< Ezekiela 33 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Kisha neno la Yahwe likanijia, kusema,
2 Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
“Mwanadamu, sema hivi kwa watu wako; waambie, 'Nitakapoleta upanga juu ya nchi, kisha watu wa hiyo nchi wakamchukua mtu mmoja kutoka mingoni mwao na kumfanya awe mlinzi wao.
3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
Atazamapo kwa upanga kama unakuja juu ya nchi, na apige tarumbeta kuwaonya watu!
4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
Kama watu wakisikia sauti ya tarumbeta lakini bila kusikia, na kama upanga ukija na kuwaua, kisha damu ya kila mmoja iko juu ya kichwa chake mwenyewe.
5 Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
Kama mtu akisikia sauti ya tarumbeta na hakusikiliza, damu yake iko juu yake; lakini kama akisikia, ataokoa maisha yake mwenyewe.
6 Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
Bali, kama mlinzi akiona upanga unakuja, lakini kama asipopiga tarumbeta, pamoja na matokeo kwamba watu hawajaonywa, na kama upanga ukija na kuchukua uhai wa mtu yeyote, kisha yule mtu akafa kwenye dhambi yake mwenyewe, lakini nitaitaka damu yake kutoka mlinzi.'
7 Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Sasa wewe mwenyewe, mwanadamu! Nimekufanya kuwa mlinzi kwa ajili ya nyumba ya Israeli; utasikia maneno kutoka kinywani mwangu na uwaonye badala yangu.
8 Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
Kama nikimwambia mtu mwovu, 'Mwovu, hakika utakufa!' lakini kama hutangazi hivi ili kwa ajili ya kumuonya mtu mwovu kuhusu hii njia, kisha huyo mtu mwovu atakufa katika dhambi yake, lakini nitaitaka damu yake kutoka kwenye mkono wako!
9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
Lakini wewe, kama ukimwonya mwovu kuhusu hii njia, hivyo basi anaweza kurudi kutoka hiyo, na kama kama asipogeuka kutoka njia yake, kisha atakufa katika dhambi yake, lakini wewe mwenyewe utakuwa umeokoa maisha yako.
10 Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
Basi wewe, mwanadamu, sema kwa nyumba ya Israeli, 'Mnasema hivi, Makosa yetu na dhambi zetu zi juu yetu, na tunadhoofika kwa ajili yao! Je! tutaishije?”'
11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Waambie, 'Kama niishivyo-asema Bwana Yahwe-sifurahii kifo cha mwovu, kwa kuwa kama mwovu akitubu kutoka njia yake, kisha ataishi! Tubu! Tubu kutoka njia zako mbaya! Kwa nini mnataka kufa, nyumba ya Israeli?'
12 Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
Hivyo basi wewe, mwanadamu, waambe watu wako, 'Haki ya mwenye haki haitamwokoa kama akikosa! Uovu wa mtu mwovu hautamfanya kuangamia kama akitubu dhambi zake! Kwa kuwa mtu mwenye haki hataweza kuishi kwa sababu ya haki yake kama akikosa.
13 Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
Kama nikisema kwa mwenye haki, “Hakika ataisha!” na kama akiamini katika haki yake na kisha akafanya udhalimu, sitokumbuka haki yake yoyote. Atakufa kwa ajili ya uovu alioufanya.
14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
Hivyo kama nikisema kwa mwovu, “Utakufa hakika,” lakini kama akitubu kutoka kwenye dhambi zake na kufanya yaliyo halali na haki-
15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
kama akirudisha dhamana ambayo aliyomnyang'anya, au kama akirudisha alichokipoteza, na kama akitembea katika amri zitoazo uhai na bila kufanya dhambi-kisha ataishi hakika. Hatakufa.
16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
Dhambi alizozifanya hazitakumbukwa kwa ajili yake. Ametenda halali na haki, na hivyo, ataishi hakika!
17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
Lakini watu wako husema, “Njia ya Bwana haiko sawa!” lakini ni njia zako ndizo haziko sawa!
18 Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
Wakati mtu mwenye haki ageukapo kutoka kwenye haki na kufanya dhambi, kisha atakufa katika hiyo!
19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
Wakati mtu mbaya ageukapo kutoka kwenye ubaya wake na kufanya iliyo halali na haki, ataishi kwa sababu ya hayo mambo!
20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
Lakini ninyi watu husema, “Njia ya Bwana haiko sawa!” Nitawahukumu kila mmoja wenu kulingana na njia yake, nyumba ya Israeli!”'
21 Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
Ikawa katika mwaka wa kumi na mbili, siku ya tano ya mwezi wa kumi ya uhamisho wetu, mtu mmoja akatoroka kutoka Yerusalemuna kusema, “Mji umetekwa!”
22 Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Mkono wa Yahwe ulikuwa juu yangu jioni kabla yule mtoro hajaja, na mdomo wangu ulikuwa wazi mda huo alikuja kwangu wakati wa mapambazuko. Hivyo mdomo wangu ulikuwa wazi; sikuwa bubu tena!
23 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Kisha neno la Yahwe likanijia, kusema,
24 Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
“Mwanadamu, wale waishio mahali palipoharibika katika nchi ya Israeli huongea na kusema, 'Ibrahimu alikuwa mtu pekee, na alirithi nchi, lakini sisi tukowengi! Tumepewa nchi kama wamiliki.”
25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
Kwa hiyo waambie, 'Bwana Yahwe asema hivi: Mnakula damu, na mmeziinulia macho yenu sanamu, kisha mnazimwagia damu za watu. Je! mna uhakika wa kuimiliki hii nchi?
26 Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
Mnategemea upanga wenu na mmetenda mambo maovu; kila mtu amemnajisi mke wa jirani yake. Je! kweli mtaimiliki nchi?'
27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
Utawaambia hivi, 'Bwana Yahwe asema hivi: Kama niishivyo, hakika wale walio katika uharibifu wataanguka kwa upanga, na nitawapatia wale walio katika mashamba viumbe hai kama chakula, na wale walio katika ngome na mapango watakufa kwa tauni.
28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
Kisha nitairudisha nchi kwenye ukiwa na tishio, na kiburi cha uwezo wake kitakoma, kwa kuwa milima ya Israeli itakuwa jangwa, na hakutakuwa na mtu yeyote atakayewapitia.'
29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
Hivyo watajua kwamba mimi ni Yahwe, nitakapoifanya nchi ukiwa na tishio kwa sababu ya machukizo yote waliyoyafanya.
30 Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
Hivyo basi wewe, mwanadamu-watu wako wanasema mambo yako karibu na kuta na malango ya nyumba, na kila mmoja anaambizana na mwenzake-kila mtu na ndugu yake, 'Twende na tukasikilize neno la nabii lililotoka kwa Yahwe!
31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
Hivyo watu wangu watakuja kwako, kama wafanyavyo mara nyingi, na nitaketi mbele yako na kusikiliza maneno yako, lakini mioyo yao inafuata udhalimu kwa faida yao.
32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
Kwa kuwa umekuwa kama wimbo mzuri kwao, sauti nzuri awezaye kucheza kinanda vizuri, hivyo watasikia maneno yako, lakini hakuna atakaye yatii.
33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
Hivyo wakati haya yote yatakapotokea-tazama! itatokea! -watajua yakwamba nabii alikuwa miongoni mwao.”

< Ezekiela 33 >