< Ezekiela 40 >
1 Tamin’ ny taona fahadimy amby roa-polo taorian’ ny namaboana antsika, tamin’ ny niandohan’ ny taona, dia tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana, tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo taorian’ ny namelezana ny tanàna, tamin’ izany andro izany dia tamiko ny tànan’ i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
I KA iwakalua kumamalima o ka makahiki o ko kakou pio ana, i ka hoomaka ana o ka makahiki, i ka la umi o ka malama, i ka umikumamaha o ka makahiki mahope mai o ka pepehiia o ke kulanakauhale, ia la no, kau mai ka lima o Iehova maluna o'u, a lawe mai ia'u ilaila.
2 Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
Maloko o na hihio o ke Akua i lawe mai ai oia ia'u iloko o ka aina o ka Iseraela, a hoonoho iho ia'u maluna o kekahi mauna kiekie loa, malaila he mea me he kulanakauhale la i hanaia ke ano, ma ke kukulu hema.
3 Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
A lawe ae oia ia'u ilaila, aia hoi, he kanaka, o kona ano ua like me ke keleawe i ka nana aku, a he kaula olona iloko o kona lima, a me ke ana ohe; a ua ku iho la ia maloko o ka ipuka.
4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
A olelo mai la ia kanaka ia'u, E ke keiki a ke kanaka, e nana me kou mau maka, a e hoolohe me kou mau pepeiao, a e kau kou naau maluna o na mea a pau a'u e hoike aku ai ia oe; no ka mea, ua laweia mai oe maanei e hoike ai au ia mau mea ia oe: e hai aku oe i ka mea a pau au e ike ai i ka ohana a Iseraela.
5 Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin’ ny ampiantany, ka eran’ ny volotara, ary ny hahavony dia eran’ ny volotara koa.
Aia hoi, he pa mawaho o ka hale a puni, a iloko o ka lima o ke kanaka he ana ohe eono kubita ka loa, ma ke kubita me ka peahi lima; a ana ae la oia i ka laula o ka hale hookahi ohe, a i ke kiekie hookahi ohe.
6 Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.
Alaila hele ae la ia i ka puka e nana ana i ka hikina, a pii ae oia ma kona mau anuu, a ana ae la hoi oia i ka paepae o ka ipuka hookahi ohe ka laula, a i kekahi paepae hookahi no ohe.
7 Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.
Hookahi hoi ohe ka laula a hookahi hoi ka loa o na keena liilii a pau; a elima kubita iwaena o na keena liilii; a o ka paepae o ka ipuka ma ka lanai o ka puka maloko, hookahi no ohe.
8 Dia norefesiny koa ny lavarangan’ ny vavahady, ka eran’ ny volotara koa.
Ua ana ae la ia i ka lanai o ka puka maloko, hookahi ohe.
9 Ary norefesiny ny lavarangan’ ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan’ ny vavahady dia teo anatiny.
Alaila ana ae la oia i ka lanai o ka puka, ewalu kubita; a o kona mau kia elua kubita; a o ka lanai o ka puka, maloko no ia.
10 Ary ny trano fiambenana teo amin’ ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin’ ny lafiny roa.
Ekolu hoi keena liilii o ka puka hikina ma keia aoao, a ekolu hoi ma kela aoao; hookahi no ana ko lakou a ekolu: a hookahi no ana ko na laau ku ma keia aoao a me kela aoao.
11 Ary norefesiny koa ny haben’ ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan’ ny vavahady dia telo ambin’ ny folo hakiho.
A ana ae la hoi oia i ka laula o kahi e komo ai o ka puka, he umi kubita; a o ka loa o ka puka, he umikumamakolu kubita.
12 Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
A o kahi mamua o na keena liilii, hookahi no kubita, a o kahi ma kela aoao, hookahi no kubita: a o na keena liilii eono kubita ma keia aoao, eono hoi ma kela aoao.
13 Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin’ ny tafon’ ny trano fiambenana iray ka hatramin’ ny tafon’ ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
Ana ae la hoi oia i ka puka, mai koluna o kekahi keena liilii i koluna o kekahi keena liilii; he iwakalua kumamalima kubita ka laula, ku pono kekahi puka i kekahi puka.
14 Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin’ ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
Hana ae la hoi oia i na kia, kanaono kubita a hiki i ke kia o ka lanai o ka ipuka a puni.
15 Ary hatreo anoloan’ ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
A mai ke alo o ka puka komo, a hiki i ke alo o ka lanai o ka puka iloko, kanalima kubita.
16 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.
