< Ezekiela 39 >

1 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania ny hamelezana an’ i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
“Kisha wewe, mwanadamu, tabiri dhidi ya Gogu na sema, 'Bwana Yahwe asema hivi: Tazama! ni kinyume nawe, Gogu, mkuu wa Mesheki na Tubali.
2 Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
Nitakugeuza na kukuongoza; nitakupandisha juu kutoka mbali kaskazini na kukuleta hata milima ya Israeli.
3 Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipìkanao.
Kisha nitaufunga upinde wako utoke katika mkono wako wa kushoto na kuifanya mishale kuanguka kutoka kwenye mkono wako wa kuume.
4 Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
Utaanguka juu ya milima ya Israeli-wewe na jeshi lako late na maaskari walio pamoja nawe. Nitawapatia ndege mbua na wanyama pori wa mashambani kwa ajili ya chakula.
5 Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
Utaanguka juu ya uso wa shamba, kwa kuwa mimi mwenyewe nimesema hivyo-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.
6 Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Kisha nitapeleka moto juu ya Magogu na kwa wale waishio salama juu ya pwani, na watajua yakwamba mimi ni Yahwe.
7 Ary ny anarako masìna dia hataoko fantatra ao amin’ ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masìna; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masìna ao amin’ ny Isiraely.
Kwa kuwa nitalifanya jina langu takatifu lijulikane kati ya watu wangu Israeli, na sitaruhusu tena jina langu takatifu litukanwe; mataifa watajua kwamba mimi ni Yahwe, Mtakatifu katika Israeli.
8 Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
Tazama! Siku inakuja, na itachukua nafasi-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.
9 Ary hivoaka ny mponina ao amin’ ny tanànan’ ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
Hao wakaao katika miji ya Israeli watatoka nje na watatumia silaha kuwasha moto na kutengeneza moto na kuwachoma-ngao ndogo, ngao kubwa, pinde, mishale, rungu, na mikuki; watatengeneza mioto pamoja nao kwa muda wa siku saba.
10 fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an’ ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
Hawatakusanya kuni kutoka mashambani wala kukata miti kutoka kwenye misitu, kwa kuwa watazichoma hizo silaha; watawateka nyara wale watakaotaka kuwateka nyara-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.”
11 Ary amin’ izany andro izany dia homeko tany eo amin’ ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an’ i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan’ ireo olona maroben’ i Goga.
Kisha itakuwa katika hiyo siku ambayo nitaifanya sehemu huko kwa ajili ya Gogu-kaburi la Israeli, bonde kwa ajili ya wale wanaosafiri hata mashariki ya bahari. Litawazuia wale wanaotegemea kupita. Huko watamzika Gogu pamoja na kundi lake lote. Watapaita bonde la Hamon-Gogu.
12 Ary fito volana mipaka no handevenan’ ny taranak’ Isirady azy, hanadiovany ny tany.
Kwa muda wa siku saba nyumba ya Israeli itawazika ili kuitakasa nchi.
13 Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin’ ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
Kwa kuwa watu wa nchi watawazika; itakuwa siku ya kukumbukwa kwao wakati nitakapotukuzwa-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.
14 Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin’ ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin’ ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
Kisha watawateua watu kuendelea kwenda kwenye nchi, kuwatafuta wale waliokuwa wakisafiri, lakini waliokufa na miili yao kubaki juu ya uso wa nchi, ili kwamba waweze kuwazika, kwa ajili ya kusafisha nchi. Katika siku ya mwisho ya mwezi wa saba wataanza kutafuta.
15 ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan’ olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ ny mpandevina azy ao amin’ ny Lohasahan’ ireo maro ben’ i Goga.
Kama hawa watu wapitao kwenye nchi, watakapoona mfupa wowote wa binadamu, wataweka alama kwa huo, hadi wachimba kaburi watakapokuja na kuizika katika bonde la Hamoni Gogu.
