< Eksodosy 5 >

1 Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
A muri iho, ka haere a Mohi raua ko Arona, ka korero ki a Parao, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Tukua taku iwi kia haere ki te taka hakari ki ahau i te koraha.
2 Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
Na ka mea a Parao, Ko wai a Ihowa, kia rongo ahau ki tona reo, kia tukua a Iharaira? Kahore ahau e mohio ki a Ihowa, e kore hoki e tukua atu e ahau a Iharaira.
3 Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra.
A ka mea raua, Kua tutaki te Atua o nga Hiperu ki a matou: kia haere ra matou, kia toru nga ra ki te ara i te koraha, ka mea patunga tapu ai matou ki a Ihowa, ki to matou Atua; kei torere mai ia ki a matou i te mate uruta ranei, i te hoari ranei.
4 Ary hoy ny mpanjakan’ i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ ny asany? mandehana any amin’ ny fanompoanareo mafy.
Na ka mea te kingi o Ihipa ki a raua, He aha korua, e Mohi korua ko Arona, i whakaware ai i te iwi ki a ratou mahi? haere ki a koutou kawenga.
5 Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoany mafy.
I mea ano a Parao, Nana, ka tini nei nga tangata o te whenua, na korua hoki ratou i noho ai i a ratou kawenga.
6 Ary tamin’ izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka nanao hoe:
Na ka ako a Parao i taua ra ki nga kaiakiaki o te iwi, ki o ratou rangatira, ka mea,
7 Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
Kaua e hoatu he takakau ki te iwi a muri ake nei, hei hanga pereki, pera i o mua ra: me haere ratou ki te kohikohi takakau ma ratou.
8 Kanefa ny isan’ ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitray.
Otiia, whakaritea ki a ratou kia rite tonu nga pereki te maha ki era i hanga e ratou i mua; kaua e whakahokia iho te maha; he mangere hoki ratou; koia ratou i karanga ai, i mea ai, Kia haere matou ki te mea patunga tapu ki to matou Atua.
9 Hamafio ny fanompoan’ ny olona mba hifotorany amin’ izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
Whakanuia te mahi ma nga tangata ra, a ko tena hei mahi ma ratou; kaua hoki ratou e whakarongo ki nga kupu horihori.
10 Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
Na ka haere nga kaiakiaki o te iwi, me o ratou rangatira, ka korero ki te iwi, ka mea, Ko te kupu tenei a Parao, e kore e hoatu e ahau he takakau ki a koutou.
11 fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’ izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
Haere ki te kohikohi takakau ma koutou i te wahi e kitea ai e koutou: otiia, kaua e whakahokia iho tetahi wahi o ta koutou e mahi ai.
12 Dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo.
Na ka marara noa atu te iwi ki te whenua katoa o Ihipa, ki te kohikohi putake witi hei takakau.
13 Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’ andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
A ka whakatatutatu nga kaiakiaki, ka mea, Whakaotia a koutou mahi, to tenei rangi, to tenei rangi, kia rite ki o te wa i whai takakau ai.
14 Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?
Na ka whiua nga rangatira o nga tama a Iharaira i whakaritea mo ratou e nga kaiakiaki a Parao, ka mea ratou, He aha te whakaotia ai inanahi, inaianei, a koutou pereki i whakaritea ki a koutou, te pera ai me o mua ra?
15 Dia nankao amin’ i Farao ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ ny mpanomponao ianao?
Na ka haere nga rangatira o nga tama a Iharaira, me te tangi ano, ki a Parao, ka mea, He aha koe i penei ai ki au pononga?
16 Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
Kahore he takakau i homai ki au pononga, a e mea ana ratou ki a matou, Hanga he pereki: na ka whiua au pononga; no au tangata ia te he.
17 Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
Na ka mea ia, He mangere koutou, he mangere; na reira koutou ka mea ai, Tukua matou kia haere ki te mea patunga tapu ki a Ihowa.
18 Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
Na, haere, e mahi; e kore hoki e hoatu he takakau ki a koutou; otiia me homai ano nga pereki i whakaritea ra.
19 Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.
Na, ka kite nga rangatira o nga tama a Iharaira i te kino mo ratou, i te kianga ra, Kaua e whakaokuokutia iho a koutou pereki, hei mahinga ma koutou i tenei ra, i tenei ra.
20 Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy;
A ka tutaki ratou ki a Mohi raua ko Arona, e tu mai ana i mua i a ratou, i to ratou haerenga mai i a Parao:
21 dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
A ka mea ki a raua, Ma Ihowa e titiro ki a korua, e whakawa; na korua hoki matou i piro whakarihariha ai ki te aroaro o Parao, ki te aroaro hoki o ana pononga, na korua i hoatu he hoari ki o ratou ringa hei patu i a matou.
22 Ary Mosesy niverina ho any amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
Na ka hoki a Mohi ki a Ihowa, a ka mea, E te Ariki, he aha koe i mahi he ai ki tenei iwi? he aha koe i unga ai i ahau?
23 Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
No toku haerenga atu hoki ki a Parao ki te korero i runga i tou ingoa, i kino ai ia ki tenei iwi; kahore ano hoki koe kia whakaora noa i tau iwi, kahore rawa.

< Eksodosy 5 >