< Eksodosy 36 >

1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.
A LAILA hana o Bezalela, a me Aholiaba, a me na kanaka a pau i akamai ka naau, na mea a Iehova i haawi mai ai i ke akamai, a me ka naauao e ike ai i ka hana i na hana a pau no ka oihana o ke keenakapu, e like me na mea a pau a Iehova i kauoha mai ai.
2 Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.
A hea aku la o Mose ia Bezalela, a me Aholiaba, a me na kanaka a pau i akamai ma ka naau, a Iehova i haawi mai ai i naau akamai, i na mea a pau hoi i ikaika ma ko lakou naau e hele e kokua i ka hana.
3 Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.
A loaa ia lakou, na Mose ae, na haawina a pau a na mamo a Iseraela i lawe mai ai no ka hana o ka oihana o ke keenakapu, i mea e paa ai ka hana. A lawe mai no lakou ia ia i makana hou i kela kakahiaka, i keia kakahiaka.
4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ ny fitoerana masìna, samy niala tamin’ ny asany izay nataony avy,
A hele mai la na kanaka akamai a pau, ka poe i hana i na hana a pau o ke keenakapu, mai ka hana mai, a lakou i hana'i.
5 ka niteny tamin’ i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ ny asa nandidian’ i Jehovah hatao.
A olelo mai la lakou ia Mose, i mai la, Ke lawe mai nei na kanaka a nui okoa aku, mamua o ka lawelawe ana i ka hana a Iehova i kauaha mai ai e hana.
6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ ny fitoerana masìna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
A kauoha ae la o Mose, a hookala aku la lakou ia, a puni kahi i hoomoana'i, i ae la, Mai hana hou kekahi kanaka, aole hoi kekahi wahine i hana no ka haawina o ke keenakapu. A hookiia iho la ka lawe ana mai o na kanaka.
7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
No ka mea, ua lawa na mea e paa ai ka hana a pau e hanaia'i a keu aku no.
8 Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
A o ka poe mea naau akamai a pau i hana i ka hana o ka halelewa, hana lakou i umi mau pale, he olona i hiloia, he uliuli, he poni, a me ka ulaula; hana no oia ia mau mea na kerubima, o ka hana a ka poe akamai.
9 Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
He iwakaluakumamawalu kubita ka loihi o kekahi pale, eha kubita ka laula o kekahi pale, ua like hoi ka nui o na pale a pau.
10 Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
A hai pu oia i na pale elima, kekahi i kekahi, a hui pu oia i kekahi mau lima, kekahi i kekahi.
11 Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
A hana iho la no hoi ia i na puka lou uliuli, ma ke kae o kekahi pale, ma ka pelupelu ana maloko o ka huina. A pela no oia i hana'i, ma ke kihi loa o kekahi pale, ma kahi i huiia'i me ka lua.
12 Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
Hana no oia i kanalima puka lou ma kekahi pale, a hana no hoi i kanalima puka lou ma ke kae o ka pale, kahi i haiia'i me ka lua. O na puka lou ka mea i paa ai kekahi i kekahi.
13 Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
A hana oia i kanalima lou gula, a hui oia i na pale, kekahi me kekahi a paa i na lou. A lilo iho la ia i halelewa hookahi.
14 Ary nanao ambainy koa tamin’ ny volon’ osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no nanaovany azy.
A hana no hoi oia i pale hulu kao no ka hale maluna o ka halelewa: hana oia ia mau mea, he umikumamakahi pale.
15 Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
He kanakolu kubita ka loihi o kekahi pale, a eha no kubita ka laula o kekahi pale; ua like ka nui o na pale he umikumamakahi.
16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
A hui oia i elima mau pale a kaawale lakou, a i eono mau pale a kaawale lakou.
17 Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
A hana iho la no oia i kanalima puka lou ma ke kae loa o kekahi pale ma ka hui ana, a hana no hoi oia i kanalima puka lou ma ke kae o ka pale i hui me ka lua.
18 Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
A hana no hoi oia i kanalima lou keleawe e paa ai ka hale, i lilo ia i hookahi.
19 Ary nanao rakotry ny lay tamin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
A hana no hoi oia i uhi no ka hale, he mau ili hipakane i hooluu ulaula ia, a maluna aku, i uhi hou, he mau ili tehasa.
20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.
A hana no hoi oia i mau papa no ka halelewa, he laau sitima, e ku pono ana iluna.
21 Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
He umi kabita ka loa o kekahi papa, a hookahi kubita a me ka hapalua ka laula o kekahi papa.
22 Ary lahiny roa no amin’ ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ ny tabernakely.
Elua no komo ko ka papa hookahi, ua like no ke kaawale ana o kekahi, a me kekahi. Pela no ia i hana'i no na papa a pau o ka halelewa.
23 Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
A hana oia i papa no ka halelewa, he iwakalua papa no ka aoao hema ma ka hema.
24 Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo hiorenan’ ny lahiny roa.
A hana oia i hookahi kanaha kumu kala malalo iho o na papa he iwakalua; elua kumu malalo o ka papa hookahi, no kona mau komo elua, a elua hoi kumu malalo o kekahi papa no kona mau komo elua.
25 Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
A no kela aoao hoi o ka halelewa, ma ke kihi akau, hana no oia i iwakalua papa,
26 Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo.
A me ko lakou kumu kala he kanaha; elua kumu malalo iho o kekahi papa, elua hoi kumu malalo iho o kekahi papa.
27 Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ ny lafin’ ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
A no na aoao o ka halelewa, ma ke komohana, hana oia i eono papa.
28 Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely tamin’ ny lafiny ivoho izy.
A hana oia i elua papa no na kihi o ka halelewa, ma na aoao elua.
29 Ary nakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ ny zorony roa.
A ua huiia ia mau mea malalo, a ua huiia ma na poo ma ke apo hookahi. Pela no oia i hana'i ia laua a elua, ma na kihi elua.
30 Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Ewalu no ia mau papa a o ko lakou mau kumu, he umikumamaono kumu kala, elua no kumu, a elua hoi kumu malalo o ka papa hookahi.
31 Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
A hana no oia i mau laau ki, he laau sitima; i elima no na papa ma kekahi aoao o ka halelewa,
32 sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
A i elima hoi ki no na papa o kekahi aoao o ka halelewa, a i elima hoi ki no na papa o ka halelewa no na aoao ma ke komohana.
33 Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
A hana iho la oia i ka laau ki mawaenakonu, e puka loa, mai kekahi kala a i kekahi kala.
34 Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
A wahi iho la oia i na papa i ke gula, a hana iho la i ko lakou mau apo, he gula, i wahi no na laau ki, a wahi iho la i na ki i ke guia.
35 Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
A hana iho la oia i paku, he uliuli, a he ulaula, a he olona i hiloia, a hana no hoi i na kerubima, he hana na ka mea akamai.
36 Ary nanao andry efatra tamin’ ny hazo akasia izy hihantonan’ izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’ hiorenany.
A hana oia i eha kia nona, he laau sitima, a uhi oia ia mau mea i ke gula. He gula no ko lakou mau lou, a hoohehee oia no lakou i mau kumu kala eha.
37 Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Hana iho la no hoi oia i pale no ka puka komo o ka halelewa, he uliuli, he poni, he ulaula, a me ke olona i hiloia, ka hana a ka mea humuhumu lope ano e;
38 Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
A me na kia ona elima, a me ko lakou mau lou; a uhi no hoi oia i ko lakou mau poo, a me ko lakou mau auka e paa ai i ke gula. Aka, he keleawe no ko lakou mau kumu elima.

< Eksodosy 36 >