< Ezekiela 48 >

1 Ary izao no anaran’ ny firenena: Hatramin’ ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin’ ny lalana mankany Hetlona any akaikin’ i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy eo avaratra, any anilan’ i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an’ i Dana.
А ово су имена племенима. Од краја према северу, уз пут етлонски како се иде у Емат и Асаренан, на међу дамаштанску на север покрај Емата, од источне стране до западне, Даново, једно.
2 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Asera.
А уз међу Данову, од источне стране до западне, Асирово, једно.
3 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Naftaly.
А уз међу Асирову, од источне стране до западне, Нефталимово, једно.
4 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Manase,
А уз међу Нефталимову, од источне стране до западне, Манасијино, једно.
5 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Efraima.
А уз међу Манасијину, од источне стране до западне, Јефремово, једно.
6 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
А уз међу Јефремову, од источне стране до западне, Рувимово, једно.
7 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Joda.
А уз међу Рувимову, од источне стране до западне, Јудино, једно.
8 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian’ ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin’ ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin’ ny anjaran’ ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masìna no ho eo afovoany.
А уз међу Јудину, од источне стране до западне, нека буде принос што ћете принети, двадесет и пет хиљада лаката у ширину, а у дужину као који други део, од источне стране до западне, и светиња да буде усред њега.
9 Ny tany izay hatokanareo ho an’ i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
Принос који ћете принети Господу, нека буде од двадесет и пет хиљада лаката у дужину и од десет хиљада у ширину.
10 Ary ho an’ ny mpisorona izany tany masìna voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin’ i Jehovah no ho eo afovoany.
И тај ће свети принос бити свештеницима, са севера двадесет и пет хиљада лаката у дужину, а са запада десет хиљада у ширину, и с истока десет хиљада у ширину, а с југа двадесет и пет хиљада у дужину; и светиња Господња да буде усред њега.
11 Ho an’ ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ ny taranak’ i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely, tahaka ny nivilian’ ny Levita,
То ће бити свештеницима посвећеним између синова Садокових који држаше шта сам наредио да се држи и не зађоше као други Левити, кад зађоше синови Израиљеви.
12 eny, ho azy izany ho tany halaina amin’ ilay efa voatokana, dia zavatra masìna indrindra, mifanolotra amin’ ny faritanin’ ny Levita.
Њихов ће бити свети принос од земље, светиња над светињама, уз међе левитске.
13 Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
А Левити да имају уз међе свештеничке двадесет и пет хиљада лаката у дужину, и десет хиљада у ширину; сва дужина да буде двадесет и пет хиљада, а ширина десет хиљада.
14 Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ ny tany; fa masìna ho an’ i Jehovah izany.
А од тога ништа да не продају ни промењују, ни да преносе првина земаљских, јер је светиња Господу.
15 Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ ny sakany mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masìna, fa ho an’ ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
А пет хиљада лаката што остаје у ширину према двадесет и пет хиљада биће место посвећено, за град, за насеље, и за подграђа, и град да буде усред њега.
16 Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
А ово да му је мера: са северне стране четири хиљада и пет стотина лаката, и с јужне стране четири хиљада и пет стотина, и с источне стране четири хиљада и пет стотина, и са западне стране четири хиљада и пет стотина.
17 Ary ny amin’ ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin’ ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
И подграђе ће бити двеста и педесет лаката са севера, и двеста и педесет с југа, и двеста и педесет с истока, и двеста и педесет са запада.
18 Ary ny lavany sisa mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana izany; ary ny vokany hohanin’ ny mpiasa ao an-tanàna.
А шта остане у дужину према светом приносу, десет хиљада лаката на исток и десет хиљада на запад, према светом приносу, од тога доходак нека буде храна слугама градским.
19 Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no hiasa azy.
А слуге које ће служити граду биће из свих племена Израиљевих.
20 Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masìna voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
Сав овај принос, двадесет и пет хиљада лаката уз двадесет и пет хиљада, четвртаст, принеће у принос свети за достојање граду.
21 Ary ho an’ ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina amin’ ny anjara voatokana hatramin’ ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny sasany, ho an’ ny mpanjaka izany; ary ny anjara masìna voatokana sy ny trano fitoerana masìna no ho eo aforoany.
А шта остане с обе стране светом приносу и достојању градском, према двадесет и пет хиљада лаката приноса до међе источне, и са запада према двадесет и пет хиљада лаката дуж западне међе према деловима, то да је кнежево; тако ће свети принос и светиња дома бити у среди.
22 Ary hatramin’ ny zara-tanin’ ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan’ ny an’ ny mpanjaka, anelanelan’ ny fari-tanin’ i Jada sy Benjamina, dia ho an’ ny mpanjaka izany.
А од достојања левитског и од достојања градског, усред оног што је кнежево, између међе Јудине и међе Венијаминове, да је кнежево.
23 Ary ny amin’ ny firenena sisa, dia hatramin’ ny lafiny atsinanana ka hatramin’ ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’ i Benjamina.
А остала племена биће: од источне стране до западне стране Венијаминово, једно;
24 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Simeona.
А уз међу Венијаминову, од источне стране до западне, Симеуново, једно;
25 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ Isakara.
А уз међу Симеунову, од источне стране до западне, Исахарово, једно;
26 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Zebolona.
А уз међу Исахарову, од источне стране до западне, Завулоново, једно;
27 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Gada.
А уз међу Завулонову, од источне стране до западне, Гадово, једно;
28 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Gada, amin’ ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe.
А уз међу Гадову с јужне стране, на југ, међа је од Тамара до воде Мериве у Кадису, дуж потока до великог мора.
29 Izany no tany hozarainareo amin’ ny filokana ho an’ ny firenen’ Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
То је земља коју ћете жребом разделити племенима Израиљевим у наследство, и то су им делови, говори Господ Господ.
30 Ary izao no ohatry ny tanàna amin’ ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
А ово су крајеви граду: са северне стране четири хиљада и пет стотина лаката да буде мера;
31 Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.
А врата градска да се назову именима племена Израиљевих, троја врата са севера: једна врата Рувимова, једна врата Јудина, једна врата Левијева;
32 Ary amin’ ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Josefa ny iray, vavahadin’ i Benjamina ny iray, ary vavahadin’ i Dana ny iray.
И с источне стране четири хиљада и пет стотина лаката, и троја врата: једна врата Јосифова, једна врата Венијаминова, једна врата Данова;
33 Ary amin’ ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Simeona ny iray, vavahadin’ Isakara ny iray, vavahadin’ i Zebolona ny iray.
И с јужне стране четири хиљада и пет стотина лаката да буде мера, и троја врата: једна врата Симеунова, једна врата Исахарова, једна врата Завулонова;
34 Ary amin’ ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin’ i Gada ny iray, vavahadin’ i Asera ny iray, vavahadin’ i Naftaly ny iray.
Са западне стране четири хиљада и пет стотина лаката, и троја врата: једна врата Гадова, једна врата Асирова, једна врата Нефталимова.
35 Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ ny tanàna hatramin’ izay andro izay dia Jehovah no ao.
Унаоколо ће бити осамнаест хиљада лаката, а име ће граду од тог дана бити: Господ је ту.

< Ezekiela 48 >