< Ezekiela 44 >
1 Dia nentiny niverina aho tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ivelany amin’ ny fitoerana masìna, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
Munthu uja anabwerera nane ku chipata chakunja kwa malo opatulika, chomwe chimayangʼana kummawa. Chipatacho chinali chotseka.
2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’ olona; fa efa nidiran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
Yehova anandiwuza kuti, “Chipata ichi chikhale chotseka, chisatsekulidwe. Wina asalowerepo chifukwa Yehova, Mulungu wa Israeli walowera pomwepa.
3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
Kalonga yekha angathe kukhala mʼmenemo ndi kumadya chakudya pamaso pa Yehova. Iye adzalowere pa njira ya ku khonde lamʼkati ndi kutulukiranso njira yomweyo.”
4 Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Kenaka munthuyo anandidzeretsa pa chipata chakumpoto ndipo tinafika kumaso kwa Nyumba ya Mulungu. Nditapenyetsetsa ndinangoona ulemerero wa Yehova utadzaza mʼNyumba ya Mulungu, ndipo ndinadzigwetsa pansi chafufumimba.
5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak’ olona, mandiniha tsara, ka mijere amin’ ny masonao, ary aoka hohenoin’ ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ ny didy sy ny lalàna rehetra amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin’ ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ ny fitoerana masìna.
Yehova anandiwuza kuti, “Iwe mwana wa munthu, samala bwino ndipo uyangʼanitsitse ndi kumvetsa bwino zonse zimene ndikuwuze zokhudza malamulo ndi malangizo a Nyumbayi. Usamalitse za amene angalowe ndi kutuluka mʼNyumbayi.
6 Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
Uwuze mtundu wopanduka wa Israeli kuti Ine Ambuye Yehova ndikuti: Inu Aisraeli, andikwana machitidwe anu onyansawo!
7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
Munalowetsa alendo osachita mdulidwe mu mtima ndi mʼthupi momwe mʼNyumba yanga ndipotu anayipitsa Nyumba yanga. Pamene inu munkandipatsa chakudya changa ndi magazi omwe kuwonjezera pa zonyansa zanu zonse ndiye kuti munaphwanya pangano langa.
8 ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin’ ny fitoerana masìna hisolo anareo.
Mʼmalo moti muzisamalira zinthu zanga zopatulika, mwayika alendo kuti aziyangʼanira malo anga opatulika.
9 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ ny zanak’ Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ ny fitoerako masìna.
Ambuye Wamphamvuzonse akuti: Palibe mlendo wosachita mdulidwe mu mtima ndi mʼthupi ngakhalenso mlendo amene amakhala pakati pa Aisraeli amene adzalowe mʼmalo anga opatulika.
10 Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
“Ndiponso Alevi amene anandisiya kutali pa nthawi imene Israeli anasochera potsata mafano, adzalangidwa chifukwa cha tchimo lawo.
11 Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
Adzangokhala atumiki chabe mʼmalo anga opatulika. Azidzayangʼanira zipata za Nyumba ya Mulungu ndi kugwira ntchito kumeneko. Azidzapha nyama za nsembe zopsereza ndi za nsembe zina za anthu. Choncho azidzayimirira pamaso pa anthu nʼkumawatumikira.
12 Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
Iwowa ankatumikira anthu popembedza mafano awo, ndipo anachititsa Aisraeli kugwa mu uchimo. Nʼchifukwa chake Ine ndikulumbira kuti iwowa ayenera kulangidwa chifukwa cha machimo awo. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
13 ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
Iwo sayenera kufika pafupi ndi Ine ndi kunditumikira ngati ansembe, kapena kuyandikira chilichonse cha zinthu zanga zopatulika, kapenanso zopereka zanga zopatulika kwambiri. Iwo adzachititsidwa manyazi chifukwa cha machitidwe awo onyansa.
14 Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
Komabe ndidzawayika kuti aziyangʼanira Nyumba yanga ndi kutumikira pa ntchito zake zonse zoyenera kuti zigwiridwe mʼmenemo.
