< Ezekiela 34 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Опет ми дође реч Господња говорећи:
2 Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
Сине човечји, пророкуј против пастира Израиљевих, пророкуј и реци тим пастирима: Овако вели Господ Господ: Тешко пастирима Израиљевим који пасу сами себе! Не треба ли стадо да пасу пастири?
3 Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
Претилину једете и вуном се одевате, кољете товно, стада не пасете.
4 Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
Слабих не крепите, и болесне не лечите, рањене не завијате, одагнане не доводите натраг, изгубљене не тражите, него силом и жестином господарите над њима.
5 Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ ny bibidia rehetra.
И распршаше се немајући пастира, и распршавши се посташе храна свим зверима пољским.
6 Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
Овце моје лутају по свим горама и по свим високим хумовима; и по свој земљи распршане су овце моје, и нема никога да пита за њих, никога да их тражи.
7 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
Зато, пастири, чујте реч Господњу;
8 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan’ ny ondriko sy ny nahatongavan’ ny ondriko ho rembin’ ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
Тако ја био жив, говори Господ Господ, што стадо моје поста грабеж, и овце моје посташе храна свим зверима пољским немајући пастира, и пастири моји не траже стада мог, него пастири пасу сами себе, а стада мог не пасу;
9 dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
Зато, пастири, чујте реч Господњу;
10 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin’ ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
Овако вели Господ Господ: Ево ме на те пастире, и искаћу стадо своје из њихових руку, и нећу им дати више да пасу стадо, и неће више пастири пасти сами себе, него ћу отети овце своје из уста њихових и неће им бити храна.
11 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
Јер овако вели Господ Господ: Ево ме, ја ћу тражити овце своје и гледати их.
12 Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Као што пастир тражи стадо своје кад је код оваца својих распршених, тако ћу тражити овце своје и отећу их из свих места куда се распршаше кад беше облачно и мрачно.
13 Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.
И извешћу их из народа, и покупићу их из земаља, и довешћу их у земљу њихову, и пашћу их на горама Израиљевим покрај потока и по свим местима насељеним у земљи.
14 Eny amin’ ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ ny tany tsara, ary eny amin’ ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
На доброј паши пашћу их, и тор ће им бити на високим горама израиљевим; онде ће лежати у добром тору и по обилатој ће паши пасти на горама Израиљевим.
15 Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
Ја ћу пасти стадо своје, и ја ћу их одмарати, говори Господ Господ.
16 Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
Тражићу изгубљену, и довешћу натраг одагнану, и рањену ћу завити и болесну окрепити; а товну ћу и јаку потрти, пашћу их право.
17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
А вама, стадо моје, овако говори Господ Господ: Ево ја ћу судити између овце и овце, између овнова и јараца.
18 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen’ ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin’ ny tongotrareo ny sisa?
Мало ли вам је што пасете на доброј паши, него остатак паше своје газите ногама својим? И што пијете бистру воду, него остатак мутите ногама својим?
19 Ary ny amin’ ny ondriko, moa izay voahosihosin’ ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ ny tongotrareo va no hosotroiny?
А моје овце пасу што ви ногама својим изгазите, и пију што ви замутите ногама својим.
20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ ny ondry matavy amin’ ny ondry mahia.
Зато овако им вели Господ Господ: Ево ме, ја ћу судити између овце дебеле и овце мршаве.
21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany;
Што боцима и раменима отискујете и розима својим бодете све болесне тако да их разагнасте напоље,
22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ ny ondry amin’ ny ondry namany.
Зато ћу избавити стадо своје да не буде више грабеж, и судићу између овце и овце.
23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
И подигнућу им једног пастира који ће их пасти, слугу свог Давида; он ће их пасти и биће им пастир.
24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
А ја Господ бићу им Бог, и слуга мој Давид кнез међу њима. Ја Господ рекох.
25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
И учинићу с њима завет мирни, истребићу зле звери из земље, и они ће живети у пустињи без страха и спаваће у шумама.
26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
И благословићу њих и шта је око горе моје, и пуштаћу дажд на време; дажди ће благословни бити.
27 Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ ny tànan’ izay nampanompo azy izy.
И дрвета ће пољска рађати свој род, и земља ће рађати свој род; и они ће бити у својој земљи без страха, и познаће да сам ја Господ кад поломим палице јарма њиховог, и избавим их из руку оних који их заробише.
28 Ary tsy ho babon’ ny jentilisa na ho rembin’ ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
И неће више бити плен народима, и звери земаљске неће их јести, него ће живети без страха и нико их неће плашити.
29 Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin’ ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ ny jentilisa intsony;
И подигнућу им биљку за славу, и неће више умирати од глади у земљи, нити ће подносити срамоту од народа.
30 ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
И познаће да сам ја Господ Бог њихов с њима, и они, дом Израиљев, да су мој народ, говори Господ Господ.
31 Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
А ви сте стадо моје, овце паше моје, ви људи, а ја сам Бог ваш, говори Господ Господ.