< Ezekiela 32 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Na mokolo ya liboso ya sanza ya zomi na mibale, na mobu ya zomi na mibale, Yawe alobaki na ngai:
2 Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin’ ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
« Mwana na moto, tinda nzembo ya mawa mpo na Faraon, mokonzi ya Ejipito, mpe yebisa ye: ‹ Ozali lokola nkosi kati na bikolo, ozali lokola dalagona kati na bibale minene, otambolaka-tambolaka kati na bibale na yo, opanzaka mayi na makolo na yo mpe okomisaka bibale potopoto.
3 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin’ ireny amin’ ny haratoko ianao,
Tala liloba oyo Nkolo Yawe alobi: Nakotiela yo motambo na Ngai tango nakosangisa bato ya bikolo ebele; boye bakokanga yo na motambo yango.
4 Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan’ ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
Nakobwaka yo na mabele mpe nakosundola yo na libanda ya bilanga. Nakosala ete bandeke nyonso ya likolo eya komatela yo mpe banyama ya mokili mobimba eya kolia misuni ya nzoto na yo.
5 Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
Nakopanza misuni ya nzoto na yo na bangomba mpe nakotondisa mabwaku na biteni oyo ekotikala.
6 Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin’ ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
Nakotondisa mokili, na makila oyo ekowuta epai na yo, na balabala nyonso kino na bangomba; mpe mabulu minene ekotonda na misuni ya nzoto na yo.
7 Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
Tango nakoboma yo ndenge babomaka mwinda, nakozipa likolo, nakokomisa molili minzoto na yango; nakozipa moyi na mapata, mpe sanza ekopesa lisusu pole na yango te.
8 Eny, ireny fanazavana eny amin’ ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
Likolo na yo, nakokomisa molili biloko nyonso ya likolo, oyo ebimisaka pole, mpe nakoyeisa molili na mokili na yo, elobi Nkolo Yawe.
9 Hataoko mitebiteby koa ny fon’ ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin’ ny tany izay tsy fantatrao
Nakotungisa mitema ya bato ebele tango nakomema yo na bowumbu kati na bikolo ya bapaya, na mikili oyo otikala kutu koyeba te.
10 Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin’ ny fanahiany ny ainy, raha mby amin’ ny andro haharavanao.
Nakosala ete bato ya bikolo ebele bakamwa yo mpe bakonzi na bango balenga na somo likolo na yo tango nakolakisa bango mopanga na Ngai. Na mokolo ya kokweya na yo, moko na moko kati na bango akokoma kolenga tango nyonso mpo na bomoi na ye.
11 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona dia ho tonga aminao.
Pamba te, tala liloba oyo Nkolo Yawe alobi: Mopanga ya mokonzi ya Babiloni ekobundisa yo.
12 Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
Nakosala ete bato ebele bakufa kati na yo na mopanga ya bilombe ya bitumba ya ekolo oyo eleki bikolo nyonso na kanza. Bakosukisa lolendo ya mokili ya Ejipito mpe bato na yango nyonso bakobebisama.
13 Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron’ ny biby fiompy.
Nakoboma ngombe na yango nyonso pembeni ya mayi ya mozindo oyo ekoningana lisusu te na makolo ya bato to ya banyama.
14 Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,
Bongo nakosala ete mayi na yango evanda kimia mpe bibale na yango etiola lokola mafuta, elobi Nkolo Yawe.
15 Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Tango nakosala ete Ejipito etikala lisusu na bato te, tango nakobebisa biloko nyonso oyo ezali kati na yango mpe nakoboma bavandi na yango nyonso; boye bakoyeba solo ete Ngai, nazali Yawe. ›
16 Izany no hira fahalahelovana hataon’ ny olona; Ny zanakavavin’ ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an’ i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
Yango nde nzembo ya mawa oyo bakoyembela Ejipito; bilenge basi ya bikolo mosusu nde bakoyemba yango, bakoyemba yango na tina na Ejipito elongo na bato na yango nyonso, elobi Nkolo Yawe. »
17 Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Na mokolo ya zomi na mitano ya sanza wana kaka, na mobu ya zomi na mibale, Yawe alobaki na ngai:
18 Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
« Mwana na moto, tinda nzembo ya mawa na tina na bato nyonso ya Ejipito mpe kitisa na mokili ya bakufi elongo na bato oyo bakitaka na libulu, mokili ya Ejipito elongo na bato ya bikolo ya nguya.
19 Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
Loba na bango: ‹ Boni, boleki bato mosusu na nini? Bokita mpe bolala esika moko na bato oyo bakatama ngenga te! ›
20 Any amin’ ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra.
Bakokweya kati na bato oyo bakufaki na mopanga. Mopanga esili kobima! Tika ete eboma Ejipito mpe bato na yango nyonso!
