< Ezekiela 3 >

1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, dlana okuphambi kwakho, dlana umqulu lo; ube ususiyakhuluma kuyo indlu ka-Israyeli.”
2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
Ngakho ngavula umlomo wami, wasengipha umqulu ukuba ngiwudle.
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, dlana umqulu lo engikunika wona ugcwalise isisu sakho ngawo.” Ngakho ngawudla, njalo emlonyeni wami wawuzwakala umnandi njengoluju.
4 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, andeha mankany amin’ ny taranak’ Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
Wasesithi kimi, “Ndodana yomuntu, hamba khathesi nje endlini ka-Israyeli ukhulume amazwi ami kubo.
5 Fa tsy ho any amin’ ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin’ ny taranak’ Isiraely ihany;
Kawuthunywa ebantwini abalolimi olungaziwayo lolunzima, kodwa endlini ka-Israyeli,
6 tsy ho amin’ ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin’ ireto Aho, dia hihaino anao izy.
hatshi ebantwini abanengi abolimi olungaziwayo lolunzima, ongeke uzwe abakutshoyo. Ngeqiniso aluba kade ngikuthume kubo kade bezakulalela.
7 Fa ny taranak’ Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak’ Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
Kodwa indlu ka-Israyeli kayifuni ukukulalela ngoba kabafuni kungilalela, ngoba yonke indlu ka-Israyeli ilukhuni njalo ilenkani.
8 Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin’ ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
Kodwa lawe ngizakwenza ube lenkani lobulukhuni njengabo.
9 Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
Ngizakwenza ubuso bakho bube njengelitshe elilukhuni kulawo wonke, elilukhuni kulelitshe lomlilo. Ungabesabi kumbe bakuthuthumelise, lanxa beyindlu ehlamukayo.”
10 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin’ ny fonao, ka henoy amin’ ny sofinao.
Njalo wathi kimi, “Ndodana yomuntu, lalela kakuhle njalo uwabeke enhliziyweni wonke amazwi engiwatsho kuwe.
11 Dia mandehana mankany amin’ ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
Hamba khathesi nje ebantwini belizwe lakini abasekuthunjweni ukhulume labo. Uthi kubo, ‘Nanku okutshiwo nguThixo Wobukhosi,’ loba bezalalela kumbe bangalaleli.”
12 Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr’ i Jehovah avy amin’ ny fitoerany.
Lapho-ke uMoya wangiphakamisa, kwathi ngemva kwami ngezwa umdumo ondindizelayo sengathi yinkazimulo kaThixo eyaphakama endaweni eyayime kuyo!
13 Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan’ aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
Umdumo wezimpiko zezidalwa eziphilayo zigudlana lomdumo wamavili eceleni kwazo, umdumo wokundindizela okukhulu.
14 Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin’ ny fahavontosan’ ny fanahiko; ary ny tànan’ i Jehovah dia nahery tao amiko.
UMoya wasungiphakamisela phezulu ungisusa, njalo ngahamba ngomoya otshisekayo lokuthukuthela komoya wami lesandla esilamandla sikaThixo siphezu kwami.
15 Dia tonga tany amin’ ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin’ izay nonina teo amoron’ ny ony Kebara, teo amin’ izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
Ngafika kwababethunjiwe ababehlala eTheli Abhibhi phansi koMfula uKhebhari. Khonapho-ke, lapho ababehlala khona, ngahlala labo insuku eziyisikhombisa ngiphelelwe ngamandla.
16 Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ekupheleni kwensuku eziyisikhombisa ilizwi likaThixo lafika kimi lisithi,
17 Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
“Ndodana yomuntu, sengikwenze umlindi wendlu ka-Israyeli; ngakho zwana ilizwi engilikhulumayo ubanike isixwayiso esivela kimi.
18 Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Nxa ngisithi emuntwini omubi, ‘Wena uzakufa impela,’ wena ungamxwayisi kumbe ukhulume ukuba umyekelise izindlela zakhe ezimbi ukuze asindise ukuphila kwakhe, lowomuntu omubi uzafela izono zakhe, kuthi wena ngikubeke icala legazi lakhe.
19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ ny faharatsiany sy amin’ ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
Kodwa nxa umuntu omubi umxwayisa yena angaphenduki ebubini bakhe kumbe ezindleleni zakhe ezimbi, uzafela izono zakhe, kodwa wena uyabe uziphephisile.
20 Ary koa, raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ ny tananao ny ràny.
Njalo nxa umuntu olungileyo eguquka ekulungeni kwakhe enze okubi, mina ngibeke isikhubekiso phambi kwakhe, uzakufa. Njengoba nxa wena ungamxwayisanga, uzafela izono zakhe. Izinto ezilungileyo azenzayo kaziyikukhunjulwa, njalo wena ngizakubeka icala legazi lakhe.
21 Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
Kodwa nxa uxwayisa umuntu olungileyo ukuba angoni lakanye uyabe uziphephisile.”
22 Ary ny tànan’ i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin’ ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
Isandla sikaThixo sasiphezu kwami lapho, njalo wathi kimi, “Sukuma uye egcekeni ngizakhuluma lawe khona.”
23 Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr’ i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
Ngakho ngasukuma ngaya egcekeni. Inkazimulo kaThixo yayimi lapho, injengenkazimulo engangiyibone phansi koMfula uKhebhari, ngathi mbo phansi ngobuso.
24 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin’ ny tranonao ianao.
Lapho-ke uMoya wangena kimi wangimisa ngezinyawo zami. Wakhuluma wathi kimi, “Hamba uyezivalela endlini yakho.
25 Fa ianao, ry zanak’ olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
Njalo, wena ndodana yomuntu, bazakubopha ngemichilo; uzabotshwa ukuze ungayi phandle ebantwini.
26 Ary hampiraiketiko amin’ ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
Ngizakwenza ulimi lwakho lunamathele elwangeni lomlomo wakho ukuze uthule unganelisi ukubakhuza lanxa beyindlu ehlamukayo.
27 Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
Kodwa nxa sengikhuluma lawe ngizavula umlomo wakho, njalo uzakuthi kubo, ‘Nanku okutshiwo nguThixo Wobukhosi.’ Loba ngubani ozalalela myekele alalele, njalo loba ngubani ozakwala myekele ale; ngoba bayindlu ehlamukayo.”

< Ezekiela 3 >