< Ezekiela 13 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Bwana likanijia kusema:
2 Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin’ izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo.
“Mwanadamu, tabiri dhidi ya manabii wa Israeli wanaotabiri sasa. Waambie hao ambao hutabiri kutokana na mawazo yao wenyewe: ‘Sikia neno la Bwana!
3 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Ole wao manabii wapumbavu wafuatao roho yao wenyewe na wala hawajaona chochote!
4 Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
Manabii wako, ee Israeli, ni kama mbweha katikati ya magofu.
5 Tsy niakatra ho eo amin’ ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak’ Isiraely mba hifaharany amin’ ny ady amin’ ny andron’ i Jehovah.
Hamjakwea kwenda kuziba mahali palipobomoka katika ukuta ili kuukarabati kwa ajili ya nyumba ya Israeli, ili kwamba isimame imara kwenye vita katika siku ya Bwana.
6 Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin’ i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan’ ny teny
Maono yao ni ya uongo na ubashiri wao ni wa udanganyifu. Wao husema, “Bwana amesema,” wakati Bwana hakuwatuma, bado wakitarajia maneno yao kutimizwa.
7 Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona?
Je, hamjaona maono ya uongo na kusema ubashiri wa udanganyifu hapo msemapo, “Bwana asema,” lakini Mimi sijasema?
8 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
“‘Kwa hiyo hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Kwa sababu ya uongo wa maneno yenu na kwa madanganyo ya maono yenu, Mimi ni kinyume na ninyi, asema Bwana Mwenyezi.
9 Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ ny mpanolo-tsainan’ ny oloko na ho voasoratra amin’ ny bokin’ ny taranak’ Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Mkono wangu utakuwa dhidi ya manabii ambao huona maono ya uongo na kusema ubashiri wa udanganyifu. Hawatakuwa katika baraza la watu wangu au kuandikwa katika kumbukumbu ya nyumba ya Israeli wala hawataingia katika nchi ya Israeli. Ndipo mtajua kuwa Mimi ndimi Bwana Mwenyezi.
10 Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity,
“‘Kwa sababu ni kweli wanapotosha watu wangu, wakisema, “Amani,” wakati ambapo hakuna amani, pia kwa sababu, wakati ukuta dhaifu unapojengwa, wanaufunika kwa kupaka chokaa,
11 koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
kwa hiyo waambie hao wanaoupaka chokaa isiyokorogwa vyema kwamba ukuta huo utaanguka. Mvua kubwa ya mafuriko itanyesha, nami nitaleta mvua ya mawe inyeshe kwa nguvu, nao upepo wa dhoruba utavuma juu yake.
12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
Wakati ukuta utakapoanguka, je, watu hawatawauliza, “Iko wapi chokaa mliyopaka ukuta?”
13 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin’ ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin’ ny fahatezerako sy havandra vaventy amin’ ny fahavinirako hahafongana azy.
“‘Kwa hiyo hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Katika ghadhabu yangu nitauachia upepo wa dhoruba, pia katika hasira yangu mvua ya mawe na mvua ya mafuriko itanyesha ikiwa na ghadhabu ya kuangamiza.
14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin’ ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Nitaubomoa ukuta mlioupaka chokaa na kuuangusha chini ili msingi wake uachwe wazi. Utakapoanguka, mtaangamizwa ndani yake, nanyi mtajua kuwa Mimi ndimi Bwana.
15 Dia hotanterahiko amin’ ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
Hivyo ndivyo nitakavyoitimiza ghadhabu yangu dhidi ya huo ukuta na dhidi yao walioupaka chokaa. Nitawaambia ninyi, “Ukuta umebomoka na vivyo hivyo wale walioupaka chokaa,
16 dia ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany ny amin’ i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
wale manabii wa Israeli waliotabiri juu ya Yerusalemu na kuona maono ya amani kwa ajili yake wakati kulipokuwa hakuna amani, asema Bwana Mwenyezi.”’
17 Koa ianao, ry zanak’ olona, handrino mafy ny zanakavavin’ ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
“Sasa, mwanadamu, kaza uso wako dhidi ya binti za watu wako wanaotabiri mambo kutoka mawazo yao wenyewe. Tabiri dhidi yao
18 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin’ ny famavanin’ ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin’ ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin’ ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!
na useme, ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Ole wao wanawake washonao hirizi za uchawi juu ya viwiko vyao vyote na kutengeneza shela za urefu wa aina mbalimbali kwa ajili ya kufunika vichwa vyao kwa makusudi ya kuwanasa watu. Je, mtatega uhai wa watu wangu lakini ninyi mponye wa kwenu?
19 Ary manamavo Ahy ao amin’ ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin’ ny andainganareo amin’ ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
Ninyi mmeninajisi miongoni mwa watu wangu kwa ajili ya konzi chache za shayiri na chembe za mkate. Kwa kuwaambia uongo watu wangu, wale ambao husikiliza uongo, mmewaua wale watu ambao wasingekufa na kuwaacha hai wale ambao wasingeishi.
20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan’ ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin’ ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
“‘Kwa hiyo hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Mimi niko kinyume na hizo hirizi zenu za uchawi ambazo kwa hizo mnawatega watu kama ndege, nami nitazirarua kutoka mikononi mwenu, nitawaweka huru watu wale mliowatega kama ndege.
21 Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin’ ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Nitazirarua shela zenu na kuwaokoa watu wangu kutoka mikononi mwenu, nao hawatakuwa tena mawindo ya nguvu zenu. Ndipo mtakapojua kuwa Mimi ndimi Bwana.
22 Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon’ ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ ny ratsy fanahy, tsy hialany amin’ ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
Kwa sababu mliwavunja moyo wenye haki kwa uongo wenu, wakati mimi sikuwaletea huzuni na kwa kuwa mliwatia moyo waovu ili wasiziache njia zao mbaya na hivyo kuokoa maisha yao,
23 dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
kwa hiyo hamtaona tena maono ya uongo wala kufanya ubashiri. Nitawaokoa watu wangu kutoka mikononi mwenu. Nanyi ndipo mtakapojua kuwa Mimi ndimi Bwana.’”

< Ezekiela 13 >