< Eksodosy 8 >
1 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Thiĩ kũrĩ Firaũni ũmwĩre atĩrĩ, ‘Jehova oigĩte ũũ: Rekereria andũ akwa mathiĩ, nĩgeetha makandungatĩre.
2 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin’ ny sahona;
Ũngĩrega kũmarekereria mathiĩ, nĩngũhũũra bũrũri waku wothe na mũthiro wa ciũra.
3 dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin’ ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin’ ny farafaranao sy any amin’ ny tranon’ ny mpanomponao sy amin’ ny vahoakanao ary eny amin’ ny fanendasa-mofonao sy eny amin’ ny vilia fanaova-mofonao.
Rũũĩ rwa Nili rũkũiyũra ciũra. Igũũka ciambate o nginya nyũmba yaku ya ũthamaki o na nyũmba yaku ya toro o nginya ũrĩrĩ waku igũrũ, itoonye nyũmba cia anene aku, o na irũgĩrĩre andũ aku o ene, ikorwo kuo o na mariiko-inĩ maku na mĩharatĩ-inĩ ya gũkandĩrwo mũtu.
4 Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran’ ny sahona.
Ciũra icio ikũrũgĩrĩre na irũgĩrĩre andũ aku o na anene aku.’”
5 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Ĩra Harũni atĩrĩ, ‘Tambũrũkia guoko gwaku na rũthanju igũrũ rĩa tũrũũĩ, na mĩtaro, na tũmaria, ũtũme ciũra ciũke bũrũri-inĩ wa Misiri.’”
6 Ary nahinjitr’ i Arona tambonin’ ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
Nĩ ũndũ ũcio Harũni agĩtambũrũkia guoko gwake igũrũ rĩa maaĩ ma bũrũri wa Misiri, nacio ciũra ikiumĩra ikĩiyũra bũrũri.
7 Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
No aringi ciama a bũrũri wa Misiri magĩĩka maũndũ o ta macio na ũndũ wa maũgĩ mao ma ũgo, o nao magĩtũma ciũra ciũke bũrũri wa Misiri.
8 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
Firaũni agĩĩta Musa na Harũni, akĩmeera atĩrĩ, “Hooyai Jehova anjehererie na ehererie andũ akwa ciũra ici, na nĩngũrekereria andũ anyu mathiĩ makarutĩre Jehova magongona.”
9 Ary hoy Mosesy tamin’ i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
Musa akĩĩra Firaũni atĩrĩ, “Wee nĩwe ngũhe gĩtĩĩo gĩa gũtua ihinda rĩa gũkũhoera, wee na anene aku o na andũ aku nĩguo inyuĩ na nyũmba cianyu mwehererwo nĩ ciũra, itigare o iria irĩ thĩinĩ wa Rũũĩ rwa Nili.”
10 Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray.
Firaũni akiuga atĩrĩ, “Mũkaahooera rũciũ.” Nake Musa akĩmũcookeria atĩrĩ, “Nĩgũtuĩke ũguo woiga, nĩgeetha ũmenye atĩ gũtirĩ mũndũ ũhaana ta Jehova Ngai witũ.
11 Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
Ciũra nĩcigũkweherera na ciehere nyũmba ciaku, cieherere anene aku na andũ aku; itigare o iria irĩ rũũĩ-inĩ rwa Nili.”
12 Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao.
Na rĩrĩa Musa na Harũni mehereire Firaũni, Musa agĩkaĩra Jehova ũhoro wĩgiĩ ciũra iria aarehithĩirie Firaũni.
13 Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha.
Nake Jehova agĩĩka o ũrĩa Musa aahooete. Ciũra iria ciarĩ nyũmba, na iria ciarĩ nja na iria ciarĩ mĩgũnda igĩkua.
14 Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
Ikĩũnganio ikĩigwo irũndo, nacio ikĩnungia bũrũri.
15 Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
No rĩrĩa Firaũni onire atĩ marĩkũhoorerwo nĩ thĩĩna-rĩ, akĩũmia ngoro na akĩrega kũigua Musa na Harũni, o ta ũrĩa Jehova oigĩte.
16 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran’ ny tany Egypta rehetra izany.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Ĩra Harũni atĩrĩ, ‘Tambũrũkia rũthanju rwaku ũgũthe rũkũngũ rũrĩa rũrĩ thĩ,’ na bũrũri-inĩ wothe wa Misiri-rĩ, rũkũngũ rũu rũgũtuĩka rwagĩ.”
17 Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’ i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ ny tany Egypta rehetra.
Nao magĩĩka ũguo; na rĩrĩa Harũni aatambũrũkirie guoko anyiitĩte rũthanju-rĩ, agũtha rũkũngũ naguo, rwagĩ rũgĩtambĩrĩra andũ na nyamũ. Rũkũngũ ruothe bũrũri-inĩ wa Misiri rũgĩtuĩka rwagĩ.
18 Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy.
No hĩndĩ ĩrĩa aringi a ciama a bũrũri wa Misiri maageririe kũrehe rwagĩ na maũgĩ mao ma ũgo-rĩ, nĩmaremirwo. Naruo rwagĩ rũgĩtambĩrĩra andũ na nyamũ.
19 Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Aringi acio a ciama makĩĩra Firaũni atĩrĩ, “Ũyũ nĩ hinya wa kĩara kĩa Ngai.” No Firaũni akĩũmia ngoro akĩrega kũigua, o ta ũrĩa Jehova oigĩte.
20 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Ũkĩra rũciinĩ tene, uumĩrĩre Firaũni agĩthiĩ Rũũĩ rwa Nili, ũmwĩre atĩrĩ, ‘Jehova ekuuga ũũ: Rekereria andũ akwa mathiĩ nĩgeetha makandungatĩre.
21 Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
Ũngĩaga kũreka mathiĩ-rĩ, ngũkũrehera mĩrumbĩ ya ngi, ndehere anene aku na andũ aku, o na ndĩcirehe nyũmba-inĩ cianyu. Nyũmba cia andũ a Misiri ikũiyũra ngi, o na ningĩ ciyũre thĩ kũrĩa guothe marĩ.
22 Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany.
“‘No rĩrĩ, mũthenya ũcio ngeeka ũndũ ũrĩ ngũrani bũrũri-inĩ wa Gosheni, kũrĩa andũ akwa matũũraga; gũtikagĩa na mĩrumbĩ ya ngi kũu, nĩgeetha ũmenye atĩ niĩ, Jehova, ndĩ bũrũri-inĩ ũyũ.
23 Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.
Nĩngekĩra ngũũrani gatagatĩ ka andũ akwa na aku. Rũciũ nĩrĩo kĩama gĩkĩ gĩgekĩka.’”
24 Ary nataon’ i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ ny tranon’ i Farao sy tao amin’ ny tranon’ ny mpanompony ary teny amin’ ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
Na ũguo noguo Jehova eekire. Ngi mĩrumbĩ mĩnene ikĩiyũra nyũmba ya ũthamaki ya Firaũni na igĩtoonya nyũmba cia anene ake, naguo bũrũri wa Misiri wothe ũkĩanangwo nĩ ngi icio.
25 Ary Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitrareo eto amin’ ity tany ity.
Ningĩ Firaũni agĩĩta Musa na Harũni, akĩmeera atĩrĩ, “Thiĩi mũkarutĩre Ngai wanyu iruta gũkũ bũrũri-inĩ.”
26 Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
No Musa akĩmwĩra atĩrĩ, “Gũtingĩagĩrĩra gwĩka ũguo. Magongona marĩa tũkũrutĩra Jehova Ngai witũ nĩ mekuoneka marĩ magigi nĩ andũ a Misiri. Tũngĩkĩruta magongona marĩ magigi maitho-inĩ mao-rĩ, githĩ matigũtũhũũra na mahiga nyuguto?
27 Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
No nginya tũthiĩ rũgendo rwa mĩthenya ĩtatũ werũ-inĩ tũkarutĩre Jehova Ngai witũ magongona, o ta ũrĩa atwathĩte.”
28 Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
Firaũni akiuga atĩrĩ, “Nĩngũmũrekereria mũthiĩ mũkarutĩre Jehova Ngai wanyu magongona werũ-inĩ, no mũtigathiĩ kũraya mũno. Na rĩu, hooerai.”
29 Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin’ i Jehovah mba hialan’ ny lalitra amin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i’ Jehovah.
Musa agĩcookia atĩrĩ, “Ndaarĩkia kuuma harĩwe, nĩngũhooya Jehova, na rũciũ ngi nĩikoima kũrĩ Firaũni na anene ake, na andũ ake. No ũkĩmenyerere atĩ Firaũni ndageke ũndũ wa kũheenania rĩngĩ, na ũndũ wa kwaga kũrekereria andũ mathiĩ makarutĩre Jehova magongona.”
30 Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nangataka tamin’ i Jehovah
Musa agĩkiuma harĩ Firaũni, akĩhooya Jehova,
31 Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.
nake Jehova agĩĩka ũrĩa Musa aamũhoire; nacio ngi ikĩeherera Firaũni, na anene ake, na andũ ake, na gũtirĩ ngi yatigarire.
32 Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin’ izany ka tsy nandefa ny olona.
No rĩrĩ, o na ihinda rĩĩrĩ Firaũni akĩũmia ngoro yake akĩrega kũrekereria andũ mathiĩ.