< Ezekiela 26 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny volana tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ Jehovah nanao hoe: zananivavy.
Mwaka wa kumi na moja, siku ya kwanza ya mwezi, neno la Bwana likanijia kusema:
2 Ry zanak’ olona, noho ny nandatsan’ i Tyro an’ i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin’ ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
“Mwanadamu, kwa sababu Tiro amesema kuhusu Yerusalemu, ‘Aha! Lango la kwenda kwa mataifa limevunjika, nayo milango yake iko wazi mbele yangu, sasa kwa kuwa amekuwa magofu nitastawi.’
3 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
Kwa hiyo hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Mimi niko kinyume na wewe, ee Tiro, nami nitaleta mataifa mengi dhidi yako, kama bahari inayovurumisha mawimbi yake.
4 Ary horavan’ ireo ny mandan’ i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
Watavunja kuta za Tiro na kuibomoa minara yake, nitakwangua udongo wake na kuufanya mwamba mtupu.
5 Ho famelarana harato eo amin’ ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon’ ny-firenena izy.
Itakuwa huko katikati ya bahari patakuwa mahali pa kutandaza nyavu za kuvulia samaki, kwa maana nimenena, asema Bwana Mwenyezi. Atakuwa nyara kwa mataifa,
6 Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin’ ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
nayo makao yake huko bara yataangamizwa kwa upanga. Ndipo watakapojua kwamba Mimi ndimi Bwana.
7 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, andrianan’ ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
“Kwa maana hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Kutoka kaskazini nitamleta dhidi ya Tiro Mfalme Nebukadneza wa Babeli, mfalme wa wafalme, akiwa na farasi na magari ya vita, wapanda farasi na jeshi kubwa.
8 Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin’ ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
Atayaharibu makao yako huko bara kwa upanga, ataweka jeshi kukuzingira, atakuzingira mpaka kwenye kuta za ngome zako na kuinua ngao zake dhidi yako.
9 Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny mandanao izy, sady horavany amin’ ny fiadiany ny tilikambonao.
Ataelekeza mapigo ya vyombo vyake vya kubomolea dhidi ya kuta zako na kubomoa minara yako kwa silaha zake.
10 Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ ny tanàna izay voabanga izy.
Farasi zake zitakuwa nyingi sana kiasi kwamba utafunikwa na mavumbi watakayotimua. Kuta zako zitatikisika kwa mshindo wa farasi wa vita, magari makubwa na magari ya vita wakati aingiapo malango yako kama watu waingiao mji ambao kuta zake zimebomolewa kote.
11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ ny tany.
“Kwato za farasi zake zitakanyaga barabara zako zote, atawaua watu wako kwa upanga na nguzo zako zilizo imara zitaanguka chini.
12 Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ ny rano.
Watateka utajiri wako na kuchukua nyara bidhaa zako, watazivunja kuta zako na kuzibomoa nyumba zako nzuri, watatupa baharini mawe yako, mbao zako na kifusi chako.
13 Ary hatsahatro ny feon’ ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ ny lokanganao.
Nitakomesha kelele za nyimbo zako, na uimbaji wako wa kinubi kamwe hautasikika tena.
14 Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
Nitakufanya mwamba mtupu, nawe utakuwa mahali pa kutandazia nyavu za kuvulia samaki. Kamwe hutajengwa tena, kwa maana Mimi Bwana nimenena, asema Bwana Mwenyezi.
15 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
“Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo kwa Tiro: ‘Je, nchi za pwani hazitatetemeka kwa kishindo cha anguko lako, wakati majeruhi wanapolia kwa maumivu makali na wakati mauaji yanaendelea ndani yako?
16 Dia hidina hiala amin’ ny seza fiandrianany ireo andrianan’ ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin’ ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
Ndipo wakuu wote wa mataifa ya pwani watashuka kutoka kwenye viti vyao vya enzi na kuweka kando majoho yao na kuvua nguo zao zilizotariziwa. Wakiwa wamevikwa hofu kuu, wataketi chini ardhini, wakiwa wanatetemeka kila dakika na wakikustajabia.
17 Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ ny ranomasina, dia izy mbamin’ ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
Ndipo wao watakuombolezea na kukuambia: “‘Tazama jinsi ulivyoharibiwa, ee mji uliokuwa na sifa, wewe uliyekaliwa na mabaharia! Ulikuwa na nguvu kwenye bahari, wewe na watu wako; wote walioishi huko, uliwatia hofu kuu.
18 Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin’ ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
Sasa nchi za pwani zinatetemeka katika siku ya anguko lako; visiwa vilivyomo baharini vinaogopa kwa kuporomoka kwako.’
19 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan’ ny rano be ianao,
“Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Nitakapokufanya uwe mji wa ukiwa, kama miji isiyokaliwa tena na watu, nitakapoleta vilindi vya bahari juu yako na maji yake makuu yatakapokufunika,
20 Dia hampidiniko hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ ny tany ianao, dia any amin’ ny fonenana efa lao hatramin’ ny ela, hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ ny velona;
ndipo nitakapokushusha chini pamoja na wale washukao shimoni, kwa watu wa kale, nami nitakufanya uishi katika pande za chini za nchi kama katika magofu ya kale, pamoja na wale washukao shimoni, nawe hutarudi au kurejea kwenye makao yako katika nchi ya walio hai.
21 Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
Nitakufikisha mwisho wa kutisha wala hutakuwepo tena. Watu watakutafuta, lakini kamwe hutaonekana tena, asema Bwana Mwenyezi.”

< Ezekiela 26 >