< Ezekiela 31 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Pa tsiku loyamba la mwezi wachitatu, chaka cha khumi ndi chimodzi, Yehova anandiyankhula kuti:
2 Ry zanak’ olona, ataovy amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy amin’ ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an’ iza moa ianao amin’ ny fahalehibiazanao?
“Iwe mwana wa munthu, unene kwa Farao mfumu ya Igupto ndi gulu lake lankhondo. Awawuze kuti, “‘Kodi mu ukulu wanu ndani angafanane ndi inu?
3 Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin’ ny rahona matevina ny tendrony.
Taonani, ndidzakufanizirani ndi mtengo wa mkungudza wa ku Lebanoni, wa nthambi zokongola zochititsa mthunzi mʼnkhalango. Unali wautali, msonga zake zooneka pamwamba pa nkhalango.
4 Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin’ ny hazo rehetra any an-tsaha.
Madzi ndiwo ankawukulitsa mkungudzawo, akasupe ozama ankawutalikitsa. Mitsinje yake inkayenda mozungulira malo amene unaliwo ndipo ngalande zake zinkafika ku mitengo yonse ya mʼmunda.
5 Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan’ ny rano tamin’ ny fisandrahany.
Choncho unatalika kwambiri kupambana mitengo yonse ya mʼmunda. Nthambi zake zinachuluka ndi kutalika kwambiri, chifukwa inkalandira madzi ambiri.
6 Teo amin’ ny sampany no nanaovan’ ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin’ ny rantsany no niterahan’ ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin’ ny alokalony no nitoeran’ ny firenena malaza rehetra.
Mbalame zonse zamlengalenga zinkamanga zisa zake mʼnthambi za mtengowo. Nyama zakuthengo zonse zinkaswanirana mʼmunsi mwa nthambi zake. Mitundu yotchuka ya anthu inkakhala mu mthunzi wake.
7 Ka dia tsara tarehy tamin’ ny fahalehibiazany sy ny halavan’ ny sampany izy; Fa tany amin’ ny rano maro ny fakany.
Unali wokongola kwambiri, wa nthambi zake zotambalala, chifukwa mizu yake inazama pansi kumene kunali madzi ochuluka.
8 Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ ny sahan’ Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
Mʼmunda wa Mulungu munalibe mkungudza wofanana nawo, kapena mitengo ya payini ya nthambi zofanafana ndi nthambi zake. Munalibenso mtengo wa mkuyu nthambi zofanafana ndi zake. Mʼmunda wa Mulungu munalibe mtengo wina uliwonse wofanana ndi iwo kukongola kwake.
9 Nohatsaraiko tamin’ ny haben’ ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
Ine ndinawupanga wokongola wa nthambi zochuluka. Mitengo yonse ya mu Edeni, mʼmunda wa Mulungu inawuchitira nsanje.
10 Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin’ ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
“‘Nʼchifukwa chake Ine Ambuye Yehova ndikuti: Chifukwa kuti mtengowo unatalika kwambiri, unatulutsa songa zake mpaka ku thambo, ndipo unadzikweza chifukwa cha msinkhu wake,
11 Dia hatolotro eo an-tànan’ ilay mahery amin’ ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
ndinawupereka mʼdzanja la mfumu ya mitundu ya anthu kuti awulange molingana ndi kuyipa kwake.
12 Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin’ ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin’ ny lohasaha rehetra no nihahafan’ ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ ny ony rehetra amin’ ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin’ ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
Anthu ankhanza kwambiri amitundu ya anthu achilendo adzawudula ndi kuwusiya. Nthambi zake zidzagwera pa mapiri ndi mu zigwa zonse. Nthambi zake zidzathyokera mʼmitsinje ya mʼdzikomo. Motero mitundu yonse ya anthu a dziko lapansi amene ankasangalala mu mthunzi wake idzawusiya.
13 Mipetraka eo amin’ ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin’ ny sampany ny bibi-dia rehetra,
Mbalame zonse zamlengalenga zidzakhala pa mtengo wakugwawo, ndipo nyama zakuthengo zonse zidzakhala pa nthambi zake.
14 Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
Zidzakutero kuti pasakhalenso mitengo inanso ya mʼmbali mwa madzi yotalika kwambiri, imene idzatalike kwambiri ndi songa zake kufika mpaka ku mitambo. Komanso kuti pasadzakhalenso mitengo yolandira bwino madzi, imene idzatalika motero. Paja yonseyo kutha kwake ndi kufa, kupita ku dziko lapansi kukhala ndi anthu akufa amene analowa mʼmanda kale.
15 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nidinany ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. (Sheol h7585)
“‘Ine Ambuye Yehova ndikuti: Pa nthawi imene mkungudzawo unatsikira ku manda, ndinawuza nyanja kuti iwulire maliro pakuwuphimba. Ndinawumitsa mitsinje ndipo madzi ambiri anaphwa. Ndinabweretsa mdima pa Lebanoni chifukwa cha mtengowo ndipo mitengo yonse ya mʼdzikomo inawuma. (Sheol h7585)
16 Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany, (Sheol h7585)
Mitundu ya anthu inagwedezeka pakumva mkokomo wa kugwa kwake, pamene ndinawutsitsira ku manda pamodzi ndi iwo amene anafa. Pamenepo ku dziko la akufa mitengo yonse ya ku Edeni pamodzi ndi ya ku Lebanoni yosankhidwa bwino inasangalatsidwa chifukwa cha zimenezi. (Sheol h7585)
17 Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ho any amin’ izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin’ ny alokalony teo amin’ ny firenena. (Sheol h7585)
Amene ankakhala mu mthunzi wake, amene ankayanjana nawo, iwonso anapita nawo pamodzi ku manda, kukakhala pamodzi ndi amene anaphedwa ndi lupanga pakati pa mitundu ya anthu. (Sheol h7585)
18 Tahaka an’ iza amin’ ny hazo any Edena moa ianao amin’ izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ ny tany miaraka amin’ ny hazo any Edena ianao; Eo amin’ ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’ izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
“‘Ndi mitengo iti ya mu Edeni imene ingafanane ndi kukongola kwako ndi ulemerero wako? Komabe iwenso, udzatsikira ku dziko la anthu akufa pamodzi ndi mitengo ya mu Edeni. Udzagona pamodzi ndi anthu osachita mdulidwe, anthu amene anaphedwa pa nkhondo. “‘Mtengowo ndi Farao ndi gulu lake lankhondo, akutero Ambuye Yehova.’”

< Ezekiela 31 >