< Eksodosy 37 >

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
Bezaleli anapanga Bokosi la Chipangano lamatabwa amtengo wa mkesha. Kutalika kwake kunali masentimita 114, mulifupi mwake munali masentimita 69, msinkhu wake masentimita 69.
2 ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
Iye analikuta bokosilo ndi golide wabwino kwambiri mʼkati mwake ndi kunja komwe. Anapanganso mkombero wagolide kuzungulira bokosilo.
3 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray koa.
Iye anapanga mphete zinayi zagolide ndi kuzimangirira ku miyendo yake inayi ija, mbali ina ziwiri ndi mbali inanso ziwiri.
4 Ary nanao bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
Kenaka anapanga mizati yamtengo wa mkesha ndi kuzikuta ndi golide.
5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ ny vava vola, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
Ndipo analowetsa nsichizo mʼmphete zija za mbali zonse ziwiri za bokosilo kuti azinyamulira.
6 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
Iye anapanga chivundikiro cha bokosilo cha golide wabwino kwambiri, kutalika kwake masentimita 114, mulifupi mwake masentimita 69.
7 Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:
Ndipo anapanga Akerubi awiri agolide osula ndi nyundo ndi kuwayika mbali ziwiri za chivundikirocho.
8 dia ny kerobima iray nataony teo amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy tamin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ ny sakany roa.
Iye anapanga kerubi mmodzi mbali ina ndi wina mbali inayo. Akerubiwa anawapangira limodzi ndi chivundikirocho mʼmapeto mwa mbali ziwirizo.
9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
Mapiko a Akerubiwo anatambasukira pamwamba pa chivundikiro cha bokosilo kuti achiphimbe. Akerubiwo anakhala choyangʼanana, aliyense kuyangʼana chivundikirocho.
10 Ary nanao ny latabatra tamin’ ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
Iwo anapanga tebulo la matabwa amtengo wa mkesha, mulitali mwake masentimita 91, mulifupi mwake masentimita 46, msinkhu wake masentimita 69.
11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
Kenaka analikuta ndi golide wabwino kwambiri, ndipo anapanga mkombero wagolide mʼmbali mwake.
12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
Iwo anapanga feremu yozungulira tebulo, mulifupi mwake ngati chikhatho cha dzanja, ndipo anayika mkombero wagolide kuzungulira feremuyo.
13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra, izay eo amin’ ny tongony efatra, ireo:
Iwo anapanga mphete zinayi zagolide ndipo anazilumikiza ku ngodya zake zinayi, kumene kunali miyendo yake inayi.
14 eo akaikin’ ny sisiny no nisian’ ny vava vola ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
Mphetezo anaziyika kufupi ndi feremu kuti azikolowekamo nsichi zonyamulira tebuloyo.
15 Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
Anapanga nsichi zamtengo wa mkesha ndi kuzikuta ndi golide kuti azinyamulira tebulolo.
16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
Ndipo anapanga ziwiya za pa tebulolo zagolide wabwino, mbale ndi zipande, mitsuko ndi mabeseni zogwiritsa ntchito popereka nsembe za chakumwa.
17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
Iwo anapanga choyikapo nyale chagolide wabwino kwambiri. Tsinde lake ndi mphanda zake zinasulidwa ndi nyundo. Zikho zake zokhala ndi mphukira ndi maluwa ake zinapangidwa kumodzi.
18 Ary nisy sampany enina tamin’ ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray koa;
Mʼmbali mwake munali mphanda zisanu ndi imodzi, zitatu mbali iliyonse.
19 teo amin’ ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ ny sampany enina tamin’ ny fanaovan-jiro.
Zikho zitatu zokhala ngati za maluwa amtowo, mphukira ndi duwa zinali pa mphanda yoyamba. Pa mphanda yachiwiri panalinso zikho zitatu zokhala ngati za maluwa amtowo, mphukira ndi duwa. Ndipo mphanda zonse zisanu ndi imodzi zinali chimodzimodzi ndipo zinatuluka mʼchoyikapo nyalecho.
20 Ary teo amin’ ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
Pa choyikapo nyalecho panali zikho zinayi zokhala ngati maluwa amtowo, mphukira ndi maluwa ake.
21 dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
Mphukira yoyamba inali mʼmunsi mwa nthambi ziwiri zoyamba za pa choyikapo nyale. Mphukira yachiwiri inali mʼmunsi mwa nthambi ziwiri zinazo. Mphukira yachitatu inali mʼmunsi mwa nthambi zina ziwirinso. Zonse pamodzi zinali nthambi zisanu ndi imodzi
22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.
Mphukira ndi nthambi zonse zinasulidwa kumodzi ndi choyikapo nyalecho ndi golide wabwino kwambiri.
23 Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
Iwo anapanga nyale zisanu ndi ziwiri, mbaniro ndi zowolera phulusa, zonse zinali zagolide wabwino kwambiri.
24 Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy.
Iwo anapanga choyikapo nyale ndi zipangizo zake zonse zagolide wabwino kwambiri wolemera makilogalamu 34.
25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
Iwo anapanga guwa lamatabwa amtengo wa mkesha lofukizirapo lubani. Linali lofanana mbali zonse, mulitali masentimita 46, mulifupi masentimita 46, ndipo msinkhu masentimita 91, ndipo nyanga zake zinapangidwa kumodzi ndi guwalo.
26 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
Iwo anakuta guwa lonse ndi golide wabwino kwambiri, pamwamba pake, mbali zonse ndi nyanga zake, ndipo anapanga mkombero wagolide kuzungulira guwalo.
27 Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin’ ny koronosiny, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ ny bao hilanjana azy.
Anapanga mphete ziwiri pansi pa mkomberowo ndi kulumikiza ku mbali zonse ziwiri kuti apisemo nsichi zonyamulira.
28 Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
Anapanga mizati yamtengo wa mkesha ndipo anayikuta ndi golide.
29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.
Iwo anapanganso mafuta opatulika odzozera ndi zofukiza za fungo lokoma kwambiri. Iyi inali ntchito ya mʼmisiri waluso lopanga zonunkhiritsa.

< Eksodosy 37 >