< Ezekiela 11 >
1 Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan’ ny vavahady; dia hitako teo amin’ ireo Jazania, zanak’ i Azora, sy Pelatia, zanak’ i Benaia, lehiben’ ny vahoaka.
Kisha Roho akaniacha juu na kunileta kwenye lango la mashariki la nyumba ya Yahwe, kuelekea mashariki, na tazama, kwenye njia ya mlango wa lango kulikuwa na watu ishirini na tano. Nikamwona Yaazania mwana wa Azuri na Pelatia mwana wa Benaya, viongozi wa watu, miongoni mwao.
2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin’ ity tanàna ity,
Mungu akanambia, “Mwana wa adamu, hawa ndio wale watu walioshauri udhalimu, na kuamua mipango miovu kwenye huu mji.
3 dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
Wakisema, 'Mda wa kujenga nyumba sio sasa; huu mji ni sufuria, na sisi ni nyama.'
4 ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’ olona.
Kwa hiyo tabiri juu yao. Tabiri, mwana wa adamu.”'
5 Ary tonga tao amiko ny Fanahin’ i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak’ Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
Kisha Roho wa Yahwe akanijaza na akaniambia, “akisema: Hivi ndivyo Yahwe asemavyo: kama usemavyo, nyumba ya Israeli; kwa kuwa najua kinachoendelea kwenye fikra zenu.
6 Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
Mmewazidisha watu mliowaua kwenye huu mji na kuijaza mitaa kwa hao.
7 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
Kwa hiyo, Bwana Yahwe asema hivi: Wale watu milowaua, ambao mmeilaza miili yao kati ya Yerusalemu, ni nyama, na huu mji ni sufuria. Lakini mnaenda kutolewa nje kutoka kati ya huu mji.
8 Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
Mmeuogopa upanga, kwa hiyo nauleta huo upanga juu yenu-huu ndio usemi wa Bwana Yahwe.
9 Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan’ ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
Nitawatoa nje kutoka kati ya mji, na kuwaweka kwenye mikono ya wageni, kwa kuwa nitaleta hukumu dhidi yenu.
10 Ho lavon’ ny sabatra ianareo; any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Mtaanguka kwa upanga. Nitawahukumu kati ya mipaka ya Israeli hivyo mtajua yakwamba mimi ni Yahwe.
11 Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo
Huu mji hautakua sufuria yenu ya kupikia, wala hamtakuwa nyama ndani yake. Nitawahukumu kati ya mipaka ya Israeli.
12 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
Kisha mtajua yakwamba mimi ni Yahwe, yule ambaye hamuishe kwenye amri zake na ambaye hamkuzishika sheria zake. Badala yake, mmebeba hukumu za mataifa wanayowazunguka.”
13 Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak’ i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin’ ny Isiraely?
Ikawa kwamba nilipokuwa natabiri, Pelatia mwana wa Benaya, akafa. Hivyo nikaanguka kwenye uso wangu na kulia kwa sauti na kusema, “Ee, Bwana Yahwe, Je utayaharibu kabisa mabaki ya Israeli?”
14 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Yahwe likanijia, likisema,
15 Ry zanak’ olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, izay nitenenan’ ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an’ i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
“Mwana wa adamu, ndugu zako! Ndugu zako! Watu wa ukoo wako na nyumba yote ya Israeli! Wote hao ndio hao ambao inasemekana wale wanaoishi Yerusalemu, 'Wako mbali sana kutoka kwa Yahwe! Hii nchi tulipewa sisi kama milki yetu.'
16 Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ ny tany maro, dia ho fitoerana masìna ho azy vetivety Aho any amin’ ny tany izay alehany.
Kwa hiyo sema, 'Bwana Yahwe asema hivi: kote nimewapitisha mbali kati ya mataifa, na kote nimewasambaza kati ya nchi, bado nimekuwa patakatifu kwa ajili yao kwa mda kidogo kwenye nchi ambazo walizoenda.'
17 Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin’ ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin’ ny Isiraely ianareo.
Kwa hiyo sema, 'Bwana Yahwe asema hivi: Nitawakusanya kutoka kwa watu, na kuwakutanisha kutoka kwenye nchi mlizokuwa mmetawanyika, na nitawapatia nchi ya Israeli.'
18 Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
Kisha wataenda huko na kuondoa kila kitu chenye karaha na kila chukizo kutoka hiyo sehemu.
19 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
Nitawapatia moyo mmoja, na nitaweka roho mpya kati yao. Nitaondoa moyo wa jiwe kutoka kwenye miili wao na kuwapatia moyo wa nyama,
20 mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
ili kwamba waweze kutembea kwenye amri zangu, watayachukua maagizo yangu na kuyatenda. Kisha watakuwa watu wangu, na nitakuwa Mungu wao.
21 Fa ny amin’ izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.
Lakini kwa wale watembeao kwa kujifanya kuendeleza mambo yao ya karaha na machukizo yao, nitaleta tabia yao kwenye vichwa vyao-hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.”
22 Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
Makerubi wakainua mabawa yao na magurudumu yaliyokuwa karibu nao, na utukufu wa Mungu wa Israeli ulikuwa juu yao.
23 Ary ny voninahitr’ i Jehovah niakatra niala tao amin’ ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra atsinanan’ ny tanàna.
Kisha utukufu wa Yahwe ukaenda juu kutoka katikati ya mji na kusimama kwenye mlima hata mashariki mwa mji.
24 Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin’ ny fahitana, dia tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin’ ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Roho akanichukua juu na kunileta hata Ukaldayo, hata uhamishoni, katika maono kutoka kwa Roho wa Mungu, na maono niliyokuwa nimeyaona yakaenda juu yakaniacha.
25 Ary nolazaiko tamin’ ny babo ny teny rehetra izay nasehon’ i Jehovah ahy.
Kisha nikawaambia wale watumwa mambo yote ya Yahwe niliyokuwa nimeyaona.