< Ezekiela 5 >
1 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan’ ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
“Yanzu, ɗan mutum, ka ɗauki takobi mai kaifi ka kuma yi amfani da shi kamar rezan mai aski don askin kanka da gemunka. Sa’an nan ka ɗauki ma’auni ka kuma raba gashin.
2 Ny ampahatelony dia dory amin’ ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron’ ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin’ ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
Sa’ad da kwanakin ƙawanyarka sun ƙare, sai ka ƙone kashi ɗaya bisa uku na gashin da wuta a cikin birnin. Ka ɗauki kashi ɗaya bisa uku ka yayyanka shi da takobi kewaye da birnin. Ka kuma watsar da kashi ɗaya bisa uku a iska. Gama zan fafare su da takobin da aka zāre.
3 Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ ny sisin-dambanao.
Amma ka ɗibi gashi kaɗan ka daure a shafin rigarka.
4 Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ ny taranak’ Isiraely rehetra.
Har yanzu, ka ɗibi kaɗan na waɗannan ka zuba su cikin wuta su kuma ƙone. Wuta zai bazu daga nan zuwa dukan gidan Isra’ila.
5 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ ny jentilisa, ka voahodidin’ ireny tany ireny izy.
“Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka ya ce Urushalima ce wannan, wadda na kafa a tsakiyar al’ummai, da ƙasashe kewaye da ita a ko’ina.
6 Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
Duk da haka cikin muguntarta ta yi tayarwa a kan dokokina da ƙa’idodina fiye da al’ummai da ƙasashe kewaye da ita. Ta ƙi dokokina ba tă kuwa bi ƙa’idodina ba.
7 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
“Saboda haka ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka ya ce kin yi ƙin ji fiye da al’umman da suke kewaye da ke ba ki kuma bi ƙa’idodina ko ki kiyaye dokokina ba. Ba ki ma dace da matsayin al’umman da suke kewaye da ke ba.
8 dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ ny firenena.
“Saboda haka ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka ya ce Ni kaina ina gāba da ke, Urushalima, kuma zan hukunta ki a gaban al’ummai.
9 Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
Saboda dukan gumakan banƙyamarki, zan yi abin da ban taɓa yi ba, ba kuwa zan ƙara yinsa ba.
10 Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra;
Saboda haka a cikinki ubanni za su ci’ya’yansu,’ya’ya kuma za su ci ubanninsu. Zan hukunta ki zan kuma watsar da dukan waɗanda suke tsira da suke naki a iska.
11 eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masìna tamin’ ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
Saboda haka muddin ina a raye, in ji Ubangiji Mai Iko Duka, domin kin ƙazantar da wuri mai tsarkina da dukan mugayen siffofinki da kuma ayyukanki masu banƙyama, ni kaina zan janye alherina; ba zan ji tausayinki ko in haƙura da ke ba.
12 Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
Kashi ɗaya bisa uku na mutanenki za su mutu da annoba ko su mutu da yunwa a cikinki; kashi ɗaya bisa uku takobi ne zai kashe su a waje da katangarki; kashi ɗaya bisa uku kuma zan watsar a iska in kuma fafare su da takobin da aka zāre.
13 Ary ho tanteraka amin’ izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
“Sa’an nan ne fushina zai huce hasalata a kanki kuma ta lafa, in kuma wartsake. Kuma sa’ad da na zuba fushina a kansu, a sa’an nan ne za su san cewa Ni Ubangiji na yi magana a cikin fushin kishina a kansu.
14 Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin’ ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’ izay rehetra mandalo.
“Zan mai da ki kufai da kuma abin dariya a cikin al’ummai kewaye da ke, a gaban dukan waɗanda suke wucewa.
15 Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin’ ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin’ ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
Za ki zama abin dariya da abin ba’a, kashedi da abin banrazana ga al’ummai kewaye da ke sa’ad da na hukunta ki cikin fushi da cikin hasala da kuma tsawatawa mai zafi. Ni Ubangiji na faɗa.
16 raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan’ aina.
Sa’ad da na harbe ki da mugayen kibiyoyina da kuma kibiyoyi masu hallakarwa na yunwa, zan yi harbi don in kashe ki. Zan kawo ƙarin yunwa a kanki in kuma yanke tanadin abincinki.
17 Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
Zan aika da yunwa da namun jeji a kanki, za su kuma bar ku ba’ya’ya. Annoba da zub da jini za su ratsa cikinki, zan kuma kawo takobi a kanki. Ni Ubangiji na faɗa.”