< Eksodosy 36 >
1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.
Då arbetade Bezaleel och Aholiab, och alle vise män, de som Herren hade gifvit vishet och förstånd till att veta, huru de allahanda verk göra skulle, till den tjenst, som helgedomen tillhörde, efter allt det som Herren budit hade.
2 Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.
Och Mose kallade Bezaleel och Aholiab, och alla visa män, dem Herren hade gifvit vishet i deras hjerta; nämliga alla de som välviljeliga tillbödo sig, och gingo dertill, till att arbeta på verket.
3 Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.
Och de togo till sig af Mose alla häfningar, som Israels barn frambåro, till den tjenst, som helgedomen tillkrafde, att det skulle blifva gjordt; ty de båro hvar morgon deras viljoga hjelp till honom.
4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ ny fitoerana masìna, samy niala tamin’ ny asany izay nataony avy,
Då kommo alle de vise, som arbetade på helgedomens verk, hvar och en af sitt verk, som de gjorde;
5 ka niteny tamin’ i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ ny asa nandidian’ i Jehovah hatao.
Och sade till Mose: Folket bär allt för mycket till, mer än till denna tjenstenes verk behöfves, som Herren budit hafver att göra.
6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ ny fitoerana masìna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
Då böd Mose, att utropas skulle i lägren: Ingen gifve mer till helgedomens häfning. Så vände folket igen att frambära.
7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
Ty der var allaredo nog till allahanda verk, som görandes var, och ändå utöfver.
8 Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Och så gjorde alle vise män ibland arbetarena på verket, tabernaklet, tio tapeter, af hvitt tvinnadt silke, gult silke, skarlakan, rosenrödt, Cherubim konsteliga.
9 Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
Längden af hvart tapetet var åtta och tjugu alnar, och bredden fyra alnar, och de voro all vid ena måtto.
10 Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
Och han häktade tillhopa ju fem tapeter, det ena vid det andra;
11 Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
Och gjorde gula lyckor på hvart tapetens stad, der de vordo tillhopafogde;
12 Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
Ju femtio lyckor på hvart tapetet, der det ena det andra med fattade;
13 Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
Och gjorde femtio gyldene häkte, och tillhopafogade det ena tapetet med det andra med häkten; så att det vardt ett tabernakel.
14 Ary nanao ambainy koa tamin’ ny volon’ osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no nanaovany azy.
Och han gjorde ellofva tapeter af getahår till öfvertäckelse öfver tabernaklet;
15 Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
Tretio alnar lång, och fyra alnar bred; all vid ena måtto;
16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
Och fogde fem af dem tillhopa på en del;
17 Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
Och sex tillhopa på den andra delen; och gjorde ju femtio lyckor på hvart tapetet vid stadet, dermed de vordo tillsammanknäppte;
18 Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
Och gjorde ju femtio kopparhäkte, der samma tapeter med tillhopafogdes;
19 Ary nanao rakotry ny lay tamin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
Och gjorde ett täckelse öfver detta täckelset af rödlett vädurskinn; och öfver det ännu ett täckelse af tackskinn;
20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.
Och gjorde bräder till tabernaklet af furoträ, som stå skulle;
21 Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
Hvartdera tio alnar långt, och halfannor aln bredt;
22 Ary lahiny roa no amin’ ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ ny tabernakely.
Och uppå hvartdera två nåckor, der de med vordo tillhopasatte; så gjorde han all bräden till tabernaklet,
23 Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
Att tjugu af dem stodo på södra sidone;
24 Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo hiorenan’ ny lahiny roa.
Och gjorde fyratio silfverfötter derunder; under hvart brädet två fötter, till två sina nåckor.
25 Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
På den andra sidone af tabernaklet, som var nordantill, gjorde han ock tjugu bräder,
26 Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo.
Med fyratio silfverfötter; under hvart brädet två fötter.
27 Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ ny lafin’ ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
Men bak i tabernaklet på vestra sidone gjorde han sex bräder;
28 Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely tamin’ ny lafiny ivoho izy.
Och tu annor på de tu hörnen af tabernaklet baktill;
29 Ary nakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ ny zorony roa.
Så att hvartdera af de båda parade sig med sitt hörnebräde ifrå nedan uppåt, och kommo tillhopa ofvantill med en krampo;
30 Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Så att bräden vordo åtta, och silfverfötterna sexton; under hvart två fötter.
31 Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
Och gjorde han skottstänger af furoträ; fem till bräden på den ena sidone af tabernaklet;
32 sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
Och fem på den andra sidone; och fem bak vestantill;
33 Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
Och gjorde skottstångena, så att hon öfver bräden allt bortåt skjuten vardt, ifrå den ena ändan till den andra;
34 Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
Och öfverdrog bräden med guld. Men deras ringar gjorde han af guld till skottstängerna, och öfverdrog stängerna med guld;
35 Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Och gjorde Cherubim på förlåten konsteliga af gult silke, skarlakan, rosenrödt, och hvitt tvinnadt silke;
36 Ary nanao andry efatra tamin’ ny hazo akasia izy hihantonan’ izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’ hiorenany.
Och gjorde till den samma fyra stolpar af furoträ, och öfverdrog dem med guld, och deras knappar af guld, och göt dertill fyra silfverfötter;
37 Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Och gjorde ett kläde uti tabernaklets dörr, stickadt af gult silke, skarlakan, rosenrödt, och hvitt tvinnadt silke;
38 Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
Och fem stolpar dertill med deras knappar, och öfverdrog deras knappar och gjordar med guld; och fem kopparfötter dertill.