16 Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.
Kutakuwa na mji huko unaitwa Hamona. Wataitakasa nchi kwa njia hii.
17 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia izao na lazain’ i Jehovah Tompo: Ataovy amin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ ny manodidina ho amin’ ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
Kwako wewe, mwanadamu, Bwana Yahwe asema hivi: Waambie ndege wote wenye mabawa na wanyama wote wa porini katika mashamba, 'Kusanyikeni pamoja na mje. Kusanyikeni kutoka pande zote kwenda kwenye dhabihu yote ambayo mimi mwenyewe ninayoifanya kwa ajili yako, dhabihu kubwa juu ya milima ya Israeli, ili kwamba mle nyama na kunywa damu.
18 Ny nofon’ ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran’ ireo mpanjakan’ ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak’ ondry sy osilahy ary vantotr’ ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
Mtakula nyama ya walio hodari na kunywa damu ya wakuu wa dunia; watakuwa kondoo waume, wana kondoo, mbuzi, na ng'ombe, wote walikuwa wanene katika Basheni.
19 Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin’ ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
Kisha mtakula mafuta hata kuridhika kwenu; mtakunywa damu hadi kulewa; hii itakuwa dhabihu nitakayoichinja kwa ajili yenu.
20 Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin’ ny miaramila rehetra eo amin’ ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
Mtatosheka kwenye meza yangu pamoja na farasi, magari ya farasi, shujaa, na kila mtu wa vita-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.'
21 Ary hasehoko any amin’ ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan’ ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
Nitauweka utukufu wangu kati ya mataifa, na mataifa yote yataona hukumu yangu ninayoionyesha na mkono wangu nimeuweka juu yao.
22 Ary ho fantatry ny taranak’ Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr’ iny ka hatramin’ ny ho avy rehetra.
Nyumba ya Israeli itajua yakwamba mimi ni Yahwe Mungu wao kutoka hiyo siku na kuendelea.
23 Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak’ Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
Mataifa yatajua kwamba nyumba ya Israeli wameenda uhamishoni kwa sababu ya udhalimu wao kwa kunisaliti, hivyo naficha uso wangu kwao na kuwaweka kwenye mkono wa maadui zao ili kwamba wote waanguke kwa upanga.
24 Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
Nimewafanyia kutokana na uchafu wao na dhambi zao, nitakapokuwa nimeuficha uso wangu kwao.
25 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’ Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ ny anarako masìna Aho.
Kwa hiyo Bwana Yahwe asema hivi: Sasa nitawarudisha watu wa Yakobo, na kuwa na huruma juu ya nyumba yote ya Israeli, wakati nitakapoona wivu kwa ajili ya jina langu.
26 Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin’ ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,
Kisha watabeba aibu yao na uhaini mkubwa walio nihaini. Watayasahau haya yote watakapopumzika katika nchi yao katika usalama, wala hakuna mtu atakaye waogofya.
27 rehefa ampodiko avy any amin’ ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalony; ary hiseho ho masìna eo imason’ ny jentilisa Aho amin’ ny ataoko amin’ ireny;
Wakati nitakapokuwa nimewarudisha kutoka kwa watu na kuwakusanya kutoka kwenye nchi za maadui zao, nitajionyesha mimi mwenyewe kuwa mtakatifu kwenye uso wa mataifa mengi.
28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin’ ny ampandehanako azy ho babo any amin’ ny firenena sy amin’ ny anangonako azy ho any amin’ ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
Kisha watajua kwamba mimi ni Yahwe Mungu wao, kwa kuwa nimewapeleka utumwani kati ya mataifa, lakini kisha nitawakusanya kuwarudisha hata nchi yao. Sitamuacha hata mmoja wao kati ya mataifa.
29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ ny taranak’ Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
Sitawaficha uso wangu kwao wakati nitakapomwaga Roho wangu katika nyumba ya Israeli-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.”

< Ezekiela 39 >