15 Fa ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna, tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
“Koma ansembe, a fuko la Levi, a banja la Zadoki amene ankatumikira mokhulupirika ku malo anga opatulika pa nthawi imene Aisraeli anasochera ndi kundisiya Ine; iwowa adzasendera kwa Ine kudzanditumikira. Adzafika pamaso panga kuti apereke nsembe za mafuta ndi magazi. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
16 Eny, izy no hiditra ao amin’ ny fitoerako masìna sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
Okhawa ndiwo adzalowe ku malo anga opatulika ndi kudzayandikira tebulo langa kuti adzanditumikire. Amenewa okha ndiwo adzasamalire zinthu zanga.
17 Ary raha miditra any amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon’ ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin’ ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
“Pamene alowa ku zipata za bwalo lamʼkati azivala zovala zabafuta. Asamavale chovala china chilichonse cha ubweya wankhosa pamene akutumikira pa zipata za bwalo la mʼkati kapena kunja kwa Nyumba ya Mulungu.
18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
Azivala nduwira za bafuta ndi kabudula wabafuta mʼkati. Asavale chilichonse chowachititsa thukuta.
19 Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.
Pamene atuluka ndi kupita ku bwalo lakunja kumene kuli anthu, azivula zovala zimene amatumikira nazo, ndipo azisiye zovalazo mu zipinda zopatulika. Pambuyo pake avale zovala zina, kuopa kuti angapatsireko kuyera anthu enawo ndi zovala zawozo.
20 Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
“‘Ansembe asamamete mpala kapena kusunga tsitsi lalitali kwambiri, koma azingoliyepula.
21 Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
Wansembe asamwe vinyo pamene ali pafupi kulowa mʼbwalo la mʼkati.
22 Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin’ ny taranak’ Isiraely, na izay novinadin’ ny mpisorona efa maty no hovadiny.
Iwo asakwatire akazi amasiye kapena osudzulidwa; koma azikwatira anamwali osadziwa mwamuna a fuko la Israeli kapena akazi amasiye a ansembe anzawo.
23 Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
Ansembe aziphunzitsa anthu anga kusiyanitsa pakati pa zinthu zopatulika ndi zinthu wamba, ndiponso pakati pa zinthu zoyenera ndi zosayenera kuperekedwa nsembe.
24 Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
“‘Pakakhala milandu, ansembe azikhala oweruza ndipo agamule milanduyo potsata malamulo anga. Atsate malamulo anga ndi malangizo anga pa za masiku anga onse a chikondwerero. Asamalirenso kuti masiku anga a Sabata akhale oyera.
25 Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
“‘Wansembe asadziyipitse pokhudza munthu wakufa, pokhapokha ngati wakufayo ndi abambo ake kapena amayi ake, mwana wake wamwamuna kapena wamkazi, mʼbale wake kapena mlongo wake wosakwatiwa.
26 Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
Atatha kuyeretsedwa adikirebe masiku asanu ndi awiri kuti ayere ndithu.
27 Ary amin’ ny andro hidirany ao amin’ ny fitoerana masìna, dia any amin’ ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
Pa tsiku lomwe akukalowa mʼbwalo la mʼkati la malo opatulika kuti akatumikire, apereke nsembe yopepesera machimo. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
28 Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
“‘Ansembe asadzakhale ndi cholowa chilichonse ayi. Cholowa chawo ndi Ine. Musadzawapatse chuma mu Israeli; Ine ndidzakhala chuma chawo.
29 Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.
Iwo azidzadya nsembe ya chakudya, nsembe yopereka chifukwa cha tchimo ndi nsembe yopepesera machimo. Zinthu zonse zoperekedwa kwa Yehova mu Israeli zidzakhala zawo.
30 Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
Zabwino za zipatso zanu zoyambirira kucha ndiponso mphatso zanu zonse zapadera zidzakhala za ansembe. Inu muziwapatsa chigawo choyamba cha ufa wanu kuti pa nyumba panu pakhale madalitso.
31 Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin’ ny mpisorona.
Ansembe sayenera kudya kalikonse kofa kokha, kaya mbalame, kapena nyama. Kapena yochita kujiwa.’”