He mau puka makani paa ko na keena liilii a me ko na kia maloko o ka ipuka a puni, a me ko na hoaka; a he mau puka malamalama maloko a puni, a he mau laau pama ma kela kia keia kia.
17 Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.
Alaila lawe mai oia ia'u iloko o ka pahale mawaho, aia hoi, na keena, a me ke keehana i hanaia no ka pahale a puni; he kanakolu keena maluna iho no o ke keehana
18 Ary ny lampivato dia teo anilan’ ny vavahady, sady nifanerana tamin’ ny lavan’ ny vavahady: lampivato ambany io.
A o ke keehana ma ka aoao o na ipuka, e ku pono ana i ka loa o na puka, he keehana lalo.
19 Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
Alaila ana ae la oia i ka laula mai ke alo o ka ipuka lalo, a hiki i ke alo o ka pahale loko mai waho mai, hookahi haneri kubita ma ka hikina a ma ke kukulu akau.
20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ ny vavahadin’ ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
A o ka ipuka o ka pahale mawaho, e huli ana i ke kukulu akau, ana aku la oia ia i kona loa a me kona laula.
21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin’ ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
A o kona mau keena liilii, ekolu ia ma keia aoao, a ekolu hoi ma kela aoao; a o kona mau kia, a me kona mau hoaka, mamuli no ia o ke ana ana o ka ipuka mua; kanalima kubita kona loa, a he iwakalua kumamalima kubita ka laula.
22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin’ ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin’ ny ireo amin’ ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin’ ireo.
A o ko lakou mau puka makani, a me ko lakou mau hoaka, a me ko lakou mau laau pama, mamuli no ia o ke ana ana o ka ipuka i ku pono i ka hikina; a pii ae la iloko ona ma na anuu ehiku; a o kona mau hoaka, ma ko lakou alo no ia.
23 Ary nisy vavahadin’ ny kianja anatiny, tandrifin’ ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho.
A o ka ipuka o ka pahale loko, ua ku pono ia i ka ipuka ma ke kukulu akau, a ma ka hikina; a ana'e la oia mai kekahi ipuka a i kekahi ipuka hookahi haneri kubita.
24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
Ma ia hope mai, lawe mai oia ia'u ma ka aoao kukulu hema, aia hoi he ipuka ma ka aoao kukulu hema: a ana ae la oia i kona mau kia, a me kona mau hoaka, e like me kela mau ana ana.
25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
He mau puka makani iloko ona, a iloko hoi o kona mau hoaka a puni, e like me kela mau puka makani; he kanalima kubita ka loa, he iwakalua kumamalima kubita ka laula.
26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin’ ireo; ary nisy sarin’ ny hazo rofia iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ ny lafiny iray teo amin’ ny tongo-batony.
Ehiku hoi anuu e pii ai ilaila, a o kona mau hoaka, aia ma ko lakou alo ia; he mau laau pama kona, hookahi ma keia aoao, a hookahi hoi ma kela aoao, ma kona mau kia.
27 Ary nisy vavahady fidirana amin’ ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho koa.
A he ipuka ma ka pahale loko ma ka aoao kukulu hema; a ana'e la oia mai kekahi ipuka a hiki i kekahi ipuka ma ke kukulu hema hookahi haneri kubita.
28 Ary nentiny niditra tamin’ ny vavahady atsimo ho any amin’ ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
A lawe ae la oia ia'u i ka pahale iloko, ma ka ipuka ma ka aoao kukulu hema; a ana ae la oia i ka ipuka ma ka aoao kukulu hema, mamuli o kela mau ana ana;
29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
A i kona mau keena liilii, a me kona mau kia, a me kona mau hoaka, mamuli o kela mau ana ana no ia: he mau pukamakani maloko ona, a maloko o kona mau hoaka a puni; he kanalima kubita kona loa, a he iwakalua kubita kona laula.
30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
A o kona mau hoaka he iwakalua kumamalima ka loa, a elima kubita ka laula.
31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
A o kona mau hoaka ua ku pono lakou i ka pahale mawaho; he mau laau pama ma kona mau kia; a o ka pii ana'e ilaila he mau anuu ewalu.
32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin’ ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
Lawe ae la no hoi oia ia'u iloko o ka pahale loko ma ka hikina: a ana'e la oia i ka ipuka mamuli o keia mau ana ana.
33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
A o kona mau keena liilii, a me kona mau kia, a me kona mau hoaka, mamuli no ia o keia mau ana ana; a he mau pukamakani maloko ona, a maloko o kona mau hoaka a puni: he kanalima kubita kona loa, a he iwakalua kumamalima kubita kona laula.