21 Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. (Sheol h7585)
Wuta na mboka ya bakufi, bankumu bakoloba na Ejipito mpe na bikolo oyo esanganaki na yango: ‹ Bakiti mpe balali elongo na bato oyo bakatama ngenga te, esika moko na bato oyo bakufaki na mopanga. › (Sheol h7585)
22 Ao koa Asyria mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra;
Mokili ya Asiri ezali kuna elongo na mampinga na yango nyonso, ezingelami na malita ya bato na yango nyonso oyo babomaki: bango nyonso oyo bakufaki na mopanga.
23 Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ ny tanin’ ny velona.
Malita na bango ezali kati na libulu moko ya mozindo, mpe mampinga na yango elali zingazinga ya bakunda na ye. Bato nyonso oyo bazalaki koyeisa somo na mokili ya bato ya bomoi basili kokweya, bakufi na mopanga.
24 Ao koa Elama mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
Mokili ya Elami ezali kuna elongo na mampinga na yango nyonso, zingazinga ya bakunda na yango; bato na yango nyonso bakweyaki, bakufaki na mopanga. Bato nyonso oyo bazalaki koyeisa somo kati na mokili ya bato ya mokili yango basili kokita elongo na bato oyo bakatama ngenga te, na mokili ya bakufi; bakoyoka soni bango moko elongo na bato oyo bakitaka na libulu.
25 Teo amin’ ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin’ ny tanin’ ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka izy; Ao amin’ ny voa-trabaka no nametrahany azy.
Basalaki mbeto moko mpo na mokili yango kati na bato oyo bakufaki na mopanga, esika moko na mampinga na yango nyonso, zingazinga ya bakunda na yango. Bato nyonso oyo bakufaki na mopanga bazalaki bato bakatama ngenga te. Lokola somo na bango epanzanaki na mokili ya bato ya bomoi, bamemaki soni na bango elongo na bato oyo bakitaka na libulu; bazali kolala esika moko na bato oyo babomaki na mopanga.
26 Ao koa Meseka-tobala mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona izy.
Mokili ya Mesheki mpe ya Tubali ezali kuna elongo na bato na yango nyonso, zingazinga ya malita na yango. Bato nyonso oyo bakufaki na mopanga bazalaki bato bakatama ngenga te, pamba te bayeisaki somo makasi kati na mokili ya bato ya bomoi.
27 Ary tsy hiara-miampatra amin’ ny lehilahy mahery izay lavo isan’ ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ ny lohany ny sabany. Ary ao amin’ ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ ny tanin’ ny velona izy. (Sheol h7585)
Boni, balali te esika moko na basoda mosusu oyo bakatama ngenga te to balali te esika moko na basoda ya mpiko oyo bakufaki mpe bakitaki na mboka ya bakufi na bibundeli na bango, na mipanga na bango na se ya mito na bango? Etumbu mpo na masumu na bango ekweyaki na mikuwa na bango, atako bazalaki kolengisa basoda ya mpiko ya mokili ya bato ya bomoi na somo. (Sheol h7585)
28 Eny, ianao dia haripaka ao amin’ ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ ny voatrabaky ny sabatra.
Oh Faraon, yo mpe okobukana, okolala esika moko na bato oyo bakatama ngenga te, bato oyo bakufaki na mopanga!
29 Ao koa Edoma mbamin’ ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin’ ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin’ ny tsy voafora izy sy amin’ izay midìna any an-davaka.
Mokili ya Edomi ezali kuna, bakonzi na yango mpe bakambi na yango balali esika moko na bato oyo bakufaki na mopanga atako bazalaki na nguya; balali esika moko na bato oyo bakatama ngenga te mpe bato oyo bakitaka na libulu.
30 Ao koa ireo andrianan’ ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin’ ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin’ izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin’ izay midìna any an-davaka.
Bakambi nyonso ya etuka ya nor mpe bato nyonso ya Sidoni bazali kuna; bakitaki na soni elongo na bato oyo bakufaki atako nguya na bango ezalaki kopesa bato somo makasi; balali lokola bato bakatama ngenga te elongo na bato oyo bakufaki na mopanga, mpe bakufaki na soni makasi elongo na bato oyo bakitaka na libulu.
31 Ireny dia ho hitan’ i Farao, ka dia hionona izy ny amin’ ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin’ ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
Ye Faraon elongo na mampinga na ye nyonso bakomona bango mpe bakobondisama na tina na bato nyonso oyo bakufaki na mopanga, elobi Nkolo Yawe.
32 Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin’ ny tsy voafora, miaraka amin’ ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.
Atako nayeisaki somo na mokili ya bato ya bomoi na nzela na ye, Faraon mpe bato na ye nyonso bakolala kati na bato oyo bakatama ngenga te, bato oyo bakufa na mopanga, elobi Nkolo Yawe. »

< Ezekiela 32 >