< Ezekiela 43 >
1 Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
Moto yango amemaki ngai kino na ekuke oyo etala na ngambo ya este,
2 Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
mpe namonaki nkembo na Nzambe ya Isalaele koya wuta na ngambo ya este. Mongongo na Ye ezalaki lokola makelele ya mayi minene, mpe mokili ekomaki kongenga na nkembo na Ye.
3 Ary ny tarehin’ ny zavatra hitako dia tahaka ny an’ ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Emoniseli oyo namonaki ezalaki ndenge moko na oyo namonaki tango ayaki kobebisa engumba, mpe ndenge moko na oyo namonaki pembeni ya ebale Kebari. Boye, nakweyaki elongi kino na mabele.
4 Ary ny voninahitr’ i Jehovah dia niditra tamin’ ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
Nkembo na Yawe ekotaki kati na Tempelo na nzela ya ekuke oyo etala na ngambo ya este.
5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
Bongo, Molimo atombolaki ngai mpe amemaki ngai kino na lopango ya kati, mpe nkembo na Yawe etondisaki Tempelo.
6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
Tango moto yango atelemaki pene na ngai, nayokaki mongongo ya moto koloba na ngai wuta na kati ya Tempelo.
7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, eto no hitoeran’ ny seza fiandrianako sy hitoeran’ ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ ny zanak’ Isiraely; ary tsy holotoin’ ny taranak’ Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin’ ny fijangajangany sy amin’ ny sampin’ ny mpanjakany ao amin’ ny fitoerany avo intsony ny anarako masìna,
Alobaki na ngai: « Mwana na moto, ezali awa nde kiti na Ngai ya bokonzi ezalaka, esika oyo natiaka makolo na Ngai. Ezali na esika oyo nde nakovanda mpo na libela kati na bana ya Isalaele. Libota ya Isalaele ekotikala lisusu te kokomisa Kombo na Ngai mbindo, ezala bango to bakonzi na bango, na nzela ya kindumba na bango mpe ya banzambe ya bikeko ya bakonzi na bango, oyo ezanga bomoi na likolo ya bisambelo na bango ya likolo ya bangomba.
8 tamin’ ny nametrahany ny tokonam-baravaran’ ireny teo anilan’ ny tokonam-baravarako sy ny tolan’ ireny teo anilan’ ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin’ ny fahavetavetana nataony ny anarako masìna; ka dia nahalany ringana azy tamin’ ny fahatezerako Aho.
Tango batiaki bikotelo na bango pene ya ekotelo na Ngai, mabaya oyo esimbaka bikuke na bango pene ya mabaya oyo esimbaka ekuke na Ngai, bongo mir moko kaka nde ekabolaki bango na Ngai, babebisaki nde bosantu ya Kombo na Ngai na nzela ya misala na bango ya mbindo; yango wana, Ngai mpe nabebisaki bango na kanda na Ngai.
9 Fa amin’ izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.
Sik’oyo, tika ete balongola na miso na Ngai kindumba na bango mpe banzambe ya bikeko ya bakonzi na bango, oyo ezanga bomoi, mpe Ngai nakovanda kati na bango mpo na libela.
10 Hianao, ry zanak’ olona, asehoy amin’ ny taranak’ Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin’ ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
Mwana na moto, lakisa epai ya libota ya Isalaele ndenge Tempelo ezali mpo ete bayoka soni mpo na masumu na bango; mpe tika ete bameka molayi mpe mokuse na yango.
11 Ary raha menatra ny amin’ izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin’ ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
Soki bayoki penza soni mpo na makambo nyonso oyo basalaki, lakisa bango ndenge nini Tempelo ezali: ndenge basalela yango, bikuke mpe bikotelo na yango, ndenge batambolisaka yango, mibeko nini balandaka mpe ndenge nini basalaka losambo; koma yango, na miso na bango, mpo ete bakoka kolandela yango mpe kotia yango na misala.
12 Izao no lalàna amin’ ny trano: Ho masìna dia ho masìna avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin’ ny trano.
Tala mobeko oyo etali Tempelo: bisika nyonso oyo ezali zingazinga ya likolo ya ngomba ekozala bule koleka. Yango nde mobeko oyo etali Tempelo.
13 Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ ny alitara.
Tala molayi mpe mokuse ya etumbelo na bametele: zingazinga ya se ya etumbelo ezalaki na libulu moko ya bozindo ya basantimetele pene tuku mitano, mpe ndenge moko na mokuse na yango; bazingelaki yango na eloko moko evimba ya basantimetele pene mwambe. Etumbelo ezalaki,
14 Ary hatramin’ ny fara-vodiny eo amin’ ny tany ka hatramin’ ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin’ ny rindriny iva ka hatramin’ ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
longwa na se ya mabele kino na moboko, na metele pene moko na bosanda mpe basantimetele pene tuku mitano na mokuse; kobanda na moboko ya moke kino na moboko ya monene, bametele pene mibale na bosanda mpe basantimetele pene tuku mitano na mokuse.
15 Ary ny fanambonin’ ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin’ ny fatana dia hisy tandroka efatra.
Etumbelo ezalaki na bametele pene mibale na bosanda, mpe maseke minei ezalaki likolo na yango.
16 Roa ambin’ ny folo hakiho ny lavan’ ny fatana, ary roa ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
Likolo ya etumbelo ezalaki ndenge moko na molayi mpe na mokuse, na bangambo na yango nyonso: bametele pene motoba.
17 Ary ny rindriny dia efatra ambin’ ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, amin’ ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
Moboko ya monene ezalaki ekokana na molayi mpe na mokuse, na bangambo na yango nyonso: bametele pene sambo. Eloko moko evimba ya basantimetele pene tuku mibale na mitano ezalaki zingazinga na yango. Mpe libulu moko ya basantimetele pene tuku mitano na bozindo ezalaki zingazinga na yango; mpe binyatelo ya etumbelo ezalaki na ngambo ya este. »
18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin’ ny alitara amin’ izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:
Bongo alobaki na ngai: « Mwana na moto, tala liloba oyo Nkolo Yawe alobi: Tala mibeko ya etumbelo, oyo bakosalela tango bakotonga yango mpo na kobonza mbeka ya kotumba, makabo mpe kosopela yango makila.
19 Ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
Okopesa mwana ngombe ya mobali lokola mbeka ya masumu epai ya Banganga-Nzambe oyo bazali Balevi ya libota ya Tsadoki mpe babelemaka liboso na Ngai mpo na kosalela Ngai, elobi Nkolo Yawe;
20 Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin’ ny tandrony efatra sy amin’ ny zorony efatra amin’ ny rindriny ary amin’ ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
okokamata ndambo ya makila na yango mpe okotia yango na maseke minei ya etumbelo mpe na basonge minei ya moboko ya likolo mpe zingazinga ya eloko oyo evimba. Na bongo, okopetola etumbelo mpe okosala mosala ya bolimbisi masumu mpo na yango.
21 Halainao koa ny vantotr’ ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin’ ny fitoerana voatendry ao amin’ ny trano ivelan’ ny fitoerana masìna.
Okokamata ngombe ya mobali mpo na mbeka ya masumu mpe okotumba yango na esika oyo babongisa na Tempelo mpo na yango, na libanda ya Esika ya bule.
22 Ary amin’ ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin’ ny vantotr’ ombilahy.
Na mokolo ya mibale, okobonza ntaba moko ya mobali oyo ezanga mbeba lokola mbeka ya masumu; boye, etumbelo ekokoma peto ndenge ekomaki peto na nzela ya ngombe ya mobali.
23 Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.
Tango okosilisa kopetola yango, okobonza mwana ngombe ya mobali mpe meme ya mobali oyo ezanga mbeba, oyo ewuti kati na etonga ya bibwele.
24 Ary haterinao eo anatrehan’ i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
Okobonza yango liboso ya Yawe; bongo, Banganga-Nzambe bakobwakela yango mungwa mpe bakobonza yango lokola mbeka ya kotumba epai na Yawe.
25 Hafitoana no hanateranao osilahy isan’ andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr’ ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
Mikolo sambo, okobanda kobonza, mokolo na mokolo, ntaba moko ya mobali lokola mbeka ya masumu; okobonza lisusu mwana ngombe moko ya mobali mpe meme moko ya mobali ezanga mbeba, oyo ewuti kati na etonga ya bibwele.
26 Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an’ ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.
Bakosala mosala ya bolimbisi masumu mpo na etumbelo mpe kopetola yango mikolo sambo; bongo nde bakopetola mpe bakobulisa yango.
27 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin’ ny andro fahavalo ny hanateran’ ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin’ ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
Na suka ya mikolo yango, kobanda na mokolo ya mwambe kino na mikolo oyo ekolanda, Banganga-Nzambe bakobonza na etumbelo bambeka na bino ya kotumba mpe bambeka ya boyokani, mpe Ngai, nakoyamba bino, elobi Nkolo Yawe. »