< Ezekiela 33 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
And the word of the LORD came unto me, saying:
2 Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
'Son of man, speak to the children of thy people, and say unto them: When I bring the sword upon a land, if the people of the land take a man from among them, and set him for their watchman;
3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
if, when he seeth the sword come upon the land, he blow the horn, and warn the people;
4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
then whosoever heareth the sound of the horn, and taketh not warning, if the sword come, and take him away, his blood shall be upon his own head;
5 Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
he heard the sound of the horn, and took not warning, his blood shall be upon him; whereas if he had taken warning, he would have delivered his soul.
6 Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
But if the watchman see the sword come, and blow not the horn, and the people be not warned, and the sword do come, and take any person from among them, he is taken away in his iniquity, but his blood will I require at the watchman's hand.
7 Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
So thou, son of man, I have set thee a watchman unto the house of Israel; therefore, when thou shalt hear the word at My mouth, warn them from Me.
8 Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
When I say unto the wicked: O wicked man, thou shalt surely die, and thou dost not speak to warn the wicked from his way; that wicked man shall die in his iniquity, but his blood will I require at thy hand.
9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
Nevertheless, if thou warn the wicked of his way to turn from it, and he turn not from his way; he shall die in his iniquity, but thou hast delivered thy soul.
10 Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
Therefore, O thou son of man, say unto the house of Israel: Thus ye speak, saying: Our transgressions and our sins are upon us, and we pine away in them; how then can we live?
11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Say unto them: As I live, saith the Lord GOD, I have no pleasure in the death of the wicked, but that the wicked turn from his way and live; turn ye, turn ye from your evil ways; for why will ye die, O house of Israel?
12 Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
And thou, son of man, say unto the children of thy people: The righteousness of the righteous shall not deliver him in the day of his transgression; and as for the wickedness of the wicked, he shall not stumble thereby in the day that he turneth from his wickedness; neither shall he that is righteous be able to live thereby in the day that he sinneth.
13 Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
When I say to the righteous, that he shall surely live; if he trust to his righteousness, and commit iniquity, none of his righteous deeds shall be remembered; but for his iniquity that he hath committed, for it shall he die.
14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
Again, when I say unto the wicked: Thou shalt surely die; if he turn from his sin, and do that which is lawful and right;
15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
if the wicked restore the pledge, give back that which he had taken by robbery, walk in the statutes of life, committing no iniquity; he shall surely live, he shall not die.
16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
None of his sins that he hath committed shall be remembered against him; he hath done that which is lawful and right; he shall surely live.
17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
Yet the children of thy people say: The way of the Lord is not equal; but as for them, their way is not equal.
18 Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
When the righteous turneth from his righteousness, and committeth iniquity, he shall even die thereby.
19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
And when the wicked turneth from his wickedness, and doeth that which is lawful and right, he shall live thereby.
20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
Yet ye say: The way of the Lord is not equal. O house of Israel, I will judge you every one after his ways.'
21 Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
And it came to pass in the twelfth year of our captivity, in the tenth month, in the fifth day of the month, that one that had escaped out of Jerusalem came unto me, saying: 'The city is smitten.'
22 Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Now the hand of the LORD had been upon me in the evening, before he that was escaped came; and He had opened my mouth against his coming to me in the morning; and my mouth was opened, and I was no more dumb.
23 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Then the word of the LORD came unto me, saying:
24 Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
'Son of man, they that inhabit those waste places in the land of Israel speak, saying: Abraham was one, and he inherited the land; but we are many; the land is given us for inheritance.
25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
Wherefore say unto them: Thus saith the Lord GOD. Ye eat with the blood, and lift up your eyes unto your idols, and shed blood; and shall ye possess the land?
26 Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
Ye stand upon your sword, ye work abomination, and ye defile every one his neighbour's wife; and shall ye possess the land?
27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
Thus shalt thou say unto them: Thus saith the Lord GOD: As I live, surely they that are in the waste places shall fall by the sword, and him that is in the open field will I give to the beasts to be devoured, and they that are in the strongholds and in the caves shall die of the pestilence.
28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
And I will make the land most desolate, and the pride of her power shall cease; and the mountains of Israel shall be desolate, so that none shall pass through.
29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
Then shall they know that I am the LORD, when I have made the land most desolate, because of all their abominations which they have committed.
30 Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
And as for thee, son of man, the children of thy people that talk of thee by the walls and in the doors of the houses, and speak one to another, every one to his brother, saying: Come, I pray you, and hear what is the word that cometh forth from the LORD;
31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
and come unto thee as the people cometh, and sit before thee as My people, and hear thy words, but do them not — for with their mouth they show much love, but their heart goeth after their covetousness;
32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
and, lo, thou art unto them as a love song of one that hath a pleasant voice, and can play well on an instrument; so they hear thy words, but they do them not —
33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
when this cometh to pass — behold, it cometh — then shall they know that a prophet hath been among them.'

< Ezekiela 33 >