34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
O kona mau hoaka ua ku pono lakou i ka pahale mawaho: he mau laau pama ma kona mau kia, ma kela aoao, a ma keia aoao; a o ka pii ana ilaila he mau anuu awalu.
35 Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
Lawe ae la no hoi oia ia'u i ka ipuka kukulu akau, a ana'e la oia ia ia mamuli o keia mau ana ana;
36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Kona mau keena liilii, a me kona mau kia, a me kona mau hoaka, a me kona mau pukamakani; he kanalima kubita kona loa, a he iwakalua kumamalima kubita kona laula.
37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
O kona mau kia ua ku pono no ia i ka pahale mawaho, a ma na kia na laau pama, ma kela aoao, a ma keia aoao: a o ka pii ana'e ilaila he mau anuu ewalu.
38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
Ma na kia o na ipuka na keena liilii a me kona mau wahi e komo ai, ma kahi e holoi ai lakou i ka mohaikuni.
39 Ary teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin’ ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
A ma ka lanai o ka ipuka he mau papa elua ma keia aoao, a elua papa ma kela aoao, maluna o laua e pepehi ai i ka mohaikuni, a me ka mohailawehala, a me ka mohaihala.
40 Ary teo anilany eo ivelany amin’ ny fiakarana hiditra eo amin’ ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
Ma ka aoao mawaho, kahi e pii ai i ke komo ana o ka ipuka kukulu akau, elua papa; a ma kekahi aoao hoi, ma ka pili ana i ka lanai o ka ipuka, elua papa.
41 Nisy latabatra efatra teo amin’ ny ilany iray amin’ ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin’ ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
Eha papa ma keia aoao, a eha papa ma kela aoao ma ka pili o ka ipuka; ewalu papa maluna o lakou e pepehi ai lakou.
42 Ary nisy latabatra efatra natao tamin’ ny vato voapaika ho amin’ ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
A o na papa eha no ka mohaikuni he mau pohaku kalaiia, hookahi kubita me ka hapalua ka loa, hookahi kubita me ka hapalua ka laula, hookahi kubita ke kiekie: maluna iho hoi i waiho iho ai i na mea hana i pepehi ai lakou i ka mohaikuni, a me ka alana.
43 Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin’ ny rindrina; ary natao teo ambonin’ ny latabatra ny hena fanatitra.
A maloko hoi na kilou, hookahi peahilima, i hoopaaia a puni: a maluna o na papa ka io o ka mohai.
44 Ary teo ivelan’ ny vavahady anatiny, teo anilan’ ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an’ ny mpihira teo amin’ ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan’ ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
A mawaho ae o ka ipuka loko na keena o ka poe himeni maloko o ka pahale loko, ma ka aoao o ka ipuka kukulu akau: o ko lakou nana ana ma ke kukulu hema ia; a o kekahi ma ka aoao o ka ipuka hikina, e nana ana i ke kukulu akau.
45 Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin’ ny trano.
Olelo mai la hoi oia ia'u, O keia keena e nana ana i ke kukulu hema, no na kahuna ia ka poe ia lakou ka malama i ka hale.
46 Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny alitara, ireo dia taranak’ i Zadoka, izay isan’ ny taranak’ i Levy, ka manatona an’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
A o ke keena e nana ana i ke kukulu akau, no na kahuna no ia ka poe ia lakou ka malama i ke kuahu; oia na keiki a Zadoka iwaena o na mamo a Levi, ka poe hookokoke ia Iehova, e malama ia ia.
47 Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan’ ny trano.
Pela oia i ana ai i ka pahale, hookahi haneri kubita ka loa, hookahi haneri hoi kubita ka laula, he ahalike, a me ke kuahu ma ke alo o ka hale.
48 Ary nentiny ho any amin’ ny lavarangan’ ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin’ ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray, ary ny sakan’ ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
Lawe mai la hoi oia ia'u i ka lanai o ka hale, a ana'e la i kela kia keia kia o ka lanai, elima kubita ma kela aoao, elima hoi kubita ma keia aoao; a o ka laula o ka ipuka ekolu kubita ia ma kela aoao, ekolu hoi kubita ma keia aoao.
49 Roa-polo hakiho ny lavan’ ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin’ ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan’ ny tolana, iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray tamin’ ny lafiny iray koa.
He iwakalua kubita ka loa o ka lanai, a he umikumamakahi kubita ka laula; ma na anuu hoi kahi i pii ai lakou ilaila: a he mau kia e pili ana i na kia, kekahi ma kela aoao, a o kekahi hoi ma keia aoao.