< Ezekiela 44 >
1 Dia nentiny niverina aho tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ivelany amin’ ny fitoerana masìna, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
І вернув мене в напрямі брами зо́внішньої святині, що обе́рнена на схід, а вона за́мкнена.
2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’ olona; fa efa nidiran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
І сказав мені Господь: „Брама ця буде за́мкнена, не буде відчи́нена, і ніхто не вві́йде в неї, бо в неї ввійшов Господь, Бог Ізраїлів, і вона буде за́мкнена.
3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
Князь, сам князь буде сидіти в ній, щоб їсти хліб перед Господнім лицем; сі́ньми брами він уві́йде, і сі́ньми ви́йде“.
4 Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
І ви́провадив мене в напрямі півні́чної брами до пе́реду храму, і побачив я, аж ось слава Господня напо́внила Госпо́дній дім! І впав я на обличчя своє.
5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak’ olona, mandiniha tsara, ka mijere amin’ ny masonao, ary aoka hohenoin’ ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ ny didy sy ny lalàna rehetra amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin’ ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ ny fitoerana masìna.
І сказав мені Господь: „Сину лю́дський, зверни́ своє серце, і побач своїми очима, а своїми ву́хами послухай усе, що́ Я говоритиму з тобою щодо всіх постанов Господнього дому, і щодо всяких зако́нів його, і зве́рнеш своє серце до входу того храму в усіх ви́ходах святині.
6 Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
І скажеш до ворохо́бників, до Ізраїлевого дому: Так говорить Господь Бог: До́сить вам усіх ваших гидот, Ізраїлів доме,
7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
що ви вво́дили чужи́нців, необрізаносе́рдих та необрізаноті́лих, щоб були в Моїй святині, щоб знева́жити його, Мій храм, коли прино́сили Мій хліб, лій та кров, і, крім усіх ваших гидот, зламали Мого заповіта.
8 ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin’ ny fitoerana masìna hisolo anareo.
І ви не не́сли сторо́жі святощів Моїх, але поставили їх собі за сторожі́в Моєї ва́рти в Моїй святині.
9 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ ny zanak’ Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ ny fitoerako masìna.
Так говорить Господь Бог: Кожен чужи́нець, необрізаносе́рдий та необрізанотілий, не вві́йде до Моєї святині; це і про всякого чужи́нця, що живе́ серед Ізраїлевих синів.
10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
І на́віть Левити, що були віддали́лися від Мене, коли блукав Ізраїль, що були зблудили від Мене за своїми божка́ми, і вони понесу́ть кару за свою вину, —
11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
і будуть вони в святині Моїй служити сторожа́ми при брамах храму, і обслуговувати храм, вони будуть прино́сити цілопа́лення й жертву наро́дові, і вони будуть ставати перед ними, щоб служити їм.
12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
За те, що вони служили їм перед їхніми бовва́нами, і стали для Ізраїлевого дому за спотика́ння на прови́ну, тому підняв Я Свою руку на них, — говорить Господь Бог, — і вони понесу́ть прови́ну свою!
13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
І вони не піді́йдуть до Мене, щоб бути священиками Мені, і щоб підхо́дити до всіх святощів Моїх, до Святого Святих, і будуть носити га́ньбу свою та гидо́ти свої, які наробили.
14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
І дам Я їх сторожами ва́рти храму щодо всієї його праці, і щодо всього, що робиться в ньому.
15 Fa ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna, tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
А священики-Левити, Садокові сини, що несли сторо́жу Моєї святині, коли Ізраїлеві сини зблуди́ли були від Мене, вони набли́зяться до Мене на службу Мені, і будуть стояти перед Моїм лицем, щоб прино́сити Мені лій та кров, говорить Господь Бог.
16 Eny, izy no hiditra ao amin’ ny fitoerako masìna sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
Вони вві́йдуть до Моєї святині, і вони набли́зяться до Мого сто́лу на службу Мені, і будуть нести Мої сторо́жі.
17 Ary raha miditra any amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon’ ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin’ ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
I станеться, коли вони вхо́дитимуть до брами внутрішнього подві́р'я, то зодяга́тимуть льняну́ одіж, і не вві́йде на них вовна, коли вони служитимуть у брамах внутрішнього подві́р'я та назо́вні.
18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
Льняні́ заво́ї будуть на їхній голові, а льняна́ спідня одежа буде на їхніх сте́гнах; не будуть опері́зуватися тим, що виклика́є піт.
19 Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.
А коли вони будуть вихо́дити до зовнішнього подві́р'я, до наро́ду, здійма́тимуть ша́ти свої, в яких служили, і поскладають їх у священних кімна́тах, і зодягнуть іншу одежу, щоб своїми священними ша́тами не торкатися наро́ду.
20 Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
А голови́ своєї вони не будуть голи́ти, і воло́сся не запу́стять, — конче будуть стри́гти волосся своє.
21 Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
І вина не будуть пити кожен із священиків, коли ма́ють вхо́дити до вну́трішнього подві́р'я.
22 Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin’ ny taranak’ Isiraely, na izay novinadin’ ny mpisorona efa maty no hovadiny.
А вдів та ро́звідок не братимуть собі за жінок, а братимуть тільки дівчат із насіння Ізраїлевого дому, та вдову, що буде вдовою по священикові.
23 Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
А наро́д Мій будуть вони навчати розрізняти між святим та звичайним, і зроблять їх знаю́чими різницю між нечистим та чистим.
24 Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
А в супере́чці вони стануть, щоб судити, — правосу́ддям Моїм розсудять її, і будуть стерегти́ Зако́ни Мої, і устави Мої при всіх святах Моїх, і суботи Мої будуть святити!
25 Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
І до мертвої люди́ни не піді́йдуть, щоб не занечи́стити себе, а тільки ради батька й матері, і ради сина, і дочки́, і ради брата й сестри, що не належала чоловікові, занечи́стяться.
26 Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
А по його очи́щенні прирахують йому ще сім день.
27 Ary amin’ ny andro hidirany ao amin’ ny fitoerana masìna, dia any amin’ ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
А того дня, коли він входить до святині, до вну́трішнього подвір'я, щоб служити в святині, він принесе свою жертву за гріх, говорить Госпо́дь Бог.
28 Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
І оце буде їм за спа́дщину: Я їхня спа́дщина, а володі́ння не дасте́ їм в Ізраїлі, — Я їхнє володі́ння!
29 Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.
Жертву хлі́бну, і жертву за гріх, і жертву за провину, — оце будуть вони їсти, і все закляте в Ізраїлі буде їхнє.
30 Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
І перше з усяких первонаро́джених зо всього, і всякі прино́шення всього зо всіх ваших прино́шень буде священикам, і поча́ток ваших діж дасте священикові, щоб він поклав благослове́ння на вашому домі.
31 Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin’ ny mpisorona.
Усякого па́дла та пошмато́ваного з птаства та скоти́ни священики не будуть їсти.