< Ezekiela 46 >
1 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vavahadin’ ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
主上主這樣說:「內院朝東的大門,六天勞作的日子應關閉,安息日應敞開,月朔之日,也應敞開。
2 Dia hiditra avy any ivelany amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
元首應由外門經門廊進入,站在門框旁,此時司祭奉獻給他的全燔祭與和平祭。他在門限上朝拜後,就出去。這門直到晚上不應關閉。
3 Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah eo am-bavahady amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana.
安息日和月朔,本國的人民也在這門口,在上主前朝拜。
4 Ary ny fanatitra dorana izay haterin’ ny mpanjaka ho an’ i Jehovah amin’ ny andro Sabata dia zanak’ ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
安息日,元首應獻於上主的全燔祭,應是無瑕的羔羊六隻,無瑕的公羊一隻。
5 Ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ireo zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan’ efaha.
至於同獻的素祭,為一隻公羊獻一「厄法」麵,為羔羊的素可隨奉獻。為一「厄法」麵加一「辛」油。
6 ary amin’ ny andro voaloham-bolana dia vantotr’ ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
在月朔之日,應獻無瑕的公牛犢一頭,羔羊六隻,公羊一隻,都應是無瑕的。
7 Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin’ ny zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’ efaha.
至於同祭的素祭,為一頭公牛獻一「厄法」麵,為一隻公羊獻一「厄法」麵,為羔羊的素祭隨意奉獻。為一「厄法」應加一「辛」油。
8 Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany ary amin’ ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
元首住入時,應從門廊進,並由原路出。
9 Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ ilay vavahady nidirany izy, fa amin’ izay tandrifiny ihany no hivoahany
每逢慶日,本國人到上主面前時,凡由北門進來朝拜的,應由南門出去;由南門進來的,應由北門出去。誰也不可從他進來的門出去,但該從對面的門出去。
10 Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
元首常應在百姓中,幾時百姓進來,他也進來;幾時百姓出去,他也出去。
11 Ary amin’ ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr’ ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin’ ny zanak’ ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ ny hina isan-efaha.
每逢慶日和慶典,同獻的素祭,為每頭公牛犢,獻一「厄法」麵,為每隻公羊獻一「厄法」麵,為羔羊可隨意奉獻;為一「厄法」麵加一「辛」油。
12 Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an’ i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin’ ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
幾時元首自願獻全燔祭或和平祭,作為上主的自願祭,就給他敞開朝東的門,他獻的全燔祭或和平祭,像安息日所行的一樣,以後就出去;他出去後,即關上大門。
13 Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
你應每日奉獻給上主一隻無瑕當年的羔羊為全燔祭,應每天早晨奉獻。
14 Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin’ ny efaha sy diloilo ampahatelon’ ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
每天早晨又應同時獻素祭,獻六分之一「厄法」及三分之一「辛」油調和的細麵,獻給上主作素祭:這是恆常全燔祭的規定。
15 Ary toy izany no anatero ny zanak’ ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
為此每天早晨應奉獻羔羊,素祭和油:這是恆常的全燔祭。」
16 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an’ ny anankiray amin’ ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan’ ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
吾主上主這樣說:「如果元首將自己的一分產業賜給自己的兒子,這產業就歸他的兒子所有。他們可據為己有。
17 Fa raha manome zavatra avy amin’ ny lovany ho an’ ny anankiray amin’ ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan’ ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ ny zanany ihany.
但是,如果他將自己的一分產業賜給自己的一個臣僕,直到「釋放年」歸他所有;以後,仍歸元首。只有賜給兒子的產業,永歸兒子。
18 Ary tsy haka amin’ ny lovan’ ny vahoaka hampiala azy amin’ ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin’ ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan’ ny oloko hiala amin’ ny zara-taniny.
元首不應強取人民的業,奪取他們的的土地,他應拿自己的土地給兒子作產業,免得我百姓中有人從自己的土地上疲趕走。」
19 Dia nentiny niditra tamin’ ny fidirana eo anilan’ ny vavahady aho ho ao amin’ ireo efi-trano masin’ ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin’ ny faran’ ny andrefana.
以後,他領我由大門旁的入口,到聖所北面的司祭樓房那裏。看,西面的盡頭有塊地方。
20 Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan’ ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin’ ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
他對我說:「這是司祭煮贖過祭和贖罪祭牲並烤素祭的地方,免得帶到外院仗百姓沾染聖潔。」
21 Dia nentiny nivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ ny kianja; ary, indro, ao amin’ ny isan-joron’ ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
他引我到了外院,叫我走遍庭院金角,在庭院的每個角上有個小庭院。
22 Teny amin’ ny zorony efatra amin’ ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
庭院四角的小庭院,長金十肘,寬三十肘,都有一樣的尺寸。
23 Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin’ izany rafitra manodidina izany.
四個小庭院的周圍有垣牆,周圍垣牆下邊設有爐灶。
24 Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon’ ny mpahandro, izay fahandroan’ ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin’ ny olona.
他對我說:「這些都是聖殿的侍役為百姓煮祭牲的灶房。」