< Ezekiela 8 >

1 Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan’ i Jehovah Tompo.
Ngomnyaka wesithupha, ngenyanga yesithupha ngosuku lwesihlanu, lapho ngangihlezi endlini yami labadala bakoJuda behlezi phambi kwami, isandla sikaThixo Wobukhosi sehlela phezu kwami khonapho.
2 Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Ngakhangela, ngabona ulutho olwalulesimo somuntu. Kusukela kokwakungathi lukhalo lwakhe kusiya phansi wayenjengomlilo, njalo kusukela lapho kusiya phezulu ukubonakala kwakhe kwakhazimula njengensimbi evuthayo.
3 Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin’ ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ ny fahitana avy amin’ Andriamanitra, ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
Welula okwakukhanya angathi yisandla wangibamba ngenwele zekhanda lami. UMoya wangiphakamisela phezulu phakathi komhlaba lezulu, kwathi ngemibono kaNkulunkulu wangisa eJerusalema, ekungeneni kwesango langasenyakatho yeguma langaphakathi, lapho okwakumi khona isithombe esibangela ubukhwele.
4 Ary, indro, teo ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin’ ny lohasaha.
Njalo khonapho phambili kwami kwakulenkazimulo kaNkulunkulu ka-Israyeli, njengasembonweni engawubona egcekeni.
5 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, atopazy kely amin’ ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin’ ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin’ ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin’ ny fidirana.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, khangela ngasenyakatho.” Ngakho ngakhangela, kwathi entubeni esenyakatho kwesango le-alithari ngabona lesisithombe sobukhwele.
6 Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, hitanao va izay ataon’ ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon’ ny taranak’ Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ ny fitoerako masìna? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, uyakubona yini abakwenzayo, izinto ezenyanyekayo kakhulu indlu ka-Israyeli ezenzayo lapha, izinto ezizangixotshela khatshana lendawo yami engcwele? Kodwa wena uzabona izinto ezenyanyekayo kakhulukazi kulalezi.”
7 Dia nentiny ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin’ ny ampiantany.
Emva kwalokho wangisa entubeni yeguma. Ngakhangela, ngabona imbobo emdulini.
8 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, khathesi gubha umduli.” Ngakho ngawugubha umduli ngasengibona umnyango khona.
9 Ary hoy Izy tamiko: Midìra, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
Wasesithi kimi, “Ngena ubone izinto ezimbi lezenyanyekayo abazenzayo lapha.”
10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ ny taranak’ Isiraely, voasoratra teo amin’ ny rindrina manodidina.
Ngakho ngangena phakathi ngakhangela, ngabona indawo yonke emidulini kufanekiswe inhlobo zezinto zonke ezihuquzelayo lezinyamazana ezenyanyekayo kanye lezithombe zonke zasendlini ka-Israyeli.
11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
Phambi kwazo kwakumi abadala bendlu ka-Israyeli abangamatshumi ayisikhombisa, loJazaniya indodana kaShafani emi phakathi kwabo. Omunye lomunye wayephethe udengezi lokutshisela impepha ngesandla, luthunqa intuthu elephunga elimnandi elempepha.
12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona efa hitanao va ny ataon’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely amin’ ny maizina, dia samy ao amin’ ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.
Wathi kimi, “Ndodana yomuntu, ukubonile yini okwenziwa ngabadala bendlu ka-Israyeli emnyameni, omunye lomunye esendaweni yokukhonzela isithombe sakhe? Bathi, ‘UThixo kasiboni; uThixo uselilahlile ilizwe.’”
13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
Wabuye wathi, “Uzababona besenza izinto ezenyanyeka okudlula lokho.”
14 Dia nentiny ho eo anoloan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an’ i Tamoza.
Emva kwalokho wangisa ekungeneni kwesango lasenyakatho kwendlu kaThixo, ngabona abesifazane behlezi khona belilela uThamuzi.
15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak’ olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
Wasesithi kimi, “Uyakubona lokhu na, ndodana yomuntu? Uzabona izinto ezenyanyeka kakhulu kulalokhu.”
16 Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Wasengisa egumeni lendlu kaThixo elingaphakathi, njalo khonapho ekungeneni kwethempeli, phakathi komkhandlu le-alithari, kwakulamadoda ayengaba ngamatshumi amabili lanhlanu. Ayekhothamele phansi elangeni empumalanga, efulathele ithempeli likaThixo. Ubuso bawo bukhangele empumalanga.
17 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’ olona? Moa ataon’ ny taranak’ i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ ny orony.
Wathi kimi, “Sewake wakubona lokhu na ndodana yomuntu? Kuyinto encane na ukuthi indlu kaJuda yenze izinto ezenyanyekayo abazenza lapha? Kumele ilizwe baligcwalise futhi ngodlakela, njalo bangithukuthelise kokuphela na? Bakhangele bebeka ugatsha empumulweni yabo!
18 Ary Izaho kosa dia hamely amin’ ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
Ngakho ngizabaphatha ngentukuthelo; angiyikuba lesihawu kubo ngibayekele. Lanxa sebeklabalalela ezindlebeni zami, kangiyikubalalela.”

< Ezekiela 8 >