20 Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;
또 임멜 자손 중에는 하나니와, 스바댜요
21 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
하림 자손 중에는 마아세야와, 엘리야와, 스마야와, 여히엘과, 웃시야요
22 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
바스훌 자손 중에는 엘료에내와, 마아세야와, 이스마엘과, 느다넬과, 요사밧과, 엘라사였더라
23 Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
레위 사람 중에는 요사밧과, 시므이와, 글라야라 하는 글리다와, 브다히야와, 유다와, 엘리에셀이었더라
24 ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
노래하는 자 중에는 엘리아십이요 문지기 중에는 살룸과, 델렘과, 우리였더라
25 Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
이스라엘 중에는 바로스 자손 중 라먀와, 잇시야와, 말기야와, 미야민과, 엘르아살과, 말기야와, 브나야요,
26 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
엘람 자손 중 맛다냐와, 스가랴와, 여히엘과, 압디와, 여레못과, 엘리야요,
27 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
삿두 자손 중 엘료에내와, 엘리아십과, 맛다냐와, 여레못과, 사밧과, 아시사요,
28 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
베배 자손 중 여호하난과, 하나냐와, 삽배와, 아들래요,
29 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
바니 자손 중 므술람과, 말룩과, 아다야와, 야숩과, 스알과, 여레못이요,
30 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
바핫모압 자손 중 앗나와, 글랄과, 브나야와, 마아세야와, 맛다냐와, 브사렐과, 빈누이와, 므낫세요,
31 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
하림 자손 중 엘리에셀과, 잇시야와, 말기야와, 스마야와, 시므온과,
32 sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
베냐민과, 말룩과, 스마랴요,
33 ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
하숨 자손 중 맛드내와, 맛닷다와, 사밧과, 엘리벨렛과, 여레매와, 므낫세와, 시므이요,
34 ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
바니 자손 중 마아대와, 아므람과, 우엘과,
35 sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
브나야와, 베드야와, 글루히와,
36 sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
와냐와, 므레못과, 에랴십과,
37 sy Matania sy Matenay sy Jasao
맛다냐와, 맛드내와, 야아수와,
38 sy Bany sy Binoy sy Simey
바니와, 빈누이와, 시므이와,
39 sy Selemia sy Natana sy Adaia
셀레먀와, 나단과, 아다야와,
40 sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
막나드배와, 사새와, 사래와,
41 sy Azarela sy Selemia sy Semaria
아사렐과, 셀레먀와, 스마랴와,
42 sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
살룸과, 아마랴와, 요셉이요,
43 ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
느보 자손 중 여이엘과, 맛디디야와, 사밧과, 스비내와, 잇도와, 요엘과, 브나야였더라
44 Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ ireny
이상은 모두 이방 여인을 취한 자라 그 중에 자녀를 낳은 여인도 있었더라

< Ezra 10 >