< Ezekiela 22 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
HIKI mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
2 Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
Ano hoi, e ke keiki a ke kanaka, e hoohewa anei oe, e hoohewa oe i ke kulanakauhale koko? Oia, e hoike no oe ia ia i kona mau mea a pau i inainaia.
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
E olelo aku oe, Ke i mai nei Iehova ka Huku, penei; Ke hookahe nei ke kulanakauhale i ke koko iwaenakonu ona, i hiki mai kona manawa, a ua hana oia i na akua kii e ku e ia ia iho, e hoohaumia ia ia iho.
4 Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,
I ke koko au i hookahe ai, ua hewa oe, a ma na akua kii au i hana'i, ua hoohaumia oe ia oe iho; a ua hookokoke no oe i kou mau la, a ua hiki mai hoi i kou mau makahiki; nolaila i hoolilo aku ai au ia oe i mea e hoinoia e na lahuikanaka, a i mea e henehene ai ko na aina a pau.
5 ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
O ka poe kokoke mai a me ka poe mamao aku ia oe, e henehene no lakou ia oe ka mea inoa haumia, a ua hoouluhua nui ia.
6 Indreo ny lehiben’ ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
Eia hoi, o na'lii o ka Iseraela, kela mea keia mea iloko ou ma ka hookahe koko lakou me ko lakou ikaika.
7 Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
O ka makuakane a me ka makuwahine ka lakou i hoowahawaha ai iloko ou; ma ka hooluhihewa i hana aku ai lakou i ka malihini iloko ou; a maloko ou i hoopilikia ai lakou i na mea makua ole a me na wahine kanemake.
8 Hamavoinao ny zavatra masìna, ary lotoinao ny Sabatako.
Ua hoowahawaha oe i ko'u mau mea hoano, a ua hoohaumia hoi oe i ko'u mau Sabati.
9 Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
Maloko ou na kanaka holoholo olelo e hookahe i ke koko; ua ai hoi lakou maluna o na mauna iloko ou; a iwaenakonu ou ua hana lakou ma ka moe kolohe.
10 Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
Maloko ou, ua wehe lakou i kahi huna o ko lakou makuakane; a maloko ou ua hoohaahaa lakou i ka wahine i hookaawaleia'e no ka heekoko.
11 Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
Ua hana kekahi i ka mea inainaia me ka wahine a kona hoalauna, a ua hoohaumia kekahi i kana hunona wahine ma ka moo kolohe; a ua hoohaahaa kekahi iloko ou i kona kaikuwahine, he kaikamahine a kona makuakane.
12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
Maloko ou ua lawe lakou i na kipe e hookahe i ke koko; ua lawe oe i ke kuala a me ka uku panee, a ua loaa ia oe me ka makee, o ka kou mau hoalauna, ma ka hooluhihewa, a ua hoopoina mai ia'u, wahi a Iehova ka Haku.
13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
Nolaila ea, ua pai au i kuu mau lima i kou waiwai alunu i loaa ia oe, a me kou koko i hookaheia iwaenakonu ou.
14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin’ ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
E hiki anei i kou naau ke hoomanawanui, a e ikaika anei kou mau lima i na la e lalau aku ai au ia oe? Na'u na Iehova i olelo, a na'u no ia o hana.
15 Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
E lulu aku au ia oe iwaena o na lahuikanaka, a e hooleilei aku ia oe iwaena o na aina, a e hoopau aku i kou haumia mailoko aku ou.
16 Ary dia ho hitan’ ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
A e lawe oe i kou hooilina iloko ou iho, imua i ke alo o na lahuikanaka, a e ike oe owau no Iehova.
17 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah anao hoe:
Hiki mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
18 Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
E ke keiki a ke kanaka, ua lilo ka ohana a Iseraela i lepo ia'u nei; o lakou a pau he keleawe, he piuta, he hao, a he kepaupoka, iloko o ka umu hoohehee; he lepo no hoi o ke kala.
19 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
Nolaila, wahi a Iehova ka Haku; no ka lilo ana o oukou a pau i lepo, nolaila, ea, e hoakoakoa au ia oukou iwaenakonu o Ierusalema;
20 Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ ny memy ka misy mifofotra azy amin’ ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
E like me ko lakou houluulu ana i ke kala, a me ke keleawe, a me ka hao, a me ke kepaupoka a me ka piuta iwaenakonu o ka umu hoohehee, e puhi i ke ahi maluna olaila, e hoohehee iho; pela e houluulu ai au, me ko'u huhu a me ko'u ukiuki, a e waiho iho, a e hoohehee ia oukou.
21 eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ ny afon’ ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
Oia, e houluulu au ia oukou, a e puhi maluna o oukou iloko o ke ahi o ko'u ukiuki, a pau oukou i ka hooheheeia iwaenakonu ona.
22 Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin’ ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
Me he kala la i hooheheeia iwaena konu o ka umu hoohehee, pela oukou e hooheheeia'i iloko ona; a e ike oukou ua ninini aku au i ko'u huhu, maluna o oukou.
23 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Hiki mai la hoi ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
24 Ry zanak’ olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain’ ny hainandro sady tsy ilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro fahatezerana.
E ke keiki a ke kanaka, e olelo aku oe ia ia, O oe no ka aina i waele ole ia, a i ua ole ia i ka la i huhu ai.
25 Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
He ohumu kipi o kona mau kaula iwaenakonu ona, e like me ka liona e uwo ana, e haehae ana i ka mea pio; ua ai lakou i na uhane, ua lawe lakou i ke kala, a me na mea makamae; a ua hoonui lakou nona i na wahinekanemake iwaena konu ona.
26 Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masìna; tsy manavaka ny masìna sy ny tsy masìna izy, na mampiseho ny tsi-fitovian’ ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
Ua hana ino kona mau kahuna pule i kuu kanawai, a ua hoohaumia lakou i kuu mea hoano; aole lakou i hookaawale iwaena o na mea hoano a me na mea haumia, aole hoi i hoakaka lakou iwaena o ka mea maemae a me ka mea maemae ole, ua huna hoi lakou i ko lakou mau maka i ko'u mau Sabati, a ua hoohaumiaia wau iwaena o lakou.
27 Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
O kona mau alii, iwaenakonu ona, ua like me na ilio hihiu hae e haehae ana i ka mea pio, e hookahe i ke koko, a e luku hoi i na uhane e loaa ia lakou ka waiwai alunu.
28 Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
Ua hamo aku kona mau kaula ia lakou me ka puna ikaika ole, e nana ana i ka mea lapuwale, a e wanana ana i na mea wahahee no lakou, e olelo ana, Ke i mai nei Iehova ka Haku penei, aole nae i olelo Iehova.
29 Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
Ua hooluhihewa na kanaka o ka aina, a kaili wale i ka mea kaili, ua hookaumaha lakou i ka mea haahaa, a me ka mea nele; oia, ua hookaumaha lakou i ka malihini ma ka pono ole.
30 Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ ny banga eo anatrehako hifona ho an’ ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
Imi aku la au i kahi kanaka iwaena o lakou e hana hou i ka pa, a e ku ma kahi naha imua o ko'u alo no ka aina, i ole au e luku aku ia ia; aole hoi i loaa ia'u.
31 koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.
Nolaila ninini aku la au i ko'u ukiuki maluna o lakou, ua hoopau au ia lakou me ke ahi o ko'u huhu; o ko lakou aoao ponoi ka'u i hoopai aku ai maluna o ko lakou mau poo, wahi a Iehova ka Haku.

< Ezekiela 22 >