< Eksodosy 37 >

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
फिर बसलेल ने बबूल की लकड़ी का सन्दूक बनाया; उसकी लम्बाई ढाई हाथ, चौड़ाई डेढ़ हाथ, और ऊँचाई डेढ़ हाथ की थी।
2 ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
उसने उसको भीतर बाहर शुद्ध सोने से मढ़ा, और उसके चारों ओर सोने की बाड़ बनाई।
3 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray koa.
और उसके चारों पायों पर लगाने को उसने सोने के चार कड़े ढाले, दो कड़े एक ओर और दो कड़े दूसरी ओर लगे।
4 Ary nanao bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
फिर उसने बबूल के डंडे बनाए, और उन्हें सोने से मढ़ा,
5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ ny vava vola, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
और उनको सन्दूक के दोनों ओर के कड़ों में डाला कि उनके बल सन्दूक उठाया जाए।
6 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
फिर उसने शुद्ध सोने के प्रायश्चितवाले ढकने को बनाया; उसकी लम्बाई ढाई हाथ और चौड़ाई डेढ़ हाथ की थी।
7 Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:
और उसने सोना गढ़कर दो करूब प्रायश्चित के ढकने के दोनों सिरों पर बनाए;
8 dia ny kerobima iray nataony teo amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy tamin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ ny sakany roa.
एक करूब तो एक सिरे पर, और दूसरा करूब दूसरे सिरे पर बना; उसने उनको प्रायश्चित के ढकने के साथ एक ही टुकड़े के दोनों सिरों पर बनाया।
9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
और करूबों के पंख ऊपर से फैले हुए बने, और उन पंखों से प्रायश्चित का ढकना ढँपा हुआ बना, और उनके मुख आमने-सामने और प्रायश्चित के ढकने की ओर किए हुए बने।
10 Ary nanao ny latabatra tamin’ ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
१०फिर उसने बबूल की लकड़ी की मेज को बनाया; उसकी लम्बाई दो हाथ, चौड़ाई एक हाथ, और ऊँचाई डेढ़ हाथ की थी;
11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
११और उसने उसको शुद्ध सोने से मढ़ा, और उसमें चारों ओर शुद्ध सोने की एक बाड़ बनाई।
12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
१२और उसने उसके लिये चार अंगुल चौड़ी एक पटरी, और इस पटरी के लिये चारों ओर सोने की एक बाड़ बनाई।
13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra, izay eo amin’ ny tongony efatra, ireo:
१३और उसने मेज के लिये सोने के चार कड़े ढालकर उन चारों कोनों में लगाया, जो उसके चारों पायों पर थे।
14 eo akaikin’ ny sisiny no nisian’ ny vava vola ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
१४वे कड़े पटरी के पास मेज उठाने के डंडों के खानों का काम देने को बने।
15 Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
१५और उसने मेज उठाने के लिये डंडों को बबूल की लकड़ी के बनाया, और सोने से मढ़ा।
16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
१६और उसने मेज पर का सामान अर्थात् परात, धूपदान, कटोरे, और उण्डेलने के बर्तन सब शुद्ध सोने के बनाए।
17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
१७फिर उसने शुद्ध सोना गढ़कर पाए और डण्डी समेत दीवट को बनाया; उसके पुष्पकोष, गाँठ, और फूल सब एक ही टुकड़े के बने।
18 Ary nisy sampany enina tamin’ ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray koa;
१८और दीवट से निकली हुई छः डालियाँ बनीं; तीन डालियाँ तो उसकी एक ओर से और तीन डालियाँ उसकी दूसरी ओर से निकली हुई बनीं।
19 teo amin’ ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ ny sampany enina tamin’ ny fanaovan-jiro.
१९एक-एक डाली में बादाम के फूल के सरीखे तीन-तीन पुष्पकोष, एक-एक गाँठ, और एक-एक फूल बना; दीवट से निकली हुई, उन छहों डालियों का यही आकार हुआ।
20 Ary teo amin’ ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
२०और दीवट की डण्डी में बादाम के फूल के समान अपनी-अपनी गाँठ और फूल समेत चार पुष्पकोष बने।
21 dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
२१और दीवट से निकली हुई छहों डालियों में से दो-दो डालियों के नीचे एक-एक गाँठ दीवट के साथ एक ही टुकड़े की बनी।
22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.
२२गाँठें और डालियाँ सब दीवट के साथ एक ही टुकड़े की बनीं; सारा दीवट गढ़े हुए शुद्ध सोने का और एक ही टुकड़े का बना।
23 Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
२३और उसने दीवट के सातों दीपक, और गुलतराश, और गुलदान, शुद्ध सोने के बनाए।
24 Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy.
२४उसने सारे सामान समेत दीवट को किक्कार भर सोने का बनाया।
25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
२५फिर उसने बबूल की लकड़ी की धूपवेदी भी बनाई; उसकी लम्बाई एक हाथ और चौड़ाई एक हाथ की थी; वह चौकोर बनी, और उसकी ऊँचाई दो हाथ की थी; और उसके सींग उसके साथ बिना जोड़ के बने थे
26 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
२६ऊपरवाले पल्लों, और चारों ओर के बाजुओं और सींगों समेत उसने उस वेदी को शुद्ध सोने से मढ़ा; और उसके चारों ओर सोने की एक बाड़ बनाई,
27 Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin’ ny koronosiny, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ ny bao hilanjana azy.
२७और उस बाड़ के नीचे उसके दोनों पल्लों पर उसने सोने के दो कड़े बनाए, जो उसके उठाने के डंडों के खानों का काम दें।
28 Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
२८और डंडों को उसने बबूल की लकड़ी का बनाया, और सोने से मढ़ा।
29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.
२९और उसने अभिषेक का पवित्र तेल, और सुगन्ध-द्रव्य का धूप गंधी की रीति के अनुसार बनाया।

< Eksodosy 37 >