< Ezekiela 6 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Bwana likanijia kusema,
2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
“Mwanadamu, elekeza uso wako kukabili milima ya Israeli, utabiri dhidi yake
3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
na useme: ‘Ee milima ya Israeli, sikia neno la Bwana Mwenyezi. Hili ndilo Bwana Mwenyezi aliambiayo milima na vilima, magenge na mabonde: Ninakaribia kuleta upanga dhidi yenu, nami nitapaharibu mahali penu pote pa juu pa kuabudia miungu.
4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan’ ny sampinareo ny fatinareo;
Madhabahu yenu yatabomolewa na madhabahu yenu ya kufukizia uvumba yatavunjavunjwa, nami nitawachinja watu wenu mbele ya sanamu zenu.
5 Ary ny fatin’ ny zanak’ Isiraely hataoko eo anoloan’ ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
Nitazilaza maiti za Waisraeli mbele ya sanamu zao, nami nitatawanya mifupa yenu kuzunguka madhabahu yenu.
6 Any amin’ ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.
Popote mnapoishi, miji hiyo itafanywa ukiwa na mahali pa juu pa kuabudia miungu patabomolewa, ili madhabahu yenu ifanywe ukiwa na kuharibiwa, sanamu zenu zitavunjavunjwa na kuharibiwa, madhabahu yenu ya kufukizia uvumba yatabomolewa na kila mlichokifanya kitakatiliwa mbali.
7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Watu wenu watachinjwa katikati yenu, nanyi mtatambua Mimi ndimi Bwana.
8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin’ ny sabatra any amin’ ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin’ ny tany samy hafa ianareo.
“‘Lakini nitawabakiza hai baadhi yenu, kwa kuwa baadhi yenu watanusurika kuuawa watakapokuwa wametawanyika katika nchi na mataifa.
9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
Ndipo katika mataifa ambamo watakuwa wamechukuliwa mateka, wale ambao watanusurika watanikumbuka, jinsi ambavyo nimehuzunishwa na mioyo yao ya uzinzi, ambayo imegeukia mbali nami na macho yao ambayo yametamani sanamu zao. Watajichukia wenyewe kwa ajili ya uovu walioutenda na kwa ajili ya desturi zao za kuchukiza.
10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
Nao watajua kuwa Mimi ndimi Bwana, sikuwaonya bure kuwa nitaleta maafa hayo yote juu yao.
11 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mameleza amin’ ny tananao ianao, ary mitotoa amin’ ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ ny taranak’ Isiraely, izay ho lavon’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
“‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Piga makofi, kanyaga chini kwa mguu na upige kelele, “Ole!” kwa sababu ya maovu yote na machukizo yote yanayofanywa na nyumba ya Israeli, kwa kuwa wataanguka kwa upanga, njaa na tauni.
12 Ny lavitra ho fatin’ ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
Yeye aliye mbali sana atakufa kwa tauni, naye aliye karibu atauawa kwa upanga, naye yule atakayenusurika na kubaki atakufa kwa njaa. Hivyo ndivyo nitakavyotimiza ghadhabu yangu dhidi yao.
13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;
Nao watajua kwamba Mimi ndimi Bwana, wakati maiti za watu wao zitakapokuwa zimelala katikati ya sanamu zao kuzunguka madhabahu yao, juu ya kila kilima kilichoinuka na juu ya vilele vyote vya milima, chini ya kila mti uliotanda na kila mwaloni wenye majani, yaani, sehemu walizofukizia uvumba kwa sanamu zao zote.
14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin’ ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr’ i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Nami nitanyoosha mkono wangu dhidi yao na kuifanya nchi yao ukiwa, kuanzia jangwani hadi Dibla, kila mahali wanapoishi. Ndipo watakapojua ya kwamba Mimi ndimi Bwana.’”