< Ezekiela 1 >

1 Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahatelo-polo, raha teo amin’ ny babo teo amoron’ ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin’ Andriamanitra aho.
Tsiku lachisanu la mwezi wachinayi, chaka cha makumi atatu, ine ndinali pakati pa amʼndende mʼmbali mwa mtsinje wa Kebara. Tsono kumwamba kunatsekuka ndipo ndinaona maonekedwe a Mulungu mʼmasomphenya.
2 Tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana (taona fahadimy taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina mpanjaka izany)
Pa tsiku lachisanu la mwezi, chaka chachisanu Yehoyakini ali mʼndende,
3 dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Yehova anayankhula ndi wansembe Ezekieli, mwana wa Buzi, mʼmbali mwa mtsinje wa Kebara mʼdziko la Ababuloni. Dzanja la Yehova linali pa iye kumeneko.
4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Ndinayangʼana ndipo ndinangoona mphepo yamkuntho ikubwera kuchokera kumpoto. Panali mtambo waukulu wozunguliridwa ndi kuwala ndipo moto unali lawilawi kuchokera mu mtambowo. Pakati pa motowo pankaoneka ngati mkuwa wonyezimira.
5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’ aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik’ olona.
Mʼkatikati mwa motowo munali zinthu zinayi zamaonekedwe a nyama. Thupi lawo limaoneka ngati la munthu
6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
koma chilichonse chinali ndi nkhope zinayi ndiponso mapiko anayi.
7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
Miyendo yake inali yowongoka; mapazi ake anali a ziboda ngati phazi la mwana wangʼombe. Ndipo zibodazo zinkawala ngati mkuwa wonyezimira.
8 Ary nisy tanan’ olona teo ambanin’ ny elany teo amin’ ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
Mʼmunsi mwa mapiko awo kumbali zonse zinayi, nyamazo zinali ndi manja a munthu. Zonse zinayi zinali ndi nkhope ndi mapiko,
9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy rehetra.
ndipo mapiko awowo anakhudzana. Chilichonse chimapita molunjika kutsogolo; sizimatembenuka pamene zimayenda.
10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ olona; ary tamin’ ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ ny liona izy efatra, ary tamin’ ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ omby, ary samy nanana ny tarehin’ ny voromahery koa izy efatra.
Nkhope zawo zimaoneka motere: Chilichonse chinali ndi nkhope ya munthu, ndipo mbali ya kumanja chilichonse chinali ndi nkhope zinayi zosiyana motere: nkhope ya munthu, nkhope ya mkango ku dzanja lamanja, nkhope ya ngʼombe ku dzanja lamanzere, ndipo kumbuyo kwake nkhope ya chiwombankhanga.
11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin’ ny an’ ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
Ndi mʼmene zinalili nkhope zawo. Mapiko awo anali otambasukira mmwamba. Chamoyo chilichonse chinali ndi mapiko awiri okhudzana ndi mapiko a chinzake. Chinalinso ndi mapiko ena awiri ophimbira thupi lake.
12 Dia samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
Zamoyozo zinkayenda molunjika kutsogolo. Kulikonse kumene mzimu umazitsogolera kupita, nazonso zimapita kumeneko, osatembenuka pamene zikupita.
13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
Pakati pa zamayozo panali chinthu chooneka ngati makala oyaka kapena miyuni yoyaka. Moto umayendayenda pakati pa zamayozo; wowala kwambiri, ndipo mphenzi zimatuluka pakati pawo.
14 Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
Zamoyozo zinkathamanga uku ndi uko ngati kungʼanima kwa mphenzi.
15 Ary hitako ny zava-manan’ aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin’ ny tany, teo anilan’ ny zava-manan’ aina teo anoloan’ ny tarehiny efatra.
Pamene ndinali kuyangʼana zamoyozo, ndinangoona mikombero ndipo pansi pambali pa chamoyo chilichonse panali mkombero umodzi.
16 Ny tarehin’ ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon’ ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin’ ny kodia.
Maonekedwe a mikomberoyo anali ngati mwala wonyezimira. Mikombero yonse inali yofanana ndipo mapangidwe awo anali ngati wongolowanalowana.
17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ izay hitsin’ ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
Mikombero ija poyenda inkatha kupita mbali iliyonse yomwe zamoyozo zinayangʼana popanda kutembenuka.
18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
Marimu a mikomberoyo anali aatali ndi ochititsa mantha ndipo marimu onse anayi anali ndi maso ponseponse.
19 Ary raha nandeha ny zava-manan’ aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireo zava-manan’ aina, dia mba niainga koa ny kodia.
Zamoyozo zinkati zikamayenda, mikomberoyo imayendanso mʼmbali mwake; ndipo zamoyozo zinkati zikamakwera mmwamba, mikomberoyo imakweranso.
20 Na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho naleha dia nalehan’ ireo koa; fa any koa no mba tian’ ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin’ ny kodia ny fanahin’ ny zava-manan’ aina.
Kulikonse kumene mzimu wake unkazitsogolera, zamoyozo zinkapita komweko. Ndipo mikombero ija inkapita nawo pamodzi popeza kuti mzimu wa zamoyozo ndiwo umayendetsa mikombero ija.
21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina dia tao amin’ ny kodia.
Zamoyo zija zinkati zikamayenda mikombero imayendanso. Zamoyozo zimati zikayima, nayonso mikombero inkayima. Zamoyozo zinkati zikawuluka, mikomberonso imawuluka nazo pamodzi chifukwa mzimu wa zamoyo zija ndiwo umayendetsa mikombero ija.
22 Ary teo ambonin’ ny lohan’ ny zava-manan’ aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ ny lohany.
Pamwamba pa mitu ya zamoyozo panali chinthu chonga thambo, lowala ndipo kunyezimira kwake ngati galasi loyangʼanitsa ku dzuwa, loyalidwa pamwamba pa mitu yake.
23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin’ ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
Zamoyozo zinatambalitsa mapiko ake mʼmunsi mwa thambo lija, mapiko ake ena kumakhudzana, mapiko awiri kumaphimba thupi lake.
24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
Pamene zamoyo zimayenda ndimamva phokoso la mapiko ake, ngati mkokomo wa madzi ambiri, ngati liwu la Wamphamvuzonse, ngati phokoso la gulu lankhondo. Zimati zikayima zinkagwetsa mapiko ake.
25 Ary nisy feo avy teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
Ndipo panamveka mawu kuchokera pamwamba pa thambo la pa mitu ya zamoyo zija. Nthawi iyi nʼkuti zamoyozo zitayima ndi kugwetsa pansi mapiko ake.
26 Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.
Pamwamba pa thambo la pa mitu yake panali chinthu chimene chimaoneka ngati mpando waufumu wopangidwa ndi mwala wa safiro, ndipo pamwamba pa mpando waufumuwo panali chinthu chooneka ngati munthu.
27 Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Ndinaona kuti mmwamba mwa chiwuno chake munali ngati chitsulo chowala konsekonse ngati moto. Mʼmunsi mwa chiwuno chake munalinso ngati moto wokhawokha. Kuwala kwa mphamvu kunamuzungulira munthuyo.
28 Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.
Kuwalako kunali ndi maonekedwe a utawaleza mʼmitambo tsiku limene kwagwa mvula. Umu ndi mmene ulemerero wa Yehova umaonekera. Pamene ndinawuona ndinagwa pansi ndipo ndinamva mawu akundiyankhula.

< Ezekiela 1 >