< Eksodosy 6 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Kisha Bwana akamwambia Mose, “Sasa utaona kitu nitakachomfanyia Farao: Kwa sababu ya mkono wangu wenye nguvu atawaachia watu waende; kwa sababu ya mkono wangu wenye nguvu atawafukuza waondoke nchini mwake.”
2 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
Pia Mungu akamwambia Mose, “Mimi ndimi Bwana.
3 ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
Nilimtokea Abrahamu, Isaki na Yakobo kama Mungu Mwenyezi, ingawa sikuwajulisha Jina langu, Yehova, Mimi mwenyewe sikujitambulisha kwao.
4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
Pia niliweka Agano langu nao kuwapa nchi ya Kanaani, ambako waliishi kama wageni.
5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
Zaidi ya hayo, nimesikia kilio cha huzuni cha Waisraeli ambao Wamisri wamewatia utumwani, nami nimelikumbuka Agano langu.
6 Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
“Kwa hiyo, waambie Waisraeli: ‘Mimi ndimi Bwana, nami nitawatoa mtoke katika kongwa la Wamisri. Nitawaweka huru mtoke kuwa watumwa wao, nami nitawakomboa kwa mkono ulionyooshwa pamoja na matendo makuu ya hukumu.
7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
Nitawatwaa mwe watu wangu mwenyewe, nami nitakuwa Mungu wenu. Ndipo mtajua kuwa mimi ndimi Bwana Mungu wenu, niliyewatoa chini ya kongwa la Wamisri.
8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
Nami nitawaleta mpaka nchi niliyoapa kwa mkono ulioinuliwa kumpa Abrahamu, Isaki na Yakobo. Nitawapa iwe milki yenu. Mimi ndimi Bwana.’”
9 Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
Mose akawaarifu Waisraeli jambo hili, lakini hawakumsikiliza kwa sababu ya maumivu makuu ya moyoni na utumwa wa kikatili.
10 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ndipo Bwana akamwambia Mose,
11 Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny.
“Nenda, mwambie Farao mfalme wa Misri awaachie Waisraeli waondoke nchini mwake.”
12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
Lakini Mose akamwambia Bwana, “Ikiwa Waisraeli hawatanisikiliza, kwa nini yeye Farao anisikilize mimi, ambaye huzungumza kwa kigugumizi?”
13 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta.
Ndipo Bwana akanena na Mose na Aroni kuhusu Waisraeli na Farao mfalme wa Misri, naye akawaamuru wawatoe Waisraeli kutoka Misri.
14 Izao no lohan’ ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.
Hawa walikuwa wakuu wa jamaa zao: Wana wa Reubeni mzaliwa wa kwanza wa kiume wa Israeli walikuwa Hanoki, Palu, Hesroni na Karmi. Hawa walikuwa ndio koo za Reubeni.
15 Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’ i Simeona.
Wana wa Simeoni walikuwa Yemueli, Yamini, Ohadi, Yakini, Sohari na Shauli mwana wa mwanamke Mkanaani. Hawa walikuwa ndio koo za Simeoni.
16 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
Haya ndiyo majina ya wana wa Lawi kufuatana na orodha zao: Gershoni, Kohathi na Merari. Lawi aliishi miaka 137.
17 Ny zanakalahin’ i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
Wana wa Gershoni kwa koo, walikuwa Libni na Shimei.
18 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan’ i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
Wana wa Kohathi walikuwa Amramu, Ishari, Hebroni na Uzieli. Kohathi aliishi miaka 133.
19 Ary ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ ny Levita, araka ny taranany.
Wana wa Merari walikuwa Mahli na Mushi. Hizi ndizo zilizokuwa koo za Lawi kufuatana na orodha zao.
20 Ary Amrama naka an’ i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’ i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.
Amramu akamwoa Yokebedi, shangazi yake, ambaye alimzalia Aroni na Mose. Amramu aliishi miaka 137.
21 Ary ny zanakalahin’ i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
Wana wa Ishari walikuwa Kora, Nefegi na Zikri.
22 Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
Wana wa Uzieli walikuwa Mishaeli, Elisafani na Sithri.
23 Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
Aroni akamwoa Elisheba binti wa Aminadabu ndugu yake Nashoni, naye akamzalia Nadabu, Abihu, Eleazari na Ithamari.
24 Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana.
Wana wa Kora walikuwa Asiri, Elikana na Abiasafu. Hawa walikuwa ndio koo za Kora.
25 Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
Eleazari mwana wa Aroni akamwoa mmoja wa binti za Putieli, naye akamzalia Finehasi. Hawa walikuwa ndio wakuu wa jamaa za Walawi, ukoo kwa ukoo.
26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Hawa walikuwa Aroni na Mose wale wale ambao Bwana aliwaambia, “Watoeni Waisraeli katika nchi ya Misri kwa vikosi vyao.”
27 Ireo no niteny tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
Ndio hao hao waliozungumza na Farao mfalme wa Misri kuhusu kuwatoa Waisraeli Misri. Ilikuwa ni huyo Mose na huyo Aroni.
28 Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta,
Bwana aliponena na Mose huko Misri,
29 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
akamwambia, “Mimi ndimi Bwana. Mwambie Farao mfalme wa Misri kila kitu nikuambiacho.”
30 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!
Lakini Mose akamwambia Bwana, “Kwa kuwa mimi huzungumza kwa kigugumizi, Farao atanisikiliza mimi?”

< Eksodosy 6 >