< Ezekiela 29 >

1 Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
I KA umi o ka makahiki, i ka umi o ka malama, i ka la umikumamalua o ka malama, hiki mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
2 Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.
E ke keiki a ke kanaka, e kau e aku oe i kou maka ia Parao, i ke alii o Aigupita, a e wanana ku e ia ia, a me Aigupita a pau.
3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.
E olelo aku oe, e i aku, Ke i mai nei Iehova ka Haku, Eia hoi, ke ku e nei au ia oe, e Parao, ke alii o Aigupita, ka moo nui e moe ana iwaena o kona mau muliwai, ka mea i olelo, No'u no kuu muliwai, na'u no ia i hana no'u.
4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.
E hookomo aku au i na kilou iloko o kou mau a, a e hoopili aku au i na ia o kou mau muliwai i kou mau unahi; a e lawe mai au ia oe mai waenakonu mai o kou mau muliwai, a me na ia a pau o kou mau muliwai e pili ana i kou mau unahi.
5 Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
A e waiho aku au ia oe iloko o ka waonahele, ia oe, a me na ia a pau o ko'u mau muliwai, a e haule oe ma ka aina mawaho; aole oe e hoakoakoaia, aole hoi e houluuluia; ua haawi aku au ia oe i ai na na holoholona o ke kula, a me na manu o ka lewa.
6 dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.
A e ike no ka poe a pau e noho ana ma Aigupita owau no Iehova, no ka mea, ua lilo lakou i kookoo ohe i ka ohana a Iseraela.
7 (Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)
A i ko lakou lalau ana ia oe ma kou lima, ua uhai oe, ua wawahi hoi i ko lakou poohiwi a pau; a i ko lakou hilinai ana maluna ou, ua haki oe, a haalulu ko lakou puhaka okoa.
8 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
Nolaila, ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; E lawe mai au i ka pahikaua maluna ou, a e oki aku i kanaka a me ka holoholona mai ou aku nei;
9 Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
A e neoneo aku ka aina o Aigupita e noho ole ia, a e ike lakou owau no Iehova; no ka mea, ua olelo oia, No'u no ka muliwai, a na'u no ia i hana.
10 Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin’ ny sisin’ i Etiopia.
Nolaila, ea, ke ku e nei au ia oe, a i kou muliwai; a e hooneoneo loa au i ka aina Aigupita e noho ole ia, mai ka palena o Seena a hiki i ka palena o Aitiopa.
11 Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
Aole wawae kanaka e hele mawaena ona, aole wawae holoholona e hele mawaena ona, aole hoi e nohoia a kanaha na makahiki.
12 Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
A e haawi au i ka aina Aigupita i neoneo, iwaena o na aina neo-neo, a o kona mau kulanakauhale iwaena o na kulanakauhale i hooneoneoia, e neoneo no i na makahiki he kanaha: a e hoopuehu au i ko Aigupita iwaena o na lahuikanaka, a e lulu aku au ia lakou iwaena o na aina.
13 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin’ ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
A ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; I ka pau ana o na makahiki he kanaha, e houluulu mai au i ko Aigupita, mai loko mai o na lahuikanaka kahi i puehuia lakou.
14 Ary haveriko avy amin’ ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin’ ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
E hoihoi mai hoi au i ke pio ana o Aigupita, a e hoihoi mai au ia lakou e komo i ka aina o Paterosa a i ko lakou aina e noho ai; e noho lakou ilaila he aupuni haa-haa.
15 Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
E lilo ia i haahaa loa iwaena o na aupuni, aole ia e hookiekie hou iluna o na lahuikanaka; no ka mea, e hoemi au ia lakou, aole hoi lakou e hooalii ae maluna o ko na aina.
16 Dia tsy ho tokin’ ny taranak’ Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin’ ny andehanan’ ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
Aole loa aku ia he mea hilinai no ka ohana a Iseraela, ka mea i paipai i ka manao i ko lakou hewa, i ka wa e nana ai lakou ia lakou; aka, e ike no lakou, owau no Iehova ka Haku.
17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Eia keia, i ka iwakaluakumamahiku o na makahiki, i ka malama mua, i ka la mua o ka malama, hiki mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
18 Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.
E ke keiki a ke kanaka, ua hooluhi o Nebukaneza, ke alii o Babulona i kona poe koa e hana i ka hana nui ku e ia Turo; ua hooohuleia na poo a pau, a ua poholeia na poohiwi a pau; aole hoi ona uku, aole hoi o kona poe kaua, no Turo, no ka hana, ana i hana ku e aku ai ia ia.
19 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, homeko an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ ny miaramilany.
Nolaila, ke i mai nei Iehova ka Haku, Aia hoi, e haawi aku au i ka aina Aigupita iloko o ka lima o Nebukaneza ke alii o Babulona; a e lawe oia i kona lehulehu, a e lawe hoi oia i kona waiwai pio, a e lawe hoi i kona waiwai kaili; a e lilo ia i uku no kona poe kaua.
20 Ho valin’ ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
No kana hana, aua i hana ku e aku ai ia ia, ua haawi aku au i ka aina Aigupita ia ia, no ka mea, ua hana lakou no'u, wahi a Iehova ka Haku.
21 Amin’ izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ ny taranak’ Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Ia la no e hooopuu ae au i ka pepeiaohao o ka ohana a Iseraela, a e haawi aku au ia oe i ka oaka ana o ka waha iwaenakonu o lakou; a e ike lakou owau no Iehova.

< Ezekiela 29 >