< Ezekiela 25 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Yehova anandiyankhula kuti:
2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
“Iwe mwana wa munthu, tembenukira anthu a ku Amoni ndipo unenere mowadzudzula.
3 ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masìna, Ary noravana ny tanin’ ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak’ i Joda,
Awawuze kuti, ‘Inu anthu a ku Amoni, imvani zimene Ambuye Yehova akunena. Iye akuti: Inu munanena mawu onyoza pamene Nyumba yanga yopatulika inkayipitsidwa. Munanyozanso dziko la Israeli pamene linaguga ndiponso anthu a ku Yuda pamene anatengedwa ukapolo.
4 Dia indro kosa, hatolotro ho fananan’ ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
Nʼchifukwa chake Ine ndidzakuperekani mʼmanja mwa anthu akummawa ngati cholowa chawo. Iwo adzamanga misasa yawo ndi kukhoma matenti awo pakati panu. Adzadya zipatso zanu ndi kumwa mkaka wanu.
5 Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Ndidzasandutsa Raba kuti akhale busa la ngamira ndi mizinda ya Aamoni kuti ikhale makola a nkhosa. Pamenepo inu mudzadziwa kuti Ine ndine Yehova.
6 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely,
Zimene ndikunena Ine Ambuye Yehova ndi izi: Inu munawomba mʼmanja ndi kumalumphalumpha. Munkakondwa mu mtima mwanu pamene munkanyoza dziko la Israeli.
7 Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Nʼchifukwa chake ndidzatambasula dzanja langa kuti ndikulangeni, ndipo ndidzakuperekani kuti mukhale chofunkha cha anthu a mitundu ina. Ndidzakuchotsani pakati pa anthu a mitundu ina ndi kukufafanizani mʼmayiko onse. Ndidzakuwonongani, ndipo inu mudzadziwa kuti Ine ndine Yehova!’”
8 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
“Ambuye Yehova akuti, ‘Anthu a ku Mowabu ndi a ku Seiri ananena kuti anthu a ku Yuda ali ngati mayiko ena onse.’
9 Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ ny Moaba, hatrany amin’ ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
Nʼchifukwa chake ndidzagumula mbali ina ya Mowabu, kuyambira ku mizinda yake ya kumalire; mizinda yokongola ya Beti-Yesimoti, Baala-Meoni ndi Kiriataimu.
10 Ho an’ ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak’ i Amona’ ihany, eny, hatolotro ho fananan’ ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin’ ny firenena intsony ny taranak’ i Amona.
Ndidzapereka Amowabu pamodzi ndi Aamoni mʼmanja mwa anthu akummawa kotero kuti Aamoni adzayiwalikiratu pakati pa anthu a mitundu ina.
11 Ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Ndidzawalangadi Amowabuwo. Pamenepo iwo adzadziwa kuti Ine ndine Yehova.”
12 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan’ i Edoma ny taranak’ i Joda tamin’ ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
“Ambuye Yehova akuti, ‘Pakuti Edomu analipsira Ayuda, ndiye kuti analakwa kwambiri pochita zimenezi.
13 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin’ i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ ny sabatra hatrany Dedana.
Nʼchifukwa chake Ine Ambuye Yehova ndikuti: Ndidzatambasula dzanja langa kulanga Edomu ndi kupha anthu ake ndiponso nyama zawo. Ndidzawonongeratu Edomu ndipo adzaphedwa ndi lupanga kuchokera ku Temani mpaka ku Dedani.
14 Ary ny tanan’ ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’ i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
Ndidzalanga Edomu ndi dzanja la anthu anga Aisraeli. Adzalanga anthu a ku Edomu molingana ndi mkwiyo ndi ukali wanga. Choncho adzaona kulipsira kwanga akutero Ambuye Yehova.’”
15 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon’ ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin’ ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
“Ambuye Yehova akuti, ‘Afilisti analanga anthu anga mwankhanza ndi kuwalipsira.
16 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin’ ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
Nʼchifukwa chake Ine Ambuye Yehova ndikuti: Ndidzatambasula dzanja langa kukantha Afilistiwo. Ndidzafafaniza Akereti ndi kuwononga iwo amene amakhala mʼmbali mwa nyanja.
17 Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
Ndidzawabwezera chilango choopsa ndipo ndidzawalanga mu mkwiyo wanga. Ndikadzawalipsira ndipo adzadziwa kuti Ine ndine Yehova.’”