< Ezekiela 14 >

1 Dia nisy loholon’ ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
Baadhi ya wazee wa Israeli walinijia na kuketi mbele yangu.
2 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ndipo neno la Bwana likanijia kusema:
3 Ry zanak’ olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian’ ireto va Aho?
“Mwanadamu, watu hawa wameweka sanamu katika mioyo yao na kuweka vitu viovu vya kukwaza mbele ya macho yao. Je, kweli niwaruhusu waniulize jambo lolote?
4 Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny olona rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
Kwa hiyo sema nao uwaambie, ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Wakati Mwisraeli yeyote anapoweka sanamu moyoni mwake na kuweka kitu kiovu cha kukwaza mbele ya macho yake na kisha akaenda kwa nabii, Mimi Bwana nitamjibu peke yangu sawasawa na ukubwa wa ibada yake ya sanamu.
5 mba hisamborako ny taranak’ Isiraely amin’ ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
Nitafanya jambo hili ili kukamata tena mioyo ya watu wa Israeli, ambao wote wameniacha kwa ajili ya sanamu zao.’
6 Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
“Kwa hiyo iambie nyumba ya Israeli, ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Tubuni! Geukeni kutoka kwenye sanamu zenu na mkatae matendo yenu yote ya machukizo!
7 Fa na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny izay mivahiny eo amin’ ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
“‘Mwisraeli yeyote au mgeni yeyote anayeishi katika Israeli anapojitenga nami na kujiwekea sanamu katika moyo wake na kwa hivyo kuweka kitu kiovu cha kukwaza mbele ya macho yake na kisha akamwendea nabii kuuliza shauri kwangu, mimi Bwana nitamjibu mwenyewe.
8 ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin’ ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Nitaukaza uso wangu dhidi ya mtu huyo na kumwadhibu na kumfanya ishara kwa watu. Nitamkatilia mbali kutoka watu wangu. Ndipo mtakapojua kuwa Mimi ndimi Bwana.
9 Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin’ ny Isiraely oloko izy.
“‘Naye nabii kama atakuwa ameshawishika kutoa unabii, Mimi Bwana nitakuwa nimemshawishi nabii huyo, nami nitaunyoosha mkono wangu dhidi yake na kumwangamiza kutoka miongoni mwa watu wangu Israeli.
10 Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ ny helok’ izay manontany aminy koa,
Watachukua hatia yao, nabii atakuwa na hatia sawa na yule mtu aliyekuja kuuliza neno kwake.
11 mba tsy hialan’ ny taranak’ Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.
“‘Ndipo watu wa Israeli hawataniacha tena, wala kujitia unajisi tena kwa dhambi zao zote. Ndipo watakuwa watu wangu nami nitakuwa Mungu wao, asema Bwana Mwenyezi.’”
12 Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Bwana likanijia kusema,
13 Ry zanak’ olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan’ ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
“Mwanadamu, kama nchi itanitenda dhambi kwa kutokuwa waaminifu nami nikinyoosha mkono wangu dhidi yake kukatilia mbali upatikanaji wake wa chakula na kuipelekea njaa na kuua watu wake na wanyama wao,
14 na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
hata kama watu hawa watatu: Noa, Danieli na Ayubu wangekuwa ndani ya nchi hiyo, ndio hao tu wangeweza kujiokoa wenyewe kwa uadilifu wao, asema Bwana Mwenyezi.
15 Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’ olona aleha noho ny biby,
“Au kama nikipeleka wanyama pori katika nchi hiyo yote na kuifanya isiwe na watoto, nayo ikawa ukiwa kwamba hakuna mtu apitaye katika nchi hiyo kwa sababu ya wanyama pori,
16 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
hakika kama niishivyo, asema Bwana Mwenyezi, hata kama watu hawa watatu wangekuwa humo ndani yake, wasingeweza kuokoa wana wao wala binti zao. Wao peke yao wangeokolewa, lakini nchi ingekuwa ukiwa.
17 Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
“Au kama nikileta upanga dhidi ya nchi hiyo na kusema, ‘Upanga na upite katika nchi yote,’ nami nikiua watu wake na wanyama wao,
18 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
hakika kama niishivyo, asema Bwana Mwenyezi, hata kama watu hawa watatu wangekuwa humo ndani yake, wasingeweza kuokoa wana wao wala binti zao. Wao wenyewe tu wangeokolewa.
19 Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin’ ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
“Au kama nikipeleka tauni katika nchi hiyo na kumwaga ghadhabu yangu juu yake kwa njia ya kumwaga damu, kuua watu wake na wanyama wao,
20 na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
hakika kama niishivyo, asema Bwana Mwenyezi, hata kama Noa, Danieli na Ayubu wangekuwa humo ndani yake, wasingeweza kumwokoa mwana wala binti. Wao wangeweza kujiokoa wenyewe tu kwa uadilifu wao.
21 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an’ i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
“Kwa maana hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Itakuwa vibaya kiasi gani nitakapopeleka dhidi ya Yerusalemu hukumu zangu nne za kutisha, yaani, upanga, njaa, wanyama pori na tauni, ili kuua watu wake na wanyama wao!
22 Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’ i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
Lakini watakuwepo wenye kuokoka, wana na binti wataletwa kutoka nje ya nchi hiyo. Watawajia ninyi, nanyi mtakapoona mwenendo wao na matendo yao, mtafarijika kuhusu maafa niliyoleta juu ya Yerusalemu, kwa ajili ya yale yote niliyoleta juu yake.
23 Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
Mtafarijika wakati mtakapoona mwenendo wao na matendo yao, kwa kuwa mtajua kwamba sikufanya lolote ndani yake bila sababu, asema Bwana Mwenyezi.”

< Ezekiela 14 >