< Eksodosy 40 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Kisha Yahweh akasema na Musa na kumwambia,
2 Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
“Siku ya kwanza ya mwezi wa kwanza ya mwaka lazima wewe uandae hema la kukutania.
3 Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
Utaweka sanduku la ushuhuda ndani yake, na utaziba sanduku kwa pazia.
4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
Utaleta ndani meza na kuandaa kwa mpangilio vitu vyake. Kisha utaleta kinara cha taa na kuandaa taa.
5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
Nawe utaweka madhabahu ya dhahabu ya uvumba mbele ya sanduku la ushuhuda, na utaweka pazia katika mwingilio wa hema la kukutania.
6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
Utaweka madhabahu kwa ajili ya sadaka ya kuteketezwa mbele ya mwingilio wa hema ya kukutania.
7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
Utaweka ile saani kubwa katikati ya hema la kukutania na madhabahu na utaweka maji ndani yake.
8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.
Uandae nyuani inayoizunguka, na utundike pazia katika mwingilio wa nyuani.
9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.
Lazima uchukuwe mafuta ya upako na upake hema la kukutania na kila kitu kilichopo ndani yake. Lazima uitenge na samani zake kwangu; kisha itakuwa takatifu.
10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.
Lazima upake mafuta madhabahu ya sadaka ya kuteketezwa na vyombo vyake. Lazima utenge madhabhu kwa ajili yangu na itakuwa takatifu kwangu.
11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
Upake mafuta beseni la shaba na sakafu yake na uitenge kwa ajili yangu.
12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
Umlete Aruni na wanae kwa mwingilio wa hema la kukutania na uwaoshe wote kwa maji.
13 Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
Utamfunika Aruni kwa mavazi yaliyo tengwa kwa ajili yangu, mpake mafuta na umtenge ili anitumikie kama kuhani.
14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
Utawaleta wana wake na kuwafunika kwa nguo nzito.
15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
Utawapaka mafuta kama ulivyo mpaka baba yao ili wanitumikie kama makuhani. Upako wao utawafanya makuhani wa kudumu vizazi vyote vya watu wao.”
16 Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Hivi ndivyo Musa alivyo sema; alifuata yote Yahweh aliyo muamuru. Alifanya vitu vyote hivi.
17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
Hivyo hema la kukutania liliandaliwa siku ya kwanza ya mwezi wa mwaka wa pili.
18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
Musa alianda hema la kukutania, akaeka sakafu zake sehemu yake, akaanda fremu zake, akashikisha chuma zake, na akaanda minara na nguzo zake.
19 Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Alitandaza mfuniko juu ya hema la kukutania na kuweka hema juu yake, kama Yahweh alivyo muamuru.
20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
Alichukuwa amri za agano na kuweka kwenye sanduku. Pia aliweka nguzo kwenye sanduku na kuweka mfuniko wa kiti cha rehema.
21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aliichukuwa sanduku na kuweka ndani ya hema la kukutania. Aliandaa pazia ili lizibe sanduku la ushuhuda, kama Yahweh alivyo muamuru.
22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.
Alieka meza kwenye hema la kukutania, kwa upande wa kaskazini mwa hema la kukutania, nje ya pazia.
23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Alieka mkate kwa mpangilio katika meza ya Yahweh, kama Yahweh alivyo amuru.
24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
Alieka kinara cha taa kwenye hema la kukutania, upande wa pili wa meza, kusini mwa hema la kukutani.
25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aliwasha taa mbele za Yahweh, kama Yahweh alivyo muamuru.
26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
Aliweka madhabahu ya dhahabu ya uvumba ndani ya hema la kukutania mbele ya pazia.
27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Alichoma uvumba wa manukato hapo, kama Yahweh alivyo muamuru.
28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;
Alitundika pazia katika hema ya kukutania.
29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aliweka madhabahu ya sadaka ya kuteketeza katika hema ya kukutania. Aliitolea sadaka ya kuteketeza na sadaka ya unga, kama Yahweh alivyo muamuru.
30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
Aliweka beseni katikati ya hema ya kukutunia na madhabahu, na maji ya kuoshea.
31 Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
Musa, Aruni, na wanae waliosha mikono yao na miguu kwenye beseni
32 Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
muda wowote walipoenda kwenye hema ya kukutania na muda wowote walipoenda kwenye madhabahu. Walijisafisha, kama Yahweh alivyo muamuru Musa.
33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.
Musa alianda nyuani nyuma ya hema ya kukutania na madhabahu. Alianda pazia katika mwingilio wa nyuani. Katika hili, Musa alimaliza kazi.
34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Kisha wingu likafunika hema ya kukutania, na utukufu wa Yahweh ukafunika hema ya kukutania.
35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Musa hakuweza kuingia hema ya kukutania kwasababu wingu lilikuwa juu yake, na kwasababu utukufu wa Yahweh ulijaza hema ya kukutania.
36 Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
Muda wowote wingu lilipo chukuliwa juu kutoka hema ya kukutania, watu wa Israeli waliendelea na safari yao.
37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
Lakini kama wingu haliku nyanyuka juu kutoka hema ya kukutania, kisha basi watu hawaku safiri. Walibaki hadi siku lilipo nyanyuliwa juu.
38 Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.
Kwa kuwa wingu la Yahweh lilikuwa juu ya hema ya kukutania mchana, na moto wake ulikuwa juu yake usiku, wazi kwa watu wote wa Israeli kipindi chote cha safari yao.