< Ezekiela 35 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Опет ми дође реч Господња говорећи:
2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
Сине човечји, окрени лице своје према гори Сиру и пророкуј против ње.
3 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
И реци: Овако вели Господ Господ: ево ме на тебе, горо Сире! И дигнућу руку своју на те, и опустећу те сасвим.
4 Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Градове ћу твоје опустети, и ти ћеш бити пустош, и познаћеш да сам ја Господ.
5 Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak’ Isiraely ho fatin’ ny sabatra, fony tamin’ ny andro nahitany loza, dia ny fotoan’ ny heloka mahafaty,
Што је у тебе вечно непријатељство, и расипаш синове Израиљеве мачем у невољи њиховој, кад је крај безакоњу њиховом,
6 Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
Зато, тако ја био жив, говори Господ Господ, крви ћу те предати и крв ће те гонити, јер не мрзиш на крв, крв ће те гонити.
7 Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
И обратићу гору Сир сасвим у пустош, да нико неће долазити ни одлазити.
8 Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin’ ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron’ ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan’ izay voatrabaky ny sabatra.
И напунићу горе њене побијених њених; на хумовима твојим и у долинама твојим и по свим потоцима твојим падаће побијени од мача.
9 Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Вечну пустињу начинићу од тебе и градови се твоји неће оправити, и познаћете да сам ја Господ.
10 Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
Што говориш: Ова два народа и ове две земље моје ће бити, и наследићемо их, ако и јесте Господ био онде,
11 Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin’ ny hitsarako anao.
Зато, тако ја жив био, говори Господ Господ, учинићу по гневу твом и по зависти твојој, с којом си поступала из мржње према њима, и бићу познат међу њима кад ти судим.
12 Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin’ ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
И познаћеш да сам ја Господ чуо све твоје хуле које си говорила на горе Израиљеве рекавши: Опустеше, нама су дане да их једемо.
13 Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
И величасте се супрот мени устима својим, и множисте на ме речи своје; чуо сам.
14 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
Овако вели Господ Господ: Кад се сва земља стане веселити, тебе ћу опустети.
15 Toy ny nifalianao ny amin’ ny lovan’ ny taranak’ Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Како си се ти веселила наследству дома Израиљевог што опусте, тако ћу и тебе учинити: опустећеш, горо Сире, и сва земљо едомска; и познаће се да сам ја Господ.