< Ezekiela 9 >

1 Ary niantso tamin’ ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
Тогава Той извика в ушите ми с висок глас и рече: Нека се приближат ония, на които е заръчано за града, всеки с изтребителното си оръжие в ръка.
2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ ny alitara varahina.
И, ето, шест мъже идеха по пътя от горната порта, която гледа към север, всеки с разрушително оръжие в ръка, и всред тях един човек облечен в ленено, с писарска мастилница на кръста му; и като влязоха застанаха при медния олтар.
3 Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.
И славата на Израилевия Бог се издигна от херувимите, над които бе, та застана над прага на дома; и Той извика към облечения в ленено мъж, който имаше на кръста си писарска мастилница.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
И Господ му рече: Мини през града, през Ерусалим, и тури белег върху челата на мъжете, които въздишат и плачат поради всичките мерзости, които стават всред него.
5 Ary reko Izy nanao tamin’ ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
А на другите рече, като слушах аз: Минете подир него през града, та поразете; окото ви да не пощади, нито да покаже милост;
6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin’ ny fitoerako masìna izany. Dia nanomboka tamin’ ny lahy antitra izay teo anoloan’ ny trano ireo.
старци, юноши и девици, младенци и жени избийте съвсем; но не се приближавайте при никого от ония, върху които е белегът; и започнете от светилището Ми. Прочее те започнаха от старейшините, които бяха пред дома.
7 Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
Тогава им рече: Осквернете дома, и напълнете дворовете с убити; излезте. И излязоха та поразяваха в града.
8 Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ ny Isiraely amin’ izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’ i Jerosalema izao?
А те като поразяваха и аз останах, паднах на лицето си, извиках, и рекох: Горко, Господи Иеова! ще изтребиш ли всичките останали от Израиля като изливаш гнева си върху Ерусалим?
9 Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’ ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran’ olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
И Той ми рече: Беззаконието на Израилевия и на Юдовия дом стана твърде голямо; земята е пълна с кръв, и градът пълен с извращение на съд; защото си думат: Господ е напуснал земята, и: Господ не вижда.
10 Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
Затова, и от Моя страна, окото Ми няма да пощади, и Аз няма да покажа милост, а ще възвърна постъпките им върху главите им.
11 Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
И ето, облечения в ленено мъж, който имаше на кръста си мастилницата, даде отчет за работата, като каза: Направих както Ти ми заповяда.

< Ezekiela 9 >