< Ezekiela 19 >

1 Ary manaova hira fahalahelovana ny amin’ ireo andrianan’ ny Isiraely ianao,
“Imba nyimbo ya madandawulo, kuyimbira akalonga a ku Israeli.
2 ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin’ ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin’ ny liona tanora?
Uzinena kuti, “‘Amayi ako anali ndani? Anali ngati mkango waukazi! Iwo unabwatama pakati pa mikango yayimuna; unkalera ana ake pakati pa misona.
3 Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
Unalera mmodzi mwa ana ake, ndipo mwanayo anasanduka mkango wamphamvu. Unaphunzira kugwira nyama, ndipo unayamba kudya anthu.
4 Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ ny tany Egypta izy.
Anthu amitundu anamva za mkangowo, ndipo tsiku lina unagwa mʼmbuna mwawo. Iwo anawukoka ndi ngowe kupita nawo ku dziko la Igupto.
5 Ary nony hitan’ ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
“‘Amayi aja ataona kuti mwana ankamukhulupirira uja wagwidwa ndi kuti chiyembekezo chake chapita padera, amayiwo anatenganso mwana wina namusandutsa mkango wamphamvu.
6 Ary nivoivoy teny amin’ ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
Unkayendayenda pakati pa mikango inzake, pakuti tsopano unali mkango wamphamvu. Unaphunzira kugwira nyama ndipo unayamba kudya anthu.
7 Ary nisavika ny mpitondratenan’ ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin’ izay rehetra tao aminy. Noho ny feon’ ny fierony.
Unagwetsa malinga awo, ndikuwononga mizinda yawo. Onse a mʼdzikomo anachita mantha chifukwa cha kubangula kwake.
8 Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin’ ny lavaka izy.
Pamenepo mitundu ya anthu, makamaka ochokera madera ozungulira, inabwera kudzalimbana nawo. Anawutchera ukonde wawo, ndipo tsiku lina unagwera mʼmbuna mwawo.
9 Ary nataony tamin’ ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
Anawukoka ndi ngowe nawuponya mʼchitatanga. Anabwera nawo kwa mfumu ya ku Babuloni ndipo mfumuyo inawuponya mʼndende ndi cholinga choti liwu lake lisamamvekenso ku mapiri a Israeli.
10 Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin’ ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon’ ny rano be,
“‘Amayi ako anali ngati mpesa mʼmunda wamphesa wodzalidwa mʼmbali mwa madzi. Unabereka bwino ndipo unali ndi nthambi zambiri chifukwa cha kuchuluka kwa madzi.
11 Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’ izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ ny rahona matevina, ary niseho tamin’ ny hahavony izy noho ny hamaroan’ ny rantsany.
Nthambi zake zinali zolimba, zoyenera kupangira ndodo yaufumu. Unatalika nusomphoka pakati pa zomera zina. Unkaoneka bwino chifukwa cha kutalika kwake, ndi nthambi zake zambiri.
12 Nefa nongotana tamin’ ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon’ ny afo ireny.
Koma unazulidwa mwaukali ndipo unagwetsedwa pansi. Unawuma ndi mphepo ya kummawa, zipatso zake zinayoyoka; nthambi zake zolimba zinafota ndipo moto unapsereza mtengo wonse.
13 Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin’ ny tany maina karankaina izy.
Ndipo tsopano anawuwokeranso ku chipululu, dziko lowuma ndi lopanda madzi.
14 Ary afo no mivoaka avy amin’ ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
Moto unatulukanso mu mtengomo ndi kupsereza nthambi ndi zipatso zake. Palibe nthambi yolimba inatsala pa mtengowo yoyenera kupangira ndodo yaufumu. Imeneyi ndi nyimbo yachisoni ndipo yasanduka nyimbo ya pa maliro.’”

< Ezekiela 19 >