< Eksodosy 38 >

1 Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
Et il fit l'Autel des holocaustes de bois d'acacia, de cinq coudées de longueur et de cinq coudées de largeur, carré, et de trois coudées de hauteur.
2 Ary nanao ny tandrony teo amin’ ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
Et il fit ses cornes à ses quatre angles où elles furent adaptées; et il le plaqua d'airain.
3 Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran’ afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
Et il fit tous les ustensiles de l'Autel, les vases et les pelles et les patères et les fourchettes et les brasiers; il employa l'airain pour tous ses ustensiles.
4 Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ ny alitara izy, dia eo ambanin’ ny sikiny, hatreo am-bodin’ ny alitara ka hatreo amin’ ny fisasahany.
Et il fit à l'Autel un treillis en réseau d'airain au-dessous de la corniche de l'Autel jusqu'à la moitié de l'Autel à partir du bas.
5 Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ ny bao.
Et il fixa au réseau d'airain quatre anneaux aux quatre angles pour recevoir les barres.
6 Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
Et il fit les barres de bois d'acacia et les plaqua d'airain,
7 Ary nampiditra ny bao teo amin’ ny vava vola teo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
et il passa les barres dans les anneaux aux côtés de l'Autel pour servir à le transporter; il le fit creux et formé d'ais.
8 Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Et il fit le Bassin d'airain et son support d'airain, y employant les miroirs des femmes qui à tour de rôle venaient faire leur service à l'entrée de la Tente du Rendez-vous.
9 Ary nanao ny kianja izy: tamin’ ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ ny kianja natao tamin’ ny rongony fotsy madinika voahasina;
Et il disposa le Parvis; au côté du midi au sud, il tendit sur une longueur de cent coudées les toiles du Parvis, de lin retors,
10 ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
au moyen de vingt colonnes fixées sur vingt soubassements d'airain et munies de clous et de tringles d'argent;
11 Ary tamin’ ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
de même au côté du nord cent coudées de toiles avec leurs vingt colonnes et leurs vingt soubassements d'airain et leurs clous et leurs tringles d'argent;
12 Ary tamin’ ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
et au côté de l'occident cinquante coudées de toiles avec leurs dix colonnes et leurs dix soubassements, leurs clous et leurs tringles d'argent;
13 Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
et au côté oriental, au levant, de cinquante coudées,
14 Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
quinze coudées de toiles d'une part avec leurs trois colonnes et leurs trois soubassements,
15 Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
et d'autre part des deux côtés de la porte du Parvis quinze coudées de toiles avec leurs trois colonnes et leurs trois soubassements,
16 Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban’ ny kianja manodidina.
toutes les toiles de pourtour du Parvis étant de lin retors,
17 Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
et les soubassements des colonnes, d'airain, leurs clous et leurs tringles, d'argent, leurs têtes plaquées d'argent, les tringles de toutes les colonnes du Parvis étant d'argent;
18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ ny kianja dia asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ ny fefy lamban’ ny kianja.
il fit aussi le Rideau à la porte du Parvis en ouvrage de brocart d'azur, de pourpre, de vermillon et de lin retors, de vingt coudées en longueur, de cinq coudées en hauteur et largeur, exactement comme les toiles du Parvis;
19 Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
et ses quatre colonnes et leurs quatre soubassements d'airain, leurs clous d'argent, et leurs têtes et leurs tringles plaquées d'argent;
20 Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
tous les piliers formant l'enceinte de la Résidence et du Parvis étant d'airain.
21 Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
Suivent les comptes de la Résidence, Résidence du Témoignage, rendus sur l'ordre de Moïse par les soins des Lévites, par l'organe d'Ithamar, fils du Prêtre Aaron.
22 Ary Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda, nanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Car Betsaléel, fils de Ouri, fils de Hur, de la tribu de Juda, exécuta tout ce que l'Éternel avait prescrit à Moïse,
23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
et avec lui Oholiab, fils de Ahisamach, de la tribu de Dan, ouvrier en fer et en bois et en brocart d'azur, de pourpre, de vermillon et de lin.
24 Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masìna, ny volamena rehetra izay lany tamin’ ny asa rehetra tamin’ ny fitoerana masìna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
Tout l'or mis en œuvre en tout genre de travail pour le Sanctuaire était l'or provenant des offrandes, savoir vingt-neuf talents et sept cent trente sicles, en sicles du Sanctuaire.
25 Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:
Et l'argent de ceux de l'assemblée qui avaient passé à la revue, fut de cent talents et mille sept cent soixante-quinze sicles, en sicles du Sanctuaire,
26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masìna, no naloan’ izay rehetra voalamina, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
à raison de demi-sicle par tête, la moitié d'un sicle, en sicles du Sanctuaire, par chacun des hommes de vingt ans et au-dessus passant à la revue, dont il y eut six cent trois mille cinq cent cinquante.
27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ ny fitoerana masìna sy ny faladian’ ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
Et cent talents d'argent furent employés à couler les soubassements du Sanctuaire, et les soubassements du Rideau, cent talents pour cent soubassements, un talent par soubassement.
28 Ary tamin’ ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
Et avec les mille sept cent soixante-quinze [sicles] il fit les clous des colonnes dont il plaqua les têtes, et fit les tringles.
29 Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
Et l'airain des offrandes fut de soixante-dix talents et deux mille quatre cents sicles.
30 Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
Il l'employa aux soubassements de la porte de la Tente du Rendez-vous, à l'Autel d'airain, au réseau d'airain qui y était, et à tous les ustensiles de l'Autel,
31 ary ny faladia tamin’ ny kianja manodidina sy ny faladia tamin’ ny vavahadin’ ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin’ ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin’ ny kianja manodidina.
et aux soubassements du Parvis dans son pourtour, et aux soubassements de la porte du Parvis et à tous les piliers de la Résidence et à tous les piliers du Parvis dans son pourtour.

< Eksodosy 38 >