< Eksodosy 6 >
1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
And the Lord said to Moses: “Now you will see what I shall do to Pharaoh. For through a strong hand he will release them, and by a mighty hand he will cast them from his land.”
2 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
And the Lord spoke to Moses, saying: “I am the Lord,
3 ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
who appeared to Abraham, to Isaac, and to Jacob as Almighty God. And I did not reveal to them my name: ADONAI.
4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
And I formed a covenant with them, in order to give them the land of Canaan, the land of their sojourning, in which they were newcomers.
5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
I have heard the groaning of the sons of Israel, with which the Egyptians have oppressed them. And I have remembered my covenant.
6 Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
For this reason, say to the sons of Israel: I am the Lord who will lead you away from the work house of the Egyptians, and rescue you from servitude, and also redeem you with an exalted arm and great judgments.
7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
And I will take you to myself as my people, and I will be your God. And you will know that I am the Lord your God, who led you away from the work house of the Egyptians,
8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
and who brought you into the land, over which I lifted up my hand in order to grant it to Abraham, Isaac, and Jacob. And I will grant it to you as a possession. I am the Lord.”
9 Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
And so, Moses explained all these things to the sons of Israel, who did not agree with him, because of their anguish of spirit and very difficult work.
10 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord spoke to Moses, saying:
11 Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny.
“Enter and speak to Pharaoh, king of Egypt, so that he may release the sons of Israel from his land.”
12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
Moses responded in the sight the Lord: “Behold, the sons of Israel do not listen to me. And how will Pharaoh listen to me, especially since I am of uncircumcised lips?”
13 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta.
And the Lord spoke to Moses and Aaron, and he gave them a commandment for the sons of Israel, and for Pharaoh, the king of Egypt, that they should lead the sons of Israel away from the land of Egypt.
14 Izao no lohan’ ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.
These are the leaders of the houses by their families. The sons of Reuben, the firstborn of Israel: Hanoch and Pallu, Hezron and Carmi.
15 Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’ i Simeona.
These are the kindred of Reuben. The sons of Simeon: Jemuel and Jamin, and Ohad, and Jachin, and Zohar, and Shaul, the son of a Canaanite women. These are the progeny of Simeon.
16 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
And these are the names of the sons of Levi by their kindred: Gershon, and Kohath, and Merari. Now the years of the life of Levi were one hundred and thirty-seven.
17 Ny zanakalahin’ i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
The sons of Gershon: Libni and Shimei, by their kindred.
18 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan’ i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
The sons of Kohath: Amram, and Izhar, and Hebron and Uzziel. Likewise, the years of the life of Kohath were one hundred and thirty-three.
19 Ary ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ ny Levita, araka ny taranany.
The sons of Merari: Mahli and Mushi. These are the kindred of Levi by their families.
20 Ary Amrama naka an’ i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’ i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.
Now Amram took as a wife Jochebed, his paternal aunt, who bore for him Aaron and Moses. And the years of the life of Amram were one hundred and thirty-seven.
21 Ary ny zanakalahin’ i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
Likewise, the sons of Izhar: Korah, and Nepheg, and Zichri.
22 Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
Likewise, the sons of Uzziel: Mishael, and Elzaphan, and Sithri.
23 Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
Now Aaron took as a wife Elizabeth, the daughter of Amminadab, sister of Nahshon, who bore for him Nadab, and Abihu, and Eleazar, and Ithamar.
24 Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana.
Likewise, the sons of Korah: Assir, and Elkanah, and Abiasaph. These are the kindred of the Korahites.
25 Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
And truly Eleazar, the son of Aaron, took a wife from the daughters of Putiel. And she bore him Phinehas. These are the heads of the Levitical families by their kindred.
26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
These are Aaron and Moses, whom the Lord instructed to lead the sons of Israel away from the land of Egypt by their companies.
27 Ireo no niteny tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
These are those who speak to Pharaoh, king of Egypt, in order to lead the sons of Israel out of Egypt. These are Moses and Aaron,
28 Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta,
in the day when the Lord spoke to Moses in the land of Egypt.
29 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
And the Lord spoke to Moses, saying: “I am the Lord. Speak to Pharaoh, king of Egypt, all that I speak to you.”
30 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!
And Moses said in the sight of the Lord: “Lo, I am of uncircumcised lips, how will Pharaoh listen to me?”