< Ezekiela 16 >

1 Tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Yehova anayankhula nane kuti,
2 Ry zanak’ olona, ampahafantaro an’ i Jerosalema ny fahavetavetany,
“Iwe mwana wa munthu, udzudzule Yerusalemu za ntchito zake zonyansa.
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
Umuwuze kuti, ‘Ambuye Yehova akukuwuza, iwe Yerusalemu kuti: Kwawo kwa makolo ako ndi ku Kanaani ndipo iwe unabadwira komweko. Abambo ako anali Mwamori, amayi ako anali Mhiti.
4 Ary ny amin’ ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin’ ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
Pa tsiku lomwe unabadwa sanadule mchombo wako. Sanakusambitse mʼmadzi kuti uyere. Sanakuthire mchere kapena kukukulunga mʼnsalu.
5 Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin’ ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ ny andro nahaterahanao.
Palibe ndi mmodzi yemwe anakusamala kapena kukumvera chisoni kuti akuchitire zimenezi. Mʼmalo mwake anakutaya panja poyera, chifukwa ananyansidwa nawe pa tsiku lako lobadwa.
6 Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
“‘Tsono pamene ndinkadutsa, ndinakuona ukuvimvinizika mʼmagazi ako. Ndinakuyankhula uli mʼmagazi ako omwewo kuti, ‘Khala ndi moyo,’
7 Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
ndi kuti ukule ngati mbewu ya mʼmunda. Iwe unakula ndipo unatalika ndi kutha msinkhu. Mawere ako anayamba kumera ndi tsitsi lakonso linayamba kutalika. Komabe unali wamaliseche ndi wausiwa.
8 Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
“‘Tsono pamene ndinkadutsanso ndinaona kuti nthawi yako yomanga banja inakwana. Tsono ndinakufunditsa chovala changa ndi kubisa umaliseche wako. Ndinachita nawe pangano la ukwati ndipo unakhala wanga, akutero Ambuye Wamphamvuzonse.
9 Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ ny rànao, dia nohosorako diloilo.
“‘Ine ndinakusambitsa mʼmadzi kutsuka magazi ako ndikukudzoza mafuta.
10 Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
Ndinakuveka zovala zopetapeta ndi nsapato za chikopa. Ndinakuveka zovala zabafuta ndi kukuveka zovala za bafuta.
11 Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
Ndinakukongoletsa ndi zokometsera zamtengowapatali: ndinakuveka zibangiri mʼmanja mwako ndi mkanda mʼkhosi mwako,
12 Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
ndipo ndinakuveka chipini pa mphuno yako, ndolo ku makutu ako ndiponso chipewa chaufumu pa mutu wako.
13 ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana
Choncho unavala zokongoletsa zagolide ndi siliva. Zovala zako zinali zabafuta, zasilika ndi za nsalu zopetapeta. Chakudya chako chinali ufa wosalala uchi ndi mafuta a olivi. Motero unakhala wokongola kwambiri ndipo unasanduka mfumukazi.
14 Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
Ndipo mbiri ya kukongola kwako inawanda pakati pa anthu a mitundu ina, chifukwa ulemerero umene ndinakupatsa unapititsa patsogolo kukongola kwako, akutero Ambuye Yehova.
15 kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
“‘Koma iwe unatama kukongola kwako ndipo unayamba kuchita zadama chifukwa cha kutchuka kwako. Unkachita chigololo ndi kumangodzipereka kwa aliyense wodutsa ndipo kukongola kwako kunakhala kwake.
16 Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
Unatenga zovala zako zina nukakongoletsera malo opembedzerako mafano, ndipo kumeneko umachitirako zigololo. Zinthu izi sizinachitikepo nʼkale lomwe ndipo sizidzachitikanso.
17 Ary nalainao koa ny firavakao tamin’ ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
Unatenga zokongoletsera zopangidwa ndi golide ndi siliva zimene ndinakupatsa ndipo unadzipangira wekha mafano aamuna amene unkachita nawo za dama.
18 nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
Ndipo iwe unatenga zovala zako zopetapeta ndi kuveka mafano. Mafuta anga ndi lubani wanga unapereka kwa mafanowo.
19 Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
Chakudya chimene ndinakupatsa, ufa, mafuta ndi uchi, zimene ndinkakudyetsa nazo unazitenga nʼkuzipereka kwa mafanowo ngati nsembe ya fungo lokoma. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
20 Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
“‘Ndipo unatenga ana ako aamuna ndi ana aakazi amene unandibalira ine, ndipo unakawapereka ngati nsembe kwa mafanowo. Kodi zigololo zakozo sizinakukwanire
21 Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an’ ireo.
kuti uziphanso ana anga ndi kuwapereka ngati nsembe kwa mafano akowo?
22 Ary tamin’ ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ ny rànao.
Chifukwa cha zadama zako zonyansazi unayiwala masiku a ubwana wako pamene unali wamaliseche, wausiwa ndiponso womangovivinizika mʼmagazi.
23 Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
“‘Tsoka! Tsoka kwa iwe, akutero Ambuye Yehova chifukwa powonjezera pa zoyipa zako zonse,
24 dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
wadzimangira wekha nsanja ndi guwa pa mabwalo onse.
25 Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin’ ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
Pa msewu uliwonse wamanga nsanjazo. Motero wanyazitsa kukongola kwako podzipereka kwa aliyense amene adutsapo.
26 Hianao efa nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
Umachita chigololo ndi Aigupto, anthu adama oyandikana nawe. Choncho unandikwiyitsa chifukwa unachulukitsa za dama zako.
27 Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako, ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin’ ny sitrapon’ izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
Nʼchifukwa chake ndinatambasula dzanja langa kukukantha ndi kuchepetsa dziko lako. Ndinakupereka kwa adani ako, Afilisti amene amayipidwa ndi makhalidwe ako onyansa.
28 Ary nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
Chifukwa cha chilakolako chako unachitanso zadama ndi Aasiriya. Ngakhale unachita nawo chigololo koma sunakhutitsidwebe.
29 Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ ny tanin’ ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin’ izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
Choncho unapitirirabe kuchita chigololo ndi Ababuloni, anthu a mʼdziko lokonda zamalonda. Ngakhale unachita izi, komabe sunakhutitsidwe.
30 Akory ny fahamaimain’ ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin’ ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon’ ny janga tsivalahara!
“‘Ambuye Yehova akuti: Mtima wako ndi wofowoka kwambiri chifukwa unachita zonsezo monga ngati mkazi wopanga manyazi.
31 Tamin’ ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao, satria tsy nahoanao akory izay tangy.
Unamanga nsanja pa msewu uliwonse. Unamanganso kachisi pabwalo lililonse. Komabe sunachite ngati mkazi wadama chifukwa unakana malipiro.
32 Ny vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny!
“‘Iwe mkazi wachigololo! Umakonda amuna achilendo kupambana mwamuna wakowako!
33 Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan’ ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
Amuna ndiwo amapereka malipiro kwa mkazi wadama. Koma iwe ndi amene ukupereka mphatso kwa zibwenzi zako zonse. Choncho umazinyengerera kuti zizibwera kwa iwe kuchokera mbali zonse kudzagona nawe.
34 Ary hafa noho ny amin’ ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
Chotero iwe ukusiyana ndi akazi ena achigololo, pakuti palibe amene ankakunyengerera kuti uchite naye chigololo. Iweyo ndiye unkapereka ndalama osati ena kukupatsa ndalama ayi. Motero unalidi wosiyana kwambiri ndi akazi ena.
35 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry kala janga:
“‘Tsono mkazi wachigololo iwe, imva mawu a Yehova!
36 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ ny nijangajanganao tamin’ ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ ny zanakao izay naterinao ho an’ ireo.
Ambuye Yehova akuti, popeza unavula ndi kuonetsa umaliseche wako mopanda manyazi, unachita chigololo ndi zibwenzi zako pamodzi ndi mafano ako onyansa, komanso popeza unapereka ana ako kuti aphedwe ngati nsembe zoperekedwa kwa mafano,
37 dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin’ ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin’ ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
nʼchifukwa chake Ine ndidzasonkhanitsa zibwenzi zako zonse, zimene unkasangalala nazo, amene unkawakonda ndi amene unkawada. Ndidzawasonkhanitsa motsutsana nawe kuchokera ku madera onse okuzungulira ndipo Ine ndidzakuvula pamaso pawo, ndipo iwo adzaona umaliseche wako wonse.
38 ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
Ine ndidzakulanga monga mmene amalangira akazi amene amachita chigololo ndiponso opha anthu. Chifukwa cha ukali wanga ndi nsanje yanga, ndidzakhetsa magazi ako mokwiya kwambiri.
39 Dia hatolotro ho eny an-tànan’ ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
Ndidzakupereka mʼmanja mwa zibwenzi zako ndi kuwononga nyumba zopembedzera mafano ako. Iwo adzakuvula zovala zako ndi kutenga zodzikometsera zako zabwino. Choncho adzakusiya wa maliseche ndi wausiwa.
40 Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ ny sabany ianao.
Iwo adzabweretsa gulu la anthu limene lidzakuponya miyala ndi kukutematema ndi malupanga awo.
41 Ary hodorany amin’ ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason’ ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
Adzatentha nyumba zako ndi kukulanga iwe pamaso pa akazi ambiri. Ndidzathetsa chigololo chako, ndipo sudzalipiranso zibwenzi zako.
42 Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
Ukali wanga udzalekera pamenepo ndipo sindidzakuchitiranso nsanje. Ndidzakhala chete osakwiyanso.
43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin’ ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
“‘Popeza sunakumbukire masiku a ubwana wako koma unandikwiyitsa ndi zinthu zonsezi, Ine ndidzakubwezera ndithu chilango pamutu pako chifukwa cha zimene wachita, akutero Ambuye Yehova. Paja unawonjezera chigololo pa machitidwe ako onyansa.
44 Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin’ izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
“‘Taona, onse onena miyambi adzakuphera mwambi wakuti, ‘Make mbuu, mwana mbuu.’
45 Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
Ndiwedi mwana weniweni wamkazi wa mayi wako, amene amanyoza mwamuna wake ndi ana ake. Ndiwe mʼbale weniweni wa abale ako, amene amanyoza amuna awo ndi ana awo. Amayi ako anali Mhiti ndipo abambo ako anali Mwamori.
46 Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin’ ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
Mkulu wako anali Samariya, ndipo iye pamodzi ndi ana ake aakazi ankakhala cha kumpoto kwako. Mngʼono wako, Sodomu ankakhala cha kummwera kwako pamodzi ndi ana ake aakazi.
47 Nefa tsy araka ny alehan’ ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ ny nalehanao rehetra.
Iwe sunangotsatira kokha njira zawo zoyipa ndi kuchita zonyansa zawo, koma patangopita nthawi pangʼono machitidwe ako oyipa anaposa awo.
48 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
Ndithu pali Ine wamoyo, akutero Ambuye Yehova, ngakhale mʼbale wako Sodomu ndi ana ake aakazi sanachitepo zimene iwe ndi ana ako aakazi munachita.
49 Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
“‘Tsono tchimo la mʼbale wako Sodomu linali ili: Iye ndi ana ake aakazi ankanyadira kuchuluka kwa chakudya ndi chuma chawo. Koma sanalabadireko kuthandiza osauka ndi aumphawi.
50 Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
Anali odzitukumula ndipo ankachita zonyansa pamaso panga. Nʼchifukwa chake ndinawachotsa monga mmene waoneramu.
51 Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon’ i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
Samariya sanachite ngakhale theka la machimo amene unachita. Iwe wachita zinthu zonyansa zambiri kuposa iwo, motero kuti abale ako awiriwo amaoneka ngati olungama kuyerekeza ndi iye.
52 Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
Tsono iwenso uyenera kuchita manyazi popeza waonetsa abale ako ngati osachimwa. Popeza kuti machimo ako ndi onyansa kwambiri kupambana awo, tsonotu iwowo akuoneka olungama kupambana iweyo. Choncho iwenso uchite manyazi ndi kunyozedwa popeza unaonetsa abale ako ngati olungama.
53 Ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin’ izay olonao voababo,
“‘Koma, ndidzadalitsanso Sodomu ndi ana ake aakazi. Ndidzadalitsanso Samariya ndi ana ake aakazi. Pa nthawi yomweyo ndidzakudalitsanso iwe Yerusalemu.
54 mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin’ ny hampiononanao azy.
Ndidzatero kuti uchite manyazi ndi kunyozeka chifukwa cha zonse zimene unachita powatonthoza anthuwa.
55 Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin’ ny toetrareo taloha koa.
Motero mʼbale wako Sodomu ndi ana ake akadzakhala monga mmene analili poyamba paja, ndiponso mʼbale wako Samariya akadzakhalanso monga mmene anali poyamba paja, ndiye kuti iwenso ndi ana ako mudzakhala monga mmene munalili payamba paja.
56 Nefa tsy mbola mba notononin’ ny vavanao akory ny nanjo an’ i Sodoma rahavavinao tamin’ ny andro niavonavonanao,
Kale lija pamene unkanyada, suja unkanyogodola mʼbale wako Sodomu
57 fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ ny andro nandatsan’ ny zanakavavin’ i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin’ ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
kuyipa kwako kusanadziwike? Koma tsopano wafanana naye. Wasandukano chinthu chonyozeka kwa anthu a ku Edomu ndi kwa onse owazungulira ndiponso kwa Afilisti. Ndithu onse amene akuzungulira amakunyoza.
58 Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
Choncho udzalangidwa chifukwa cha zigololo zako ndi machitidwe anu onyansa, akutero Yehova.
59 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
“‘Ine Ambuye Yehova ndikuti: Ndidzakulanga molingana ndi zimene unachita. Iwe unanyoza lumbiro lako pophwanya pangano langa.
60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin’ ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
Komabe, Ine ndidzakumbukira pangano limene ndinachita nawe mʼmasiku a unyamata wako, ndipo ndidzakhazikitsa pangano losatha ndi iwe.
61 Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan’ ilay nanaovako fanekena taminao aza.
Tsono udzakumbukira njira zako zakale. Udzachita manyazi polandiranso abale ako, wamkulu ndi wamngʼono yemwe. Ndidzawaperekanso kwa iwe kuti akhale ngati ana ako ngakhale kuti sali a mʼpangano langa ndi iwe.
62 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
Kotero ndidzakhazikitsa pangano langa ndi iwe, ndipo iwe udzadziwa kuti Ine ndine Yehova.
63 mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
Ndikadzakukhululukira zoyipa zako zonse zimene unachita, udzazikumbukira ndipo udzachita manyazi kwambiri, kotero kuti sudzatha nʼkuyankhula komwe, akutero Ambuye Yehova.’”

< Ezekiela 16 >