< Ezekiela 10 >

1 Ary hitako fa, indro, teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohan’ ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.
Na duba, sai na ga kamannin kursiyin saffaya a kan sararin da yake a bisa kawunan kerubobi.
2 Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
Sai Ubangiji ya ce wa mutumin da yake saye da lilin, “Ka shiga cikin da’irorin da suke ƙarƙashin kerubobi. Ka cika hannuwanka da garwashin wuta wanda yake tsakanin kerubobin ka kuma watsar da su a kan birnin.” Yayinda nake dubawa, sai ya shiga.
3 Ary ny kerobima nitsangana teo amin’ ny ankavanan’ ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
Kerubobin kuwa suna tsaye a gefen kudu na haikali sa’ad da mutumin ya shiga, sai girgije ya cika filin da yake can ciki.
4 Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
Sai ɗaukakar Ubangiji ya tashi daga bisa kerubobi ya tafi zuwa madogarar ƙofar haikali. Girgijen ya cika haikali, filin kuwa ya cika da hasken ɗaukakar Ubangiji.
5 Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ ny kianja ivelany, toy ny feon’ Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
Sai aka ji ƙarar fikafikan kerubobin har a filin waje, kamar muryar Allah Maɗaukaki sa’ad da ya yi magana.
6 Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan’ ny kodia, eo anelanelan’ ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ ny kodia.
Sa’ad da Ubangiji ya umarci mutumin da yake saye da lilin cewa, “Ka ɗibi wuta daga cikin tsakanin da’irorin, daga tsakanin kerubobin,” sai mutumin ya shiga ya tsaya kusa da da’irar.
7 Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan’ ny kerobima, tamin’ ny afo Izay teo anelanelan’ ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin’ ny tànan-droan’ ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
Sa’an nan ɗaya daga cikin kerubobin ya miƙa hannu zuwa wurin wutar da take tsakaninsu. Ya ɗebo wutar daga ciki ya zuba a hannuwan mutumin da yake saye da lilin, shi kuwa ya karɓa ya fita.
8 Ary nisy nitarehin-tànan’ olona niseho teo ambanin’ ny elatry ny kerobima.
(A ƙarƙashin fikafikan kerubobin ana iya ganin abin da ya yi kamar hannuwan mutum.)
9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan’ ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan’ ny isan-kerobima; ary ny tarehin’ ny kodia dia toy ny volon’ ny vato krysolita.
Na duba, sai na ga kusa da kerubobin akwai da’irori huɗu, kowanne kusa da kerub guda; da’irorin suna ƙyalli kamar wani dutse mai daraja.
10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin’ ny kodia.
Game da kamanninsu kuwa, huɗu a cikinsu sun yi kama da juna; kowanne ya yi kamar da da’ira a cikin da’ira.
11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ ny hitsin’ ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin’ ny hitsin’ izay natrehin’ ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
Yayinda suke tafiya, sukan tafi kowane gefe huɗun da kerubobin suka nufa; da’irorin ba sa juyawa yayinda kerubobin suke tafiya. Kerubobin suka tafi kowane gefen da kan ya nufa, ba tare da juyawa ba sa’ad da suke tafiya.
12 Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin’ ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
Jikunansu gaba ɗaya, har da bayansu, hannuwansu da fikafikansu, sun cika gaba ɗaya da idanu, kamar yadda suke a da’irori huɗun.
13 Ny amin’ ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia!
Na ji ana kiran da’irorin “da’irorin guguwa.”
14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin’ ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin’ ny faharoa dia nitarehin’ olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
Kowane daga kerubobin yana da fuskoki huɗu. Fuska ɗaya na kerub ne, na biyun fuskar mutum ne, na ukun fuskar zaki ne, na huɗun kuwa fuskar gaggafa ce.
15 Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany.
Sai kerubobin suka tashi sama. Waɗannan ne halittu masu ran da na gani kusa da Kogin Kebar.
16 Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
Sa’ad da kerubobin suka motsa, sai da’irorin da suke kusa da su su motsa; kuma sa’ad da kerubobin suka buɗe fikafikansu don su tashi daga ƙasa, da’irorin ba sa barin wurarensu.
17 Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina no tao aminy.
Sa’ad da kerubobin suka tsaya cik, su ma sukan tsaya cik; kuma sa’ad da kerubobin suka tashi, sai su ma su tashi tare da su, domin ruhun rayayyun halittun yana a cikinsu.
18 Dia niala avy teo ambonin’ ny tokonambaravaran’ ny trano ny voninahitr’ i Jehovah ka nijanona teo ambonin’ ny kerobima.
Sai ɗaukakar Ubangiji ya tashi daga bisa madogarar ƙofar haikali ya kuma tsaya a bisa kerubobi.
19 Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin’ ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
Yayinda nake duba, kerubobin suka buɗe fikafikansu suka kuma tashi daga ƙasa, yayinda suka tafi kuwa, da’irorin suka tafi tare da su. Suka tsaya a mashigin ƙofar gabas na gidan Ubangiji, ɗaukakar Allah na Isra’ila kuwa yana a kansu.
20 Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo ambanin’ Andriamanitry ny Isiraely teo amoron’ ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
Waɗannan ne rayayyun halittun da na gani a ƙarƙashin Allah na Isra’ila kusa da Kogin Kebar, na kuma gane cewa su kerubobi ne.
21 Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan’ olona teo ambanin’ ny elany.
Kowanne yana da fuskoki huɗu da fikafikai huɗu, a ƙarƙashin kuwa akwai wani abin da ya yi kamar hannuwan mutum.
22 Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin’ ny tavany no nalehany.
Fuskokinsu suna da kamanni ɗaya da waɗanda na gani kusa da Kogin Kebar. Kowanne ya tafi kai tsaye sosai.

< Ezekiela 10 >