< Ezekiela 30 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Awurade asɛm baa me nkyɛn se:
2 Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
“Onipa ba, hyɛ nkɔm na ka se: ‘Sɛɛ na Otumfo Awurade se: “‘Twa adwo na ka se, “Ao da no!”
3 Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’ i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
Na da no abɛn, Awurade da no abɛn, omununkum da, amanaman no atemmu bere.
4 Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
Afoa bi bɛsɔre atia Misraim, na ahoyeraw bɛba Kus so. Sɛ apirafo totɔ wɔ Misraim a wɔbɛsoa nʼahonyade akɔ na wɔabubu ne fapem agu fam.
5 Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
Kus ne Put, Lidia ne Arabia nyinaa, Libia ne bɔhyɛ asase no so nnipa ne Misraim bɛtotɔ wɔ afoa ano.
6 Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an’ i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan’ ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
“‘Sɛɛ na Awurade se: “‘Misraim nnamfonom bɛtotɔ na nʼahomaso ahoɔden bedi no huammɔ. Efi Migdol kosi Aswan wɔbɛtotɔ wɔ afoa a ɛwɔ ne mu no ano, Otumfo Awurade asɛm ni.
7 Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.
Wɔbɛdeda mpan wɔ nsase a ada mpan mu, na wɔn nkuropɔn bebubu aka nkuropɔn a abubu ho.
8 Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
Afei wobehu sɛ mene Awurade no, bere a mede ogya ato Misraim mu na madwerɛw nʼaboafo nyinaa no.
9 Amin’ izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin’ ny andro namelezana an’ i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
“‘Saa da no, asomafo de ahyɛn befi me nkyɛn akohunahuna Kus a ne tirim yɛ no dɛ no. Ne ho bɛyeraw no wɔ Misraim atemmuda no, na ampa ara ɛbɛba mu.
10 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak’ i Egypta.
“‘Sɛɛ na Otumfo Awurade se: “‘Mede Misraim dɔm bebrebe no bɛba awiei mɛfa Babiloniahene Nebukadnessar so.
11 Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’ i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
Ɔno ne nʼasraafo; amanaman no mu anuɔdenfo, wɔde wɔn bɛba abɛsɛe asase no. Wɔbɛtwe wɔn afoa atia Misraim na wɔde afunu ahyɛ asase no so ma.
12 Hahatankina an’ i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
Mɛma Nil mu nsu ayow na matɔn asase no ama nnipa bɔne; menam ananafo so bɛsɛe asase no ne nea ɛwɔ mu nyinaa. Me Awurade na maka.
13 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ ny tany Egypta;
“‘Sɛɛ na Otumfo Awurade se: “‘Mɛsɛe ahoni no na mede Memfis nsɛsode ahorow no aba awiei. Misraim rennya mmapɔmma bio, na mɛma hu aba asase no so nyinaa.
14 Handrava an’ i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i No;
Mɛsɛe Misraim Atifi, ato Soan mu gya na matwe Tebes aso.
15 Hampidina ny fahatezerako amin’ i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
Mehwie mʼabufuwhyew agu Pɛlusum so, Misraim bammɔ dennen no, na matwa Tebes nnipa bebrebe no agu.
16 Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian’ ny fahavalo antoandro.
Mɛto Misraim mu gya; Pɛlusum de ɔyaw bebubu ne mu. Ahum bebu afa Tebes so; na Memfis bedi abooboo da biara.
17 Ny zatovon’ i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
Heliopolis ne Bubastis mmerante bɛtotɔ wɔ afoa ano, na nkuropɔn no ankasa bɛkɔ nnommum mu.
18 Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
Sum kabii beduru Tapanhes, da no sɛ mibubu Misraim konnua no a; hɔ na nʼahomaso ahoɔden bɛba awiei. Omununkum bɛkata no so, na ne nkuraa bɛkɔ nnommum mu.
19 Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’ i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Ɛno nti mɛtwe Misraim aso, na wobehu sɛ mene Awurade no.’”
20 Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Afe a ɛto so dubaako no, ɔsram a edi kan no da a ɛto so ason no, Awurade asɛm baa me nkyɛn se:
21 Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
“Onipa ba, mabu Misraimhene Farao basa mu. Wɔnkyekyeree, na atoa bio; na wɔmfa nhyɛɛ ntama bamma mu na anya ahoɔden a ɔde beso afoa mu.
22 Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
Ɛno nti, Otumfo Awurade na ose: Mene Misraimhene Farao anya; mebubu nʼabasa abien no mu; basa a eye ne nea mu abu no, na mama afoa afi ne nsam atɔ fam.
23 Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
Mede Misraimfo bɛkɔ amanaman mu na mahwete wɔn agu nsase so.
24 Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin’ i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ ny voatrabaka izy.
Mɛhyɛ Babiloniahene basa mu den na mede mʼafoa ahyɛ ne nsa, nanso Farao de, mebu nʼabasa mu, na wasi apini wɔ nʼanim sɛ obi a wapira opirabɔne.
25 Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin’ i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
Mɛma Babiloniahene abasa mu ayɛ den, nanso Farao abasa bedwudwo asensɛn ne ho. Sɛ mede mʼafoa hyɛ Babiloniahene nsa na ɔma so tia Misraim a, wobehu sɛ mene Awurade no.
26 Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Mede Misraimfo bɛkɔ amanaman mu na mahwete wɔn agu nsase no so. Ɛno na wobehu sɛ mene Awurade no.”

< Ezekiela 30 >