< Ezekiela 24 >

1 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Mwaka-inĩ wa kenda, mũthenya wa ikũmi wa mweri wa ikũmi, kiugo kĩa Jehova nĩkĩanginyĩrĩire, ngĩĩrwo atĩrĩ:
2 Ry zanak’ olona, soratinao ny anaran’ ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’ i Babylona miantomboka mamely an’ i Jerosalema amin’ izao andro anio izao.
“Mũrũ wa mũndũ, andĩka mũthenya wa ũmũthĩ nĩ tarĩki ciigana, o ũyũ wa ũmũthĩ, tondũ mũthenya ũyũ wa ũmũthĩ mũthamaki wa Babuloni nĩarigiicĩirie Jerusalemu.
3 Ary milazà fanoharana amin’ ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
Arĩria andũ aya a nyũmba ĩno nemi na ngerekano, ũmeere atĩrĩ, ‘Mwathani Jehova ekuuga atĩrĩ: “‘Hagĩra nyũngũ ya kũruga; mĩhagĩre na ũmĩitĩrĩre maaĩ.
4 ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
Ĩkĩra icunjĩ cia nyama thĩinĩ wayo, icunjĩ ciothe iria njega, ta cia kũgũrũ na guoko. Mĩiyũrie na mahĩndĩ marĩa mega mũno;
5 Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.
oya nyamũ ĩrĩa njega mũno rũũru-inĩ. Igĩrĩra ngũ rungu rwayo nĩ ũndũ wa mahĩndĩ; reke ĩtherũke, namo mahĩndĩ mahĩĩre o kũu thĩinĩ wayo.
6 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
“‘Nĩgũkorwo Mwathani Jehova ekuuga atĩrĩ: “‘Kaĩ itũũra rĩu inene rĩitithagia thakame rĩrĩ na haro-ĩ, o na nyũngũ ĩyo ĩrĩ na mũcura, ĩrĩa gĩkũrĩ kĩayo gĩtangĩthira! Mĩonorie kĩrungʼo, o kĩrungʼo, itegũcuukĩrwo mĩtĩ.
7 Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ ny tany hosaronan’ ny vovoka izy.
“‘Nĩgũkorwo thakame ĩrĩa rĩitithĩtie ĩrĩ o thĩinĩ warĩo: Rĩamĩitire o kũu rwaro-inĩ rwa ihiga itheri; rĩtiamĩitire tĩĩri-inĩ, harĩa rũkũngũ rũngĩamĩthikire.
8 Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
Nĩgeetha njarahũre mangʼũrĩ na ndĩĩrĩhĩrie-rĩ, ndaitire thakame yarĩo rwaro-inĩ rwa ihiga itheri, nĩguo ndĩgathikwo.
9 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
“‘Nĩ ũndũ ũcio, ũũ nĩguo Mwathani Jehova ekuuga: “‘Kaĩ itũũra rĩu inene rĩitithagia thakame rĩrĩ na haaro-ĩ! O na niĩ nĩngacookanĩrĩria ngũ hĩba ndaaya na igũrũ.
10 Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.
Nĩ ũndũ ũcio iganĩrĩra ngũ, na wakie mwaki. Ruga nyama icio wega, na ũtukanie na indo cia gũcamia wega; namo mahĩndĩ ũreke macure.
11 Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin’ ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
Ningĩ ũhagĩre nyũngũ ĩyo theri makara-inĩ, nginya ĩhiũhe na gĩcango kĩayo gĩtunĩhe, nĩguo gĩko kĩayo gĩtweke, na gĩkũrĩ kĩayo gĩcinwo, gĩthire.
12 Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin’ ny afo ny harafesiny.
Nĩkĩremete njĩra ciothe; gĩkũrĩ kĩu kĩayo ti kĩrute, o na gĩacinwo na mwaki.
13 Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin’ ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
“‘Rĩu-rĩ, gĩko gĩaku nĩ ũũra-thoni. Tondũ ngeretie gũgũtheria, no wee ndũngĩthera gĩko gĩaku, wee ndũngĩthera rĩngĩ nginya mangʼũrĩ makwa ma gũgũũkĩrĩra makahũahũa.
14 Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
“‘Niĩ Jehova nĩnjarĩtie. Ihinda nĩikinyu njĩke ũndũ. Ndikerigĩrĩria; na ndikaiguanĩra tha kana ndĩĩricũkwo. Ũgaatuĩrwo ciira kũringana na mĩtugo yaku, na ciĩko ciaku, ũguo nĩguo Mwathani Jehova ekuuga.’”
15 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Kiugo kĩa Jehova nĩkĩanginyĩrĩire, ngĩĩrwo atĩrĩ:
16 Ry zanak’ olona, indro, efa hesoriko amin’ ny loza indray mamely monja ilay tian’ ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
“Mũrũ wa mũndũ, atĩrĩ, ndĩ hakuhĩ gũkwehereria kĩrĩa gĩkenagia maitho maku mũno na igũtha o rĩmwe. No rĩrĩ, ndũgacakae kana ũrĩre, o na kana ũite maithori.
17 Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona.
Caaya ũkirĩte; tiga kũrĩrĩra ũcio ũkuĩte. Ikara wĩohete kĩremba mũtwe na wĩkĩrĩte iraatũ magũrũ; ndũkehumbĩre kanua kana ũrĩe irio cia mũtugo wa hĩndĩ ya macakaya.”
18 Ary nony maraina dia niteny tamin’ ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
Nĩ ũndũ ũcio ngĩrooka kwarĩria andũ rũciinĩ, na hwaĩ-inĩ ũcio mũtumia wakwa agĩkua. Rũciinĩ rũrũ rũngĩ ngĩĩka o ta ũrĩa ndaathĩtwo njĩke.
19 Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’ izao ataonao izao?
Nao andũ acio makĩnjũũria atĩrĩ, “Kaĩ ũtangĩtwĩra ũhoro wa maũndũ maya na ũrĩa matũkoniĩ?”
20 Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Nĩ ũndũ ũcio ngĩmeera atĩrĩ, “Kiugo kĩa Jehova nĩkĩanginyĩrĩire, ngĩĩrwo atĩrĩ:
21 Lazao amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masìna, izay reharehan’ ny herinareo, dia ilay tian’ ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
Ĩra andũ a nyũmba ya Isiraeli atĩrĩ, ‘Ũũ nĩguo Mwathani Jehova ekuuga: Ngirie gũthaahia handũ-hakwa-harĩa-haamũre, hau gĩikaro kĩa hinya kĩrĩa mwĩtĩĩaga nakĩo, o kĩu gĩkenagia maitho manyu, kĩrĩa mwendete. Ariũ na aarĩ anyu arĩa mwatigire na thuutha makaaniinwo na rũhiũ rwa njora.
22 Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona;
Na inyuĩ nĩmũgeeka o ta ũguo niĩ njĩkĩte. Mũtikehumbĩra kanua kana mũrĩe irio cia mũtugo wa hĩndĩ ya macakaya.
23 ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
Nĩmũgaikara mwĩohete iremba mĩtwe na mwĩkĩrĩte iraatũ magũrũ. Mũtigacakaya kana mũrĩre, no nĩmũkahwererekera tondũ wa mehia manyu na mũcaayage thĩinĩ wanyu.
24 Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Ezekieli agaatuĩka rũũri harĩ inyuĩ; mũgeeka o ta ũguo we ekĩte. Hĩndĩ ĩrĩa maũndũ macio mageekĩka-rĩ, nĩrĩo mũkaamenya atĩ niĩ nĩ niĩ Mwathani Jehova.’
25 Ary ianao, ry zanak’ olona, amin’ ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian’ ny voninahiny, ilay tian’ ny masony sy ilay tian’ ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
“Nawe mũrũ wa mũndũ, mũthenya ũrĩa ngeeheria gĩikaro kĩao kĩa hinya, gĩkeno kĩao na riiri wao, na kĩndũ kĩrĩa gĩkenagia maitho mao, na wendi wa ngoro ciao, na aanake na airĩtu ao o nao,
26 eny, amin’ izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
mũthenya ũcio mũndũ ũũrĩte kwao nĩagakũrehera ũhoro.
27 amin’ izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ ny an’ ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Hĩndĩ ĩyo kanua gaku nĩgagatumũka; nĩũkaria nake, na ndũgacooka gũkira. Nĩ ũndũ ũcio wee ũgaatuĩka rũũri harĩo, nao nĩmakamenya atĩ niĩ nĩ niĩ Jehova.”

< Ezekiela 24 >