< Ezekiela 38 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
و کلام خداوند بر من نازل شده، گفت:۱
2 Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Goga avy any amin’ ny tany Magoga, izay mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
«ای پسر انسان نظر خود را بر جوج که از زمین ماجوج و رئیس روش و ماشک و توبال است بدار و بر او نبوت نما.۲
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
و بگو خداوند یهوه چنین می‌فرماید: اینک من‌ای جوج رئیس روش و ماشک و توبال به ضد تو هستم.۳
4 Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
و تو را برگردانیده، قلاب خود را به چانه ات می‌گذارم و تورا با تمامی لشکرت بیرون می‌آورم. اسبان وسواران که جمیع ایشان با اسلحه تمام آراسته، جمعیت عظیمی با سپرها و مجنها و همگی ایشان شمشیرها به‌دست گرفته،۴
5 miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,
فارس و کوش و فوط با ایشان و جمیع ایشان با سپر و خود،۵
6 Gomera koa mbamin’ ny miaramilany rehetra, ny taranak’ i Togarma avy any amin’ ny farany avaratra mbamin’ ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
جومر و تمامی افواجش و خاندان توجرمه ازاطراف شمال با تمامی افواجش و قوم های بسیارهمراه تو.۶
7 Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.
پس مستعد شو و تو و تمامی جمعیتت که نزد تو جمع شده‌اند، خویشتن رامهیا سازید و تو مستحفظ ایشان باش.۷
8 Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
بعد ازروزهای بسیار از تو تفقد خواهد شد. و درسالهای آخر به زمینی که از شمشیر استرداد شده است، خواهی آمد که آن از میان قوم های بسیار برکوههای اسرائیل که به خرابه دایمی تسلیم شده بود، جمع شده است و آن از میان قوم‌ها بیرون آورده شده و تمامی اهلش به امنیت ساکن می‌باشند.۸
9 Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin’ ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminao.
اما تو بر آن خواهی برآمد و مثل بادشدید داخل آن خواهی شد و مانند ابرها زمین راخواهی پوشانید. تو و جمیع افواجت و قوم های بسیار که همراه تو می‌باشند.»۹
10 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
خداوند یهوه چنین می‌فرماید: «در آن روزچیزها در دل تو خطور خواهد کرد و تدبیری زشت خواهی نمود.۱۰
11 ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin’ izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
و خواهی گفت: به زمین بی‌حصار برمی آیم. بر کسانی که به اطمینان وامنیت ساکنند می‌آیم که جمیع ایشان بی‌حصارندو پشت بندها و دروازه‌ها ندارند.۱۱
12 mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ ny foiben’ ny tany.
تا تاراج نمایی و غنیمت را ببری و دست خود را به خرابه هایی که معمور شده است و به قومی که ازمیان امت‌ها جمع شده‌اند، بگردانی که ایشان مواشی و اموال اندوخته‌اند و در وسط جهان ساکنند.۱۲
13 Sheba sy Dedana ary ny mpandranton’ i Tarsisy rehetra mbamin’ ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
شبا و ددان و تجار ترشیش و جمیع شیران ژیان ایشان تو را خواهند گفت: آیا به جهت گرفتن غارت آمده‌ای؟ و آیا به جهت بردن غنیمت جمعیت خود را جمع کرده‌ای تا نقره وطلا برداری و مواشی و اموال را بربایی و غارت عظیمی ببری؟۱۳
14 Koa maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ i Goga hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa amin’ izany andro hitoeran’ ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
«بنابراین‌ای پسر انسان نبوت نموده، جوج را بگو که خداوند یهوه چنین می‌فرماید: در آن روز حینی که قوم من اسرائیل به امنیت ساکن باشند آیا تو نخواهی فهمید؟۱۴
15 Ary ho tonga avy any amin’ ny fonenanao avy any amin’ ny farany avaratra ianao mbamin’ ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
و از مکان خویش از اطراف شمال خواهی آمد تو وقوم های بسیار همراه تو که جمیع ایشان اسب‌سوار و جمعیتی عظیم و لشکری کثیر می‌باشند،۱۵
16 ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
و بر قوم من اسرائیل مثل ابری که زمین راپوشاند خواهی برآمد. در ایام بازپسین این به وقوع خواهد پیوست که تو را به زمین خودخواهم آورد تا آنکه امت‌ها حینی که من خویشتن را در تو‌ای جوج به نظر ایشان تقدیس کرده باشم مرا بشناسند.»۱۶
17 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ ny fahiny, dia ny mpaminanin’ ny Isiraely, izay naminany ela tamin’ izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
خداوند یهوه چنین می‌گوید: «آیا توآنکس نیستی که در ایام سلف به واسطه بندگانم انبیای اسرائیل که در آن ایام درباره سالهای بسیارنبوت نمودند در خصوص تو گفتم که تو را برایشان خواهم آورد؟۱۷
18 Ary amin’ izany andro izany, dia ny andro hihavian’ i Goga hamely ny tanin’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
خداوند یهوه می‌گوید: در آن روز یعنی در روزی که جوج به زمین اسرائیل برمی آید، همانا حدت خشم من به بینی‌ام خواهد برآمد.۱۸
19 Fa amin’ ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’ izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin’ ny tanin’ ny Isiraely,
زیرا در غیرت و آتش خشم خود گفته‌ام که هرآینه در آن روز تزلزل عظیمی در زمین اسرائیل خواهد شد.۱۹
20 ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra ambonin’ ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
و ماهیان دریا و مرغان هوا و حیوانات صحرا و همه حشراتی که بر زمین می‌خزند و همه مردمانی که بر روی جهانند به حضور من خواهند لرزید وکوهها سرنگون خواهد شد و صخره‌ها خواهدافتاد و جمیع حصارهای زمین منهدم خواهدگردید.۲۰
21 Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ ny namany avy izy rehetra.
و خداوند یهوه می‌گوید: من شمشیری بر جمیع کوههای خود به ضد او خواهم خواند وشمشیر هر کس بر برادرش خواهد بود.۲۱
22 Ary hamaly azy amin’ ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon’ orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ ny miaramilany mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
و با وباو خون بر او عقوبت خواهم رسانید. و باران سیال و تگرگ سخت و آتش و گوگرد بر او و برافواجش و بر قوم های بسیاری که با وی می‌باشندخواهم بارانید.۲۲
23 Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
و خویشتن را در نظر امت های بسیار معظم و قدوس و معروف خواهم نمود وخواهند دانست که من یهوه هستم.۲۳

< Ezekiela 38 >