< Eksodosy 39 >

1 Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Daga zare mai ruwan shuɗi, da shuɗayya da kuma jan zare suka yi tsarkaken rigunan domin hidima a wuri mai tsarki. Suka kuma yi tsarkaken riguna don Haruna, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
2 Ary nanao ny efoda tamin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
Suka yi efod na zinariya, da shuɗi, da shunayya, da jan zare, da kuma lallausan lilin.
3 Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ ny mpanenona mahay.
Suka bubbuga zinariya ta zama falle, suka yayyanka ta zare-zare don su yi saƙa da ita, tare da zane na shuɗi, da na shunayya, da na jan zare, da na lallausan lilin, aikin gwani mai fasaha.
4 Ary nataony nisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambanana azy.
Suka yi wa efod kafaɗu, sa’an nan suka haɗa su a gefenta biyu na sama, don a iya ɗaurawa.
5 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Gwanin mai saƙa ya saƙa abin ɗamarar efod. Da irin kayan da aka saƙa efod ne aka saƙa abin ɗamarar, wato, da zinariya, da shuɗi, da shunayya, da jan zare, da zaren lallausan lilin, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely.
Suka shimfiɗa duwatsun onis, suka jera su cikin tsaiko na zinariya, suka kuma zāna sunayen’ya’yan Isra’ila a kan duwatsun kamar yadda akan yi hatimi.
7 Ary nataony teo amin’ ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Sa’an nan suka ɗaura su a ƙyallen kafaɗun efod a matsayin duwatsun tuni wa’ya’yan Isra’ila, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
8 Ary nanao ny saron-tratra tamin’ ny asan’ ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Suka yi ƙyallen maƙalawa a ƙirji, aikin gwani. Suka yi shi kamar efod, na zinariya, da na shuɗi, da na shunayya, da na jan zare, da kuma na lallausan lilin.
9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
Ƙyallen maƙalawa a ƙirjin murabba’i ne, aka ninka shi biyu, tsawonsa da fāɗinsa kamu ɗaya-ɗaya ne.
10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
Sa’an nan suka sa jeri huɗu na duwatsu masu daraja a bisansa. A jeri na farko akwai yakutu, da tofaz, da zumurrudu;
11 ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
a jeri na biyu akwai turkuwoyis, da saffaya, da daimon;
12 ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
a jeri na uku akwai yakinta, da idon mage, da ametis;
13 ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
a jeri na huɗu akwai beril, da onis, da yasfa. Aka sa su cikin tsaiko na zinariya.
14 Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase ho an’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
Aka zāna duwatsu goma sha biyu, ɗaya don kowane sunan’ya’yan Isra’ila goma sha biyu, kamar yadda akan yi hatimi.
15 Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin’ ny saron-tratra izy.
Sai suka yi tuƙaƙƙun sarƙoƙi na zinariya zalla a kan ƙyallen maƙalawa a ƙirji.
16 Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
Suka yi tsaiko biyu na zinariya da zoban zinariya biyu, suka kuma ɗaura zoban a kusurwoyi biyu na ƙyallen maƙalawa a ƙirji.
17 Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ ny vava vola roa izay amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra.
Suka ɗaura sarƙoƙi biyu na zinariya da kusurwoyi na ƙyallen maƙalawa a ƙirji.
18 Ary ny lanin’ ny tady roa dia nataony teo amin’ ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
Suka maƙala waɗancan bakin sarƙoƙin zinariya a tsaikon nan biyu, sa’an nan suka rataya su a kafaɗun efod daga gaba.
19 Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
Suka yi zobai biyu na zinariya suka haɗa, suka sa su a gefe biyu na ƙyallen maƙalawa a ƙirji daga ciki kusa da efod.
20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ ny soroka roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
Sa’an nan suka yi waɗansu ƙarin zobai biyu na zinariya, suka maƙale su daga ƙasa a gaban kafaɗu biyu na efod kusa da mahaɗin a bisa abin ɗamarar efod.
21 Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ ny saron-tratra tamin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Suka ɗaura zoban ƙyallen maƙalawa a ƙirjin a zoban efod da shuɗiyar igiya don ƙyallen maƙalawa a ƙirji, ya kwanta lif a bisa kan abin ɗamarar efod don kada yă kunce daga efod, sun yi yadda Ubangiji ya umarci Musa.
22 Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan’ ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
Suka kuma saƙa taguwa ta efod da shuɗi duka, aikin gwani mai saƙa,
23 Ary ny vozon’ ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
an yi wa taguwar wuyan wundi a tsakiya kamar sulke, aka daje wuyan don kada yă kece.
24 Ary teo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
Suka yi fasalin’ya’yan rumman da shuɗi, da shunayya, da jan zare, da lallausan lilin kewaye da gefe-gefen taguwar.
25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ ny ampongabendanitra tamin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ ny ampongabendanitra):
Suka yi ƙararrawa da zinariya zalla, suka sa su a tsakanin fasalin’ya’yan rumman kewaye da gefe-gefen taguwa.
26 dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aka jera ƙararrawan da’ya’yan rumman bi da bi. Haka aka jera su kewaye da gefe-gefen taguwar aiki, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ ny mpanenona, ho an’ i Arona sy ny zanany.
Suka saƙa doguwar riga da lallausan lilin don Haruna da’ya’yansa, aikin gwani mai saƙa,
28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
suka yi rawanin da lallausan lilin, da hulan lilin da rigunan ciki na lallausan lilin.
29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Suka yi abin ɗamara da lallausan lilin da shuɗi, shunayya da jan zare, aikin gwanin mai ɗinki, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
30 Ary ny takelaka ho eo amin’ ny diadema masìna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
Suka yi allo tsattsarka da zinariya tsantsa, suka zāna rubutu irin na hatimi a kansa haka, Mai tsarki ga Ubangiji.
31 Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin’ ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Sa’an nan suka ɗaura shi da shuɗiyar igiya a gaban rawanin, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
32 Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Ta haka aka gama dukan aikin tabanakul da Tentin Sujada. Isra’ilawa suka yi kome yadda Ubangiji ya umarci Musa.
33 Dia nentiny teo amin’ i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
Sa’an nan suka kawo wa Musa tabanakul, tentin da dukan kayayyakinsa, ƙugiyoyinsa, katakansa, da sandunansa, da dogayen sandunansa da rammukansa;
34 ary ny firakotra hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
murfi na fatun rago wanda aka rina ja, da murfi na fatun shanun teku; da kuma laɓulen
35 ary ny fiaran’ ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
akwatin Alkawari da sandunansa da murfin kafara;
36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
tebur da dukan kayayyakinsa, da burodin Kasancewa;
37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
wurin ajiye fitilu na zinariya zalla, da jerin fitilunsa da dukan kayayyakinsa, da man fitila,
38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay,
bagade na zinariya, da man shafewa, da turare mai ƙanshi, da labulen ƙofar shiga tenti,
39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
bagade na tagulla na raga, da sandunansa da kayan aikinsa; da daro da wurin ajiyarsa,
40 ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana,
labulen filin, sandunansa da rammukansa, labulen ƙofar shiga filin; igiyoyi da ƙarafan kafa filin; dukan kayan aikin tabanakul da Tentin Sujada;
41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
da kuma saƙaƙƙun rigunan da ake sawa don hidima a wuri mai tsarki, duk da tsarkakan riguna na Haruna firist da rigunan’ya’yansa maza, sa’ad da suke hidima a matsayin firistoci.
42 Araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ ny Zanak’ Isiraely ny asa rehetra.
Isra’ilawa suka yi dukan aikin nan yadda Ubangiji ya umarci Musa.
43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
Musa ya duba aikin, sai ya ga cewa sun yi shi daidai yadda Ubangiji ya umarta. Sai Musa ya sa musu albarka.

< Eksodosy 39 >