< Ezekiela 18 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Yehova anandiyankhula nati:
2 Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?
“Kodi anthu inu mumatanthauza chiyani mukamabwerezabwereza kunena mwambi uwu wokhudza dziko la Israeli kuti: “‘Nkhuyu zodya akulu zimapota ndi ana omwe?’”
3 Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin’ ny Isiraely intsony.
“Ndithu pali Ine wamoyo, akutero Ambuye Yehova, simudzanenanso mwambi umenewu mu Israeli.
4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
Pakuti moyo uliwonse ndi wanga. Moyo wa abambo ndi wanga, wamwananso ndi wanga. Munthu wochimwa ndi amene adzafe.
5 Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
“Tiyerekeze kuti pali munthu wolungama amene amachita zolungama ndi zolondola.
6 fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,
Iye sadyera nawo pa mapiri a chipembedzo kapena kupembedza mafano a Aisraeli. Iye sayipitsa mkazi wa mnzake kapena kugonana ndi mkazi pamene akusamba.
7 na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
Iye sapondereza munthu wina aliyense, koma amabwezera wangongole nʼchigwiriro chake. Iye salanda zinthu za osauka, koma amapereka chakudya kwa anthu anjala, ndipo amapereka zovala kwa anthu ausiwa.
8 tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin’ ny miady,
Iye sakongoletsa ndalama mwa katapira, kapena kulandira chiwongoladzanja chachikulu. Amadziletsa kuchita zoyipa ndipo sakondera poweruza milandu.
9 ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
Iye amatsatira malangizo anga, ndipo amasunga malamulo anga mokhulupirika. Munthu ameneyo ndi wolungama; iye adzakhala ndithu ndi moyo, akutero Ambuye Yehova.
10 Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny
“Tiyerekeze kuti munthu wolungama chotere wabala mwana chimbalangondo amene amakhalira kupha anthu ndi kuchita zinthu zina zotere.
11 (nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ ny namany,
Iye nʼkumachita zinthu zimene ngakhale abambo ake sanachitepo. “Amadyera nawo ku mapiri achipembedzo. Amayipitsa mkazi wa mnzake.
12 na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
Iye amapondereza munthu wosauka ndi wosowa. Amalanda zinthu za osauka. Sabweza chikole cha munthu wa ngongole. Iye amatembenukira ku mafano nachita zonyansa.
13 na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
Iye amakongoletsa mwa katapira ndipo amalandira chiwongoladzanja chachikulu. Kodi munthu wotereyu nʼkukhala ndi moyo? Ayi ndithu! Chifukwa wachita zinthu zonyansa zonsezi, adzaphedwa ndipo adzalandira chilango chomuyenera.
14 Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
“Tsono tiyerekeze kuti munthu woyipa uyu wabala mwana amene amaona machimo onse amene abambo ake ankachita. Ngakhale amaona koma osatsanzira ntchito zake zoyipazo.
15 ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany,
“Sadyera nawo pa mapiri achipembedzo. Sapembedza mafano a ku Israeli. Sayipitsa mkazi wa mnzake.
16 na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
Sapondereza munthu wina aliyense. Satenga chikole akabwereketsa chinthu. Salanda zinthu za osauka. Salanda zinthu za munthu. Amapereka chakudya kwa anthu anjala. Amapereka zovala kwa anthu aumphawi.
17 miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
Amadziletsa kuchita zoyipa. Sakongoletsa kuti apezepo phindu. Salandira chiwongoladzanja. Amasunga malangizo anga ndi kumvera malamulo anga. Munthu wotereyo sadzafa chifukwa cha machimo a abambo ake. Adzakhala ndi moyo ndithu.
18 Ny amin’ ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
Koma abambo ake, popeza kuti anazunza anthu ena ndi kubera mʼbale wawo ndiponso popeza kuti sanachitire zabwino anansi ake, adzafera machimo ake omwe.
19 Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
“Mwina inu mukhoza kufunsa kuti, ‘Nʼchifukwa chiyani mwana salangidwa chifukwa cha kulakwa kwa abambo ake? Ayi, mwanayo adzakhala ndi moyo chifukwa ankachita zolungama ndi zolondola ndipo ankasamala kumvera malamulo anga onse.
20 Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
Munthu wochimwa ndiye amene adzafe. Mwana sadzapezeka wolakwa chifukwa cha abambo ake, kapena abambo kupezeka wolakwa chifukwa cha mwana wawo. Chilungamo cha munthu wolungama ndicho chidzamupulutse, ndipo kuyipa kwa munthu wochimwa ndiko kudzamuwonongetse.
21 Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
“‘Munthu woyipa akatembenuka mtima ndi kusiya machimo amene ankachita ndi kuyamba kumvera malamulo anga ndi kumachita zolungama ndi zokhulupirika, ndiye kuti adzakhala ndi moyo. Sadzafa ayi.
22 Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
Zoyipa zake zonse zidzakhululukidwa. Chifukwa cha zinthu zolungama zimene anazichita adzakhala ndi moyo.
23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?
Kodi Ine ndimakondwera ndi imfa ya munthu woyipa? Ayi, ndimakondwera pamene woyipa watembenuka mtima kuti akhale ndi moyo. Akutero Ambuye Yehova.
24 Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
“‘Koma ngati munthu wolungama apatuka kusiya zachilungamo ndi kuyamba kuchita tchimo ndi zonyansa za mtundu uliwonse zimene amachita anthu oyipa, kodi munthu wotereyu nʼkukhala ndi moyo? Ayi ndithu, zolungama zake zonse sizidzakumbukiridwa. Iye adzayenera kufa chifukwa cha machimo amene anachita.
25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’ Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
“Komabe inu mukunena kuti, ‘Zimene Ambuye amachita ndi zopanda chilungamo.’ Tamvani tsono inu Aisraeli: Kodi zochita zanga ndizo zosalungama? Kodi si zochita zanu zimene ndi zosalungama?
26 Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’ izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
Ngati munthu wolungama atembenuka kusiya chilungamo chake ndi kuchita tchimo, iye adzafa chifukwa cha tchimolo.
27 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
Koma ngati munthu woyipa aleka zoyipa zake zimene anazichita ndi kuyamba kuchita zimene ndi zolungama ndi zolondola, iye adzapulumutsa moyo wake.
28 Raha mahita izy ka miala amin’ ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
Popeza waganizira za zolakwa zonse ankachita ndipo wazileka, iye adzakhala ndi moyo ndithu; sadzafa.
29 Nefa hoy ny taranak’ Isiraely: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Ry taranak’ Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
Komabe Aisraeli akunena kuti, ‘Zimene Ambuye amachita ndi zopanda chilungamo.’ Kodi zochita zanga ndizo zopanda chilungamo, inu Aisraeli? Kodi si zochita zanu zimene ndi zopanda chilungamo?
30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
“Chifukwa chake Ine Ambuye Yehova ndikuti: inu Aisraeli, Ine ndidzakuweruzani aliyense wa inu molingana ndi ntchito zake. Lapani! Lekani zoyipa zanu kuti musawonongeke nazo.
31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Tayani zolakwa zanu zonse zimene munandichimwira nazo ndipo khalani ndi mtima watsopano ndi mzimu watsopano. Kodi muferanji inu Aisraeli?
32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin’ ireo lehiben’ ny Isiraely.
Ine sindikondwera ndi imfa ya munthu aliyense, akutero Ambuye Yehova. Chifukwa chake, lapani kuti mukhale ndi moyo.”

< Ezekiela 18 >