< Ezekiela 12 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
The LORD’s word also came to me, saying,
2 Ry zanak’ olona, ianao monina eto amin’ ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
“Son of man, you dwell in the middle of the rebellious house, who have eyes to see, and don’t see, who have ears to hear, and don’t hear; for they are a rebellious house.
3 Koa ianao, ry zanak’ olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin’ ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin’ izay itoeranao ho any amin’ ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
“Therefore, you son of man, prepare your baggage for moving, and move by day in their sight. You shall move from your place to another place in their sight. It may be they will consider, though they are a rebellious house.
4 Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin’ ny fahababoana.
You shall bring out your baggage by day in their sight, as baggage for moving. You shall go out yourself at evening in their sight, as when men go out into exile.
5 Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
Dig through the wall in their sight, and carry your baggage out that way.
6 Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao.
In their sight you shall bear it on your shoulder, and carry it out in the dark. You shall cover your face, so that you don’t see the land, for I have set you for a sign to the house of Israel.”
7 Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin’ ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
I did so as I was commanded. I brought out my baggage by day, as baggage for moving, and in the evening I dug through the wall with my hand. I brought it out in the dark, and bore it on my shoulder in their sight.
8 Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
In the morning, the LORD’s word came to me, saying,
9 Ry zanak’ olona, moa ny taranak’ Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
“Son of man, hasn’t the house of Israel, the rebellious house, said to you, ‘What are you doing?’
10 Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin’ ny mpanjakan’ i Jerosalema sy ny taranak’ Isiraely rehetra izay ao aminy.
“Say to them, ‘The Lord GOD says: “This burden concerns the prince in Jerusalem, and all the house of Israel amongst whom they are.”’
11 Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
“Say, ‘I am your sign. As I have done, so will it be done to them. They will go into exile, into captivity.
12 Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan’ ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ ny masony ny tany.
“‘The prince who is amongst them will bear his baggage on his shoulder in the dark, and will go out. They will dig through the wall to carry things out that way. He will cover his face, because he will not see the land with his eyes.
13 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
I will also spread my net on him, and he will be taken in my snare. I will bring him to Babylon to the land of the Chaldeans; yet he will not see it, though he will die there.
14 Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
I will scatter towards every wind all who are around him to help him, and all his bands. I will draw out the sword after them.
15 Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin’ ny jentilisa sy ampieleziko any amin’ ny tany samy hafa izy.
“‘They will know that I am the LORD when I disperse them amongst the nations and scatter them through the countries.
16 Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
But I will leave a few men of them from the sword, from the famine, and from the pestilence, that they may declare all their abominations amongst the nations where they come. Then they will know that I am the LORD.’”
17 Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Moreover the LORD’s word came to me, saying,
18 Ry zanak’ olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin’ ahiahy ny ranonao.
“Son of man, eat your bread with quaking, and drink your water with trembling and with fearfulness.
19 Ary lazao amin’ ny vahoaka hoe Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely: Amin’ ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan’ izay rehetra monina ao aminy.
Tell the people of the land, ‘The Lord GOD says concerning the inhabitants of Jerusalem and the land of Israel: “They will eat their bread with fearfulness and drink their water in dismay, that her land may be desolate, and all that is therein, because of the violence of all those who dwell therein.
20 Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
The cities that are inhabited will be laid waste, and the land will be a desolation. Then you will know that I am the LORD.”’”
21 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
The LORD’s word came to me, saying,
22 Ry zanak’ olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
“Son of man, what is this proverb that you have in the land of Israel, saying, ‘The days are prolonged, and every vision fails’?
23 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra.
Tell them therefore, ‘The Lord GOD says: “I will make this proverb to cease, and they will no more use it as a proverb in Israel;”’ but tell them, ‘“The days are at hand, and the fulfilment of every vision.
24 Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ ny taranak’ Isiraely.
For there will be no more any false vision nor flattering divination within the house of Israel.
25 Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
For I am the LORD. I will speak, and the word that I speak will be performed. It will be no more deferred; for in your days, rebellious house, I will speak the word and will perform it,” says the Lord GOD.’”
26 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Again the LORD’s word came to me, saying,
27 Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
“Son of man, behold, they of the house of Israel say, ‘The vision that he sees is for many days to come, and he prophesies of times that are far off.’
28 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
“Therefore tell them, ‘The Lord GOD says: “None of my words will be deferred any more, but the word which I speak will be performed,” says the Lord GOD.’”

< Ezekiela 12 >