< Ezekiela 43 >

1 Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
Afterward he brought me to the gate, even the gate that looketh toward the east;
2 Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
and, behold, the glory of the God of Israel came from the way of the east; and His voice was like the sound of many waters; and the earth did shine with His glory.
3 Ary ny tarehin’ ny zavatra hitako dia tahaka ny an’ ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
And the appearance of the vision which I saw was like the vision that I saw when I came to destroy the city; and the visions were like the vision that I saw by the river Chebar; and I fell upon my face.
4 Ary ny voninahitr’ i Jehovah dia niditra tamin’ ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
And the glory of the LORD came into the house by the way of the gate whose prospect is toward the east.
5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
And a spirit took me up, and brought me into the inner court; and, behold, the glory of the LORD filled the house.
6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
And I heard one speaking unto me out of the house; and a man stood by me.
7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, eto no hitoeran’ ny seza fiandrianako sy hitoeran’ ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ ny zanak’ Isiraely; ary tsy holotoin’ ny taranak’ Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin’ ny fijangajangany sy amin’ ny sampin’ ny mpanjakany ao amin’ ny fitoerany avo intsony ny anarako masìna,
And He said unto me: 'Son of man, this is the place of My throne, and the place of the soles of My feet, where I will dwell in the midst of the children of Israel for ever; and the house of Israel shall no more defile My holy name, neither they, nor their kings, by their harlotry, and by the carcasses of their kings in their high places;
8 tamin’ ny nametrahany ny tokonam-baravaran’ ireny teo anilan’ ny tokonam-baravarako sy ny tolan’ ireny teo anilan’ ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin’ ny fahavetavetana nataony ny anarako masìna; ka dia nahalany ringana azy tamin’ ny fahatezerako Aho.
in their setting of their threshold by My threshold, and their door-post beside My door-post, and there was but the wall between Me and them; and they have defiled My holy name by their abominations which they have committed; wherefore I have consumed them in Mine anger.
9 Fa amin’ izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.
Now let them put away their harlotry, and the carcasses of their kings, far from Me, and I will dwell in the midst of them for ever.
10 Hianao, ry zanak’ olona, asehoy amin’ ny taranak’ Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin’ ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
Thou, son of man, show the house to the house of Israel, that they may be ashamed of their iniquities; and let them measure accurately.
11 Ary raha menatra ny amin’ izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin’ ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
And if they be ashamed of all that they have done, make known unto them the form of the house, and the fashion thereof, and the goings out thereof, and the comings in thereof, and all the forms thereof, and all the ordinances thereof, and all the forms thereof, and all the laws thereof, and write it in their sight; that they may keep the whole form thereof, and all the ordinances thereof, and do them.
12 Izao no lalàna amin’ ny trano: Ho masìna dia ho masìna avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin’ ny trano.
This is the law of the house: upon the top of the mountain the whole limit thereof round about shall be most holy. Behold, this is the law of the house.
13 Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ ny alitara.
And these are the measures of the altar by cubits — the cubit is a cubit and a handbreadth: the bottom shall be a cubit, and the breadth a cubit, and the border thereof by the edge thereof round about a span; and this shall be the base of the altar.
14 Ary hatramin’ ny fara-vodiny eo amin’ ny tany ka hatramin’ ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin’ ny rindriny iva ka hatramin’ ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
And from the bottom upon the ground to the lower settle shall be two cubits, and the breadth one cubit; and from the lesser settle to the greater settle shall be four cubits, and the breadth a cubit.
15 Ary ny fanambonin’ ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin’ ny fatana dia hisy tandroka efatra.
And the hearth shall be four cubits; and from the hearth and upward there shall be four horns.
16 Roa ambin’ ny folo hakiho ny lavan’ ny fatana, ary roa ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
And the hearth shall be twelve cubits long by twelve broad, square in the four sides thereof.
17 Ary ny rindriny dia efatra ambin’ ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, amin’ ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
And the settle shall be fourteen cubits long by fourteen broad in the four sides thereof; and the border about it shall be half a cubit; and the bottom thereof shall be a cubit about; and the steps thereof shall look toward the east.'
18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin’ ny alitara amin’ izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:
And He said unto me: 'Son of man, thus saith the Lord GOD: These are the ordinances of the altar in the day when they shall make it, to offer burnt-offerings thereon, and to dash blood against it.
19 Ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
Thou shalt give to the priests the Levites that are of the seed of Zadok, who are near unto Me, to minister unto Me, saith the Lord GOD, a young bullock for a sin-offering.
20 Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin’ ny tandrony efatra sy amin’ ny zorony efatra amin’ ny rindriny ary amin’ ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
And thou shalt take of the blood thereof, and put it on the four horns of it, and on the four corners of the settle, and upon the border round about; thus shalt thou purify it and make atonement for it.
21 Halainao koa ny vantotr’ ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin’ ny fitoerana voatendry ao amin’ ny trano ivelan’ ny fitoerana masìna.
Thou shalt also take the bullock of the sin-offering, and it shall be burnt in the appointed place of the house, without the sanctuary.
22 Ary amin’ ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin’ ny vantotr’ ombilahy.
And on the second day thou shalt offer a he-goat without blemish for a sin-offering; and they shall purify the altar, as they did purify it with the bullock.
23 Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.
When thou hast made an end of purifying it, thou shalt offer a young bullock without blemish, and a ram out of the flock without blemish.
24 Ary haterinao eo anatrehan’ i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
And thou shalt present them before the LORD, and the priests shall cast salt upon them, and they shall offer them up for a burnt-offering unto the LORD.
25 Hafitoana no hanateranao osilahy isan’ andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr’ ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
Seven days shalt thou prepare every day a goat for a sin-offering; they shall also prepare a young bullock, and a ram out of the flock, without blemish.
26 Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an’ ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.
Seven days shall they make atonement for the altar and cleanse it; so shall they consecrate it.
27 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin’ ny andro fahavalo ny hanateran’ ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin’ ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
And when they have accomplished the days, it shall be that upon the eighth day, and forward, the priests shall make your burnt-offerings upon the altar, and your peace-offerings; and I will accept you, saith the Lord GOD.'

< Ezekiela 43 >