< Ezekiela 47 >

1 Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
Mutumin ya komo da ni zuwa mashigin haikalin, sai na kuwa ga ruwa yana malalowa daga ƙarƙashin madogarar ƙofar haikalin wajen gabas (gama haikalin yana fuskantar gabas). Ruwan yana malalowa daga ƙarƙashin gefen kudun haikalin, kudu da bagaden.
2 Dia nentiny nivoaka tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ ny lalana ivelany, hankany amin’ ny vavahady ivelany, dia teo amin’ ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ ny ilany ankavanana.
Sai ya fitar da ni ta ƙofar arewa ya kewaye da ni ta waje zuwa ƙofar da take waje mai fuskantar gabas, ruwan kuwa yana malalowa daga wajen kudu.
3 Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Yayinda mutumin ya yi wajen gabas da karan awo a hannunsa, sai ya auna kamu dubu ya kuma bi da ni ta ruwan da zurfinsa ya kama ni a idon ƙafa.
4 Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
Ya auna wani kamu dubu ya kuma bi da ni a ruwan da zurfinsa ya kai ni gwiwa. Ya sāke auna kamu dubu ya kuma bi da ni a ruwan da zurfinsa kama ni a gindi.
5 Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
Ya auna wani kamu dubu, amma a yanzu ruwan ya zama kogin da ban iya hayewa ba, domin ruwan ya taso ya kuma yi zurfin da ya isa a yi iyo a ciki, kogin da ba za a iya hayewa ba.
6 Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ ny ony izy.
Sai ya ce mini, “Ɗan mutum, ka ga wannan?” Sa’an nan ya komo da ni zuwa bakin kogin.
7 Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ ny ony, dia teny an-daniny roa.
Sa’ad da na iso can, sai na ga itatuwa masu yawa a kowane gefen kogin.
8 Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin’ ny tany atsinanana, dia midìna any amin’ ny tani-hay ka miditra eo amin’ ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
Sai ya ce mini, “Wannan ruwa yana malalowa zuwa yankin gabas ya kuma gangaro zuwa cikin Araba, inda zai shiga Teku. Sa’ad da ya shiga cikin Tekun sai ruwan a can ya zama mai daɗi.
9 Ary ny zava-manan’ aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ ny ony.
Tarin halittu masu rai za su rayu a duk inda ruwan ya malalo. Za a kasance da kifi masu yawa, domin wannan ruwa yana malalowa a can yana kuma mai da ruwan gishiri yă zama ruwa mai daɗi; saboda haka duk inda ruwan ya malalo, kome zai rayu.
10 Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin’ ny Ranomasina Lehibe.
Masunta za su tsaya a gaɓar; daga En Gedi zuwa En Eglayim, za a kasance da wuraren jefa abin kamun kifi. Za a sami kifayen iri-iri, kamar kifaye Bahar Rum.
11 Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
Amma fadamun da tafkunan ba za su zama masu daɗi ba; za a bar su a gishirinsu.
12 Ary eny amoron’ ny ony, eny an-daniny roa, no anirian’ ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masìna ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
’Ya’yan itatuwa na kowane iri za su yi girma a kowane gefen kogin. Ganyayensu ba su bushe ba, ba kuwa za su fasa yin’ya’ya ba. Kowane wata za su ba da’ya’ya domin ruwa daga wuri mai tsarki yana malalo musu.’Ya’yansu za su zama abinci, ganyayensu kuma za su zama magani.”
13 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo; anjaran-droa no ho an’ i Josefa.
Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa, “Waɗannan su ne iyakokin da za ku raba ƙasar gādo cikin kabilan Isra’ila goma sha biyu, da rabo biyu don Yusuf.
14 Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
Za ku raba ta daidai a cikinsu. Gama na ɗaga hannu na rantse zan ba da ita ga kakanninku, wannan ƙasa za tă zama gādonku.
15 Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny Ranomasina Lehibe amin’ ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin’ i zedada,
“Wannan ce za tă zama iyakar ƙasa. “A wajen arewa za tă fara daga Bahar Rum ta hanyar Hetlon ta wuce Lebo Hamat zuwa Zedad,
16 dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan’ ny faritanin’ i Damaskosy sy ny fari-tanin’ i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin’ i Haorana.
Berota da Sibrayim (wadda take a iyaka tsakanin Damaskus da Hamat), har zuwa Hazer-Hattikon, wadda take a iyakar Hauran.
17 Ary ny fari-taniny dia hatramin’ ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy, ary amin’ ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
Iyakar za tă miƙe daga teku zuwa Hazar-Enon, ta iyakar Damaskus, da iyakar Hamat a arewa. Wannan ita ce iyakar a wajen arewa.
18 Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
A wajen gabas iyakar za tă kama tsakanin Hauran da Damaskus, ta bi ta Urdun tsakanin Gileyad da ƙasar Isra’ila, zuwa tekun gabas har zuwa Tamar. Wannan ita ce iyakar a wajen gabas.
19 Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
A wajen kudu za tă fara daga Tamar har zuwa ruwan Meriba Kadesh, sa’an nan ta bi Rafin Masar zuwa Bahar Rum. Wannan ita ce iyakar a wajen kudu.
20 Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ ny faritany ka hatrany akaikin’ i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
A wajen yamma, Bahar Rum ne zai zama iyakar zuwa wani wuri ɗaura da Lebo Hamat. Wannan ita ce iyakar a wajen yamma.
21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen’ Isiraely.
“Za ku rarraba wannan ƙasa a tsakaninku bisa ga kabilan Isra’ila.
22 Ary amin’ ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak’ Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
Za ku raba ta kamar gādo wa kanku da kuma wa baƙin da suka zauna a cikinku waɗanda suke da’ya’ya. Za ku ɗauka su kamar’yan ƙasa haifaffun Isra’ilawa; za su yi gādo tare da ku a cikin kabilan Isra’ila.
23 Ary amin’ izay firenena hitoeran’ ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
A duk kabilar da baƙon yake zama, a can za ku ba shi gādonsa,” in ji Ubangiji Mai Iko Duka.

< Ezekiela